Fitaizana Hazo fihinamboa.

1. Herimiafina ( 31/03/2006 03:16)
Ndeha isika hiresaka indray ny karazana fomba fitaizana ny hazo fihinamboa rehetra:
-Zezika ampiasaina.
-Taille (fanapahana ny rantsana).
-Fiadivana amin'ny bibikely sy ny aretina.
-Ny toerana tsara asiana azy.

Voalohany indrindra dia raha tiana haharitra ny hazo fihinamboa iray (ny café ao anatiny) dia ilay izy vao mamelana iny ka vantany vao mamoa dia tokony endahina avokoa ireo voany vatany vao kely. Izany hoe ny taona voalohan'ny fivelaran'ny voninkazo dia tokony hiafy tsy hihinana ny voany, amin'izay mamokatra tsara ny hazo ny herintaona aorian'iny.
Firifiry kanefa no sahy manao izay?:roll:
2. pissoa ( 31/03/2006 05:23)
Hihihi, raha ilay paiso misy fangotsohana ireny leitsy rehefa vokatra (tsy haiko ny anarany fa bobaka be eo antokontany any Dago kle :-D:-D ) dia 100 taona aza zah tsy hihinana mihitsy an ... aleo hateza tsara eo.

Fa tsy azoko hoe fa maninona no tokona atao an'izany kay e? :roll::roll:
3. Fiffi ( 31/03/2006 06:10)
Fa tsy azoko hoe fa maninona no tokona atao an'izany kay e?
ny antony hanaovana an'io dia ny mba ahazahoana voankazo maro @ manaraka , na koa mba hampitombo ny hazo aloha raha mbola kely ilay hazo. Marina fa indraindray tena mankarary fo ery ny manala ireo voninkazo mbola tsy misokatra ireo satria isakin'ny hisan'ny voninkazo no lasa isan'ny voankazo ao. Na izany koa aza , ny taona manaraka , raha te-ahazo voankazo tena lehibe dia hanalana koa ireo voninkazo ireo , indrindra indrindra dia tsy maintsy halana daholo ny voninkazo eny @ tendron'ny tapak'hazo fa rehefa mialehibe ireo voankazo ireo dia mavesatra dia tsy zakan'ny branche dia ho tapaka eo io branche io dia manimba ny hazo fa arakin'ny lazainao ry Herimiafina aleo mihafy kely mba ahazahoana zava-tsoa avy eo. :)
4. Herimiafina ( 02/04/2006 18:15)
Marina mihintsy izany, ny tahony iray raha mitondra voany be loatra dia miha-reraka isantaona ary dia maty no hiafarany.

Misy koa rehefa tena antitra ny hazo dia tapahina miala 20cm-30cm amin,ny fotony ary avela handefa solofony indray. Izay no atao hoe Recepage, ny voaloboka ohatra dia atao an'io matetika.

Fa inona koa ary no tena tanjon'ny TAILLE na ny fandratsanana raha hainareo? :P
5. booboo ( 02/04/2006 19:32)
euh...ny @ voninkazo no haiko fa tsy @ hazo fihinamboa.
6. Herimiafina ( 02/04/2006 19:45)
Mety daholo akia ry booboo an! Arakaraka ny tanjona ihany akia io an! Na izy avela handravina, na izy avela hamoa, sns, :P
7. Veloo ( 02/04/2006 22:53)
booboo a ie wa retsy za zao saika hanontany an'i heri oe inn ko ty hazo fihinamboa?:roll::-D:-D:-D:-D
8. Herimiafina ( 04/04/2006 16:07)
Ny tanjon'ilay manao Taille koa na manapaka ny rantsana sasany dia ny mba tsy hiakaran,ny halavan,ilay hazo ho avo be ka ilana tohatra vao takatra rehefa vokatra ny voankazo.

Tokony ho eo ho eo amin,ny 2m miala ny tany eo ny tronc principal dia ny trantsana segondera no mameno azy, izany hoe mandrobona mahafinaritra.
9. Fiffi ( 05/04/2006 14:51)
Herimiafina: fa angaha ny cerisier mahazo taillena zany ? tsy ho faty ve ny hihafarany ? manana cerisiers 3 karazany zah ato fa tsy sahy manapaka zany fa marina aloha fa ny 1 dia efa lasa avo be mihintsy an!
10. andry08 ( 06/04/2006 09:10)
Manana mbola kely aho ka mba tiako ho fantatra koa, eo @5 taona eo izy.
11. Herimiafina ( 08/04/2006 20:57)
Ahan :@:@

Dieny mbola tanora toy izany izy dia efa tokony karakaraina mba handrobona stara fa tsy avela efa naniry be ahan.

Avela haniry tsara izany ny tiges segondera rehetra, manodidina ny tronc principal.

http://www.gerbeaud.com/jardin/fiches/fp_fruitiers_taille_1.php3

Ahan :@:@
12. steeeel ( 01/05/2006 15:19)
Masaka be leisy bainina an! Merci an!
13. cutie ( 02/05/2006 21:41)
i HM zany anie ka ohtran'ny tia mikarakara voninkazo sy ny tariny e :P
14. ratahx ( 18/05/2006 10:24)
Mba omeo hevitra hambolena hazo fihinamboa any amin'ny tany mafana zah raha manana nareo.
15. cutie ( 18/05/2006 10:55)
aiza le tany mafana io:roll:
16. ratahx ( 20/05/2006 03:47)
Le tany mafana ve: aty akaikin'i Majunga aty eh! Fa amoron'dranomasina le izy. Zany hoe avaratra andrefan'i Majunga zany no tena marina eh. Sady izay anaty tsingy sy mangroves
17. Tsytaitra ( 08/06/2006 16:14)
Mba misy fanontaniana kely hapetrako raha misy afaka hamaly.
Manana cerisier sy voaloboka ary voatabia aho. Dia misy bibikely mihinana ny ravindrizareo. Nefa za tsy mahita bibikely mandehandeha ankoatry ny escargot sy vitsika...T@ herintaona ny voatabia mihintsy no laniny.
18. cutie ( 09/06/2006 20:20)
lazaiko any @ hafatra ny fanafodiny :P
19. Fiffi ( 10/06/2006 06:19)
Tsytaitra: tsy misy zavatra tsara nohon'ny fampiasaina ny produit naturaly fa tsy chimika ireny.
Ny tena mora indrindra de manao "bouillie bordelaise"
Hatao anaty arrosoir ny ravina ortie de hasiana rano , avela hilona ao mandritrin'ny 3 andro. (somary misy fofona evy eo) de pulverizena an'io ny ravin'ny hazo . Andramo ange eh!
20. Fiffi ( 10/06/2006 06:20)
cutie: fa maninona nefa no tsy hatao eto ? @ zay mba manampy ny namana zay mba mila torohevitra ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.11