Mangataka tononkira

1. ff ( 31/03/2006 12:52)
'Zao rey olona e! Mba mangataka tononkira iray izay aho. Tsy fantatro ny lohateniny, fa ny tarika Jeneraly angamba no mihira azy raha tsy diso aho. Hira duo fanao am lanonana ara-panambadiana izy io matetika, ary misy toy izao ao anatiny:" Hanananao tokoa ny bika, endrika koa torak'izany; fa fitia toa mangatsiaka, raha tsy anilanao hatrany...Dia izany ny fitia e! Ny fitia e!...Fa tiako loatra ianao, mamiko toa tantely...Ny fitia e! nokarakaraiko, matoa aho tonga aty!" Misaotra tompoko o!
2. soasoafy ( 31/03/2006 13:30)
Tsy dia haiko koa fa ny voalohany misy hoe: "Tadidio kely ange e
Ndray takariva izay
......." Jeneraly mihintsy no mihira azy io dia misy vhv manampy azy fa tsy tadidiko ny anarany
3. lanto ( 31/03/2006 13:52)
Ny hafanana angamba ny titre an'io izay. Ny mpihira tsy tadidiko teo.

Tadidio kely ange
Indray takariva izay
Notantaraiko tamin'ise fa
Tsy miaraka izahay
Fa matory izy eo anilako
Satria tiako ny eo anilany ôh
Fa raha izay fitiavako ?
Na misy aza silany

Fa ny antsika kosa
Hafa tsy toa ny anay
Fa fitiavana miavosa
No niarahana hatrizay
Toky ihany no omeko
Omeko anao
Tsy omeko azy o
F'izay efa nekeko
tsy ataoko vazivazy

ref:
Fa tiako loatra ianao
Mamy toa tantely
Tena fitia fa
Tsy lainga velively
Misy ihany anefa anie
Omeny ahy tsy omenao
Ka hadisoako ve ?
Sa kosa diso ianao ?



Anananao tokoa ny bika
Ny endrika torak'izany
Nefa kosa mangatsiaka
Raha anilanao hatrany
Ny hafanana ry lalaiko
Mila izany ny fitia e
Ny fitia e
Io ihany no karakaraiko
Matoa aho tsy tonga aty.


Nahitsin'i lanto
novalian'i lanto ny 31/03/2006 13:58
4. rurik ( 31/03/2006 13:54)
soasoafy
dia ny tohiny ve le we
Notantaraiko tamise fa tsy miaraka izahay
Fa matoa izy eo anilako La La La la
tsy tadidiko tsony fa raha samy mametraka ny tadidiny eto angamba mety ho feno ihany le hira:-D:-D:-D
5. lanto ( 31/03/2006 13:59)
saika niara-namaly zah sy rurik
6. Fiffi ( 31/03/2006 16:32)
tsy naninona ka! :-D:-D:-D:-D
7. rurik ( 01/04/2006 08:26)
lanto fa za anie tsy mahay atramifaranay fa la la la la dia haiko tsara nefa haiko fa tsy la la la la no tadiaviny :-D:-D:-D=D=D=D=D lanto fa zao aho mba afaka mihira koa
8. Fiffi ( 01/04/2006 11:33)
rurik: efa mahay anie zany eh! :-D:-D:-D
9. hertix ( 02/04/2006 11:34)
Ahitsiko kely ny tenin'i ff sy soasoafy fa tsy Jeneraly no mihira io hira io fa i Jeannot Razakandrainy. Izany hoe samy miantomboka @ Je- daholo ihany fa ny tohiny no samihafa. :lol::lol::lol: Ny titre ndray aloha tsy haiko e!
10. Fiffi ( 02/04/2006 11:38)
heveriko hoe zah aza :-D:-D:-D:-D:-D le ff io an!:wink:
11. lanto ( 02/04/2006 16:01)
hertix > misaotra eee Maharaka mihitsy nge nareo zany e :)
12. Veloo ( 02/04/2006 22:26)
lanto a njy ko maharaka be knou:wink:
13. Fiffi ( 03/04/2006 05:16)
rurik: avereno kely indray hoe! :-*:-*:-*:-D:-D
14. hertix ( 04/04/2006 00:47)
Lanto> Ny hafanana marina no lohatenin'io fa zay vô tadidiko. Tsy hoe maharaka fa tiako koa io hira io.
15. Fiffi ( 04/04/2006 05:53)
mahay nareo ka =D=D=D
16. cmbolatiana ( 06/04/2006 10:39)
Ny hafanana no titre-n'io hira io dia jereo ao amin'ny tonokira - Jeannot no mihira azy
Ok
ff:

'Zao rey olona e! Mba mangataka tononkira iray izay aho. Tsy fantatro ny lohateniny, fa ny tarika Jeneraly angamba no mihira azy raha tsy diso aho. Hira duo fanao am lanonana ara-panambadiana izy io matetika, ary misy toy izao ao anatiny:" Hanananao tokoa ny bika, endrika koa torak'izany; fa fitia toa mangatsiaka, raha tsy anilanao hatrany...Dia izany ny fitia e! Ny fitia e!...Fa tiako loatra ianao, mamiko toa tantely...Ny fitia e! nokarakaraiko, matoa aho tonga aty!" Misaotra tompoko o!



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0825