Ny anjara sy lahatra
1. Fiffi
(
27/03/2006 06:16)
Hoy ity hira ity: "izao ianao izao dia manana anjara fiadanana" ary ny fahazahoana an'io fiadanana io dia miankina @ tsika tsirairay hiany . Ary raha sanatria hoe nisy olana ohatra hoe fisaraham-panambadiana na zavatra hafa tsy tojo na nahavoa ny tena , azo lazaina ve io fa hoe "izao no anjaranao sy ny lahatrao ?"
novalian'i admin ny 22/07/2014 20:53
2. soasoafy
(
27/03/2006 07:11)
Raha sendra tojo olana eo @ fiainana de tsy voatery hoe anjara sy lahatra io, fa Andriamanitra no manome ny anjara sy ny mandahatra, fa mety koa hoe i Balita koa no tsy nambinina.
3. mandrindra
(
27/03/2006 07:13)
ny anjaran'ny tsirairay dia izy ihany no manamboatra sy mahatonga azy. noho izany ny vokany, na ny lahatra, dia noho izy ihany koa.
4. Fiffi
(
27/03/2006 10:16)
marina aloha izany fa tokony tsy hatao izany ny filaza hoe "izao no lahatra ho anao " raha sanatria ka misy zavatra ratsy tonga aminao.
5. TYNOS
(
28/03/2006 11:21)
ny lahatra na ny anjara de miankina @finoan'ny olona tsi11,fa raha ny misy na ny mitranga matetika no resahina de @zavatra ratsy no hisehoan'io eto amintsika, izany hoe fampihononana no fandraisakoo azy,fa raha ny fisaraham-panambadiana de samy manana ny antony avy ka raha vao nisaraka zany anao io de tsaratsara angamba ny manao karazana replay kely ny fiainampitiavanao lasa rehetra fa matoa misaraka de ao antony ka mila correction mba tsy hiverenany @sisa fa tsy hoe sanatria ahilika @anjara sy ny vintana miaraka @forongony ny tsy fahaizanao miaina na mitondra ny vadinao ka tsy te andini-tena akory...zay ka de veloma ka de mahereza e! indray mande hono manta vary azamanary fatam-pera...
6. Fiffi
(
28/03/2006 11:32)
dia raha izany dia tsy misy tokony hilazana hoe io no lahatrao na ny anjaranao!
7. sonwin
(
28/03/2006 13:11)
misy ny anjara fa azo lavina na ariana ihany koa, sahala amin'ny hoe nisy fizarana mofo tao an-trano dia samy nahazo ny anjarany, misy nefa tsy te hihinana dia tsy nalainy tsotr'izao ny azy, misy indray nomeny ohanin'ny hafa ny anjarany..etsetra etsetra fa resaka lalina be io.
8. cutie
(
28/03/2006 13:43)
ny olona rehetra samy manana ny anjara masoandrony daholo. Fa le lahatra njay alou no tsy haiko :-D
10. soleil
(
29/03/2006 12:22)
Ny anjara sy lahatra de lamina efa voapetraka manokana , na tsara na ratsy ny zavatra mitranga lalovana sy iainanao de tsarovy fa Andriamanitra manana ny efa niheverany ny fiainantsika tsirairay avy ary ireny sedra maro ,fahoriana , fijaliana ireny de natao hanefena antsika
ny zavatra rehetra mitranga eo amin'ny fiainantsika de tsy misy kisendrasendra akory fa isika no mandray azy araka ny saintsika avy eny na de ireo heverintsika ho mafy indrindra nefa Andriamanitra tsuy mapitondra izay tsy zakantsika
ny zavatra rehetra mitranga eo amin'ny fiainantsika de tsy misy kisendrasendra akory fa isika no mandray azy araka ny saintsika avy eny na de ireo heverintsika ho mafy indrindra nefa Andriamanitra tsuy mapitondra izay tsy zakantsika
11. Fiffi
(
29/03/2006 12:31)
dia antsika tsirairay avy hiany zany no tokony handinika tsara ny zavatra hataontsika mba ahazahoantsika hilaza hoe izay ny anjarako na ny lahatro fa tsy tonga dia lazaina na miaiky avy hatrany raha sanatria tsy nety t@ fanantenantsika!
12. mandrindra
(
30/03/2006 14:43)
hoy i soleil
ahoana no ahafahana manamarina an'izany?
napetrak'iza? ary voapetraka aiza ?
Ny anjara sy lahatra de lamina efa voapetraka manokana
ahoana no ahafahana manamarina an'izany?
napetrak'iza? ary voapetraka aiza ?
13. Fiffi
(
31/03/2006 04:37)
soleil: ahoana tokoa moa akio io ? satria ve hoe nytsirairay hiany ve no mametraka azy sa......:roll: