niverina @ilay vady niterahana taloha

21. sakaizakely ( 25/03/2006 20:39)
tena mahay mitsongoloka tokoa ange ianao izany e ! Ka izay fandraisanao ny pseudo @ maha macho anao tsy maninona fa amiko tsy détails mihintsy ny fifampiantsoana entre couople. CF ny post eo ambony. Je maintiens que c'est un manque de considération envers son ex.
22. Lejim ( 25/03/2006 21:54)
Fiffi> Hamaliako ireo fanontanianao ambony ireo.
-Voalohany, raha lasa ilay madama dia misy zavatra tsy tantiny ao, mety sahiran-tsaina izy, dia mety hitany fa ho sahirana koa ireo zaza ireo raha avelany. Matoky izany izy fa mahita fahasambarana bebe kokoa ho azy sy ho an'ireo zanany izy any ho any. Dia lasa izy nitsoaka.
-Faharoa, vady misintaka ho azy otran'izany dia tsy mendrika hitiavina intsony (@ perspective-ko io an), nahoana raha mba niresaka alohan'ny handehanana?
-Fahatelo, rehefa sambatra ny ankizy, hita hoe mahazo fahasambarana mihoatra ny tokony azon'ilay bandy omena azy ireo, dia alefitra ny ambom-pon-dehilahy fa banjinina ny ho avin'ireo ankizy.
- Zah ary saika hilaza hoe, mankanesa any amin'ny fitsarana fa saingy tsy dia voako loatra ireny bandy mitory ny vadiny ireny. Dia aleo miala mangina.
La vie est belle!
Fa hevitro moa io, dia izay no ilazako azy eto. Ny safidy dia azy tompom-bady ihany (ario ny teniko fa tsy ny tenako hoy ny razana).
23. Veloo ( 26/03/2006 02:04)
humm:-w:-w:-w:-w zany an
24. sipagasy ( 26/03/2006 06:24)
Ralay:

Tena mandinika mintsy i patrick2002 zany fa ny zavatra voatazoko @ilay resaka dia ny hoe TSY MISY NATAO HO FATY ANKAZO TOKANA ETO LETY AH :lol: koa dia aleo aloha maka hazo roa vao maty raha izany kle :D



mmhhhh mitady hazo injay ralay annnn
25. Fiffi ( 26/03/2006 06:44)
sakaizakely: dia hataovy teny gasy fa tsy maharaka aho eh!
26. ikalakintina ( 26/03/2006 06:47)
patrick sy ralay a!, mitady hazo hafa indray zany?, de ahoana ny zazakely?, ny hevitro aloha de mila miresaka zareo na de ny fanapahankevitra farany aza e!, matoa anie nisy zazakely roa sy nivady de nisy resaka tao e!, raha tsy oe anga tsy te hiresaka tsony ny iray am andaniny na ny ankilany,
fifii dee iza zany no tianjy iantsoan'i......anjy?
27. Fiffi ( 26/03/2006 16:26)
ny malalako hiany no mahafantatra azy an!:wink:
28. patrick2002 ( 26/03/2006 23:50)
ikalakintina:

patrick sy ralay a!, mitady hazo hafa indray zany?, de ahoana ny zazakely?, ny hevitro aloha de mila miresaka zareo na de ny fanapahankevitra farany aza e!, matoa anie nisy zazakely roa sy nivady de nisy resaka tao e!, raha tsy oe anga tsy te hiresaka tsony ny iray am andaniny na ny ankilany,
fifii dee iza zany no tianjy iantsoan'i......anjy?


Ka fanapaha-kevitra inona intsony,:?: ny hevitra efa notapahany ramatoa kou,olana : ianao ao anatiny no mamaha ny olana fa tsy efa lasa akory,mbola miaraka @ sipanao ianao no ilaina ny fifampiresahana hamahana ny olana,fa izy efa namaha ny olana ary efa voavahinyka inona intsony:roll: Ny vahaolana hitany dia miverina @ ilay taloha izy.
Ny fifampiresahana amiko dia efa sujet afa mihintsy Oh ahoana no hifampitondrana na andraikitrao @ ilay zaza.Torak'izany koa ny fijerena ny antony mba mba hanitsianao ny diha @ manaraka ,tsy ho solafaka indray,mba hampidoroboka an'ilay hazo vaovao:lol::lol:
29. radeeds ( 27/03/2006 03:41)
ikalakintina > izay zany no lahatra ,!
de efa izay zany lasa izy , inn no tsy ampy teo aminao ?sa lasa any ivelany !?de niverina izy fa tsy zakany ny zav niseho teo aminareo 2 .nisaina ihany izy hoe raha hanambady hafa de lasa 3 ny rain'ny ankizy fa raha miverina amy taloha izy de 2 ihany .Fa injao niverina izy de le 1 koa mbola tia de enao nijanona irery !ntsôôô mitadiava hafa in1 aloha de ataovy mijanona tsara :)
30. Fiffi ( 27/03/2006 05:33)
mba te-ahafantatra izay ao an-tsain'ilay vadiny taloha aho hoe niveraina ilay ramatoa @ zay miaraka @ zanany 2 , raha izany no fandehan-javatra , mety tena mbola nifankatia foana izany ry zareo sa ahoana hoy ianareo ? nefa efa nisaraka ko.
31. ari.malala ( 27/03/2006 06:53)
sakaizakely:

Prems : vadinao nolalainao ve dia ataonao hoe Rafotsy ?


Tsy ny fifampiantsoana no miteraka ny olana fa ny fifandraisana eo @ izy roa e! Za zo teneniko an'i Sakaizakely, fa niara niantsena izahay roa, di anantsoin'ny namany izy dia hoy izy, za mbola miaraka @ rafotsiko fa @ manaraka ngambany, d zany zao d manin? Ts ny fiantsoany ana ho rafotsy mints no haharafotsy ana vetivety eo. Surnom ôtran'ny surnom rehetra ihany aky io a! Ary aza d zatra mijery lafin-javatra negatif b ôtran'nzany fa raha hitsingolohana daolo anie ny rehetra ka tsy hisy raha vanona eto an-tany e!

Hoan'i Bonaventure, ny tokony hataonao, dia ny mitady azy hoe any @ le vadiny taloha marina ve zareo, dia mankany ianaoo, tsy hiady akory sanatria, fa miresaka momba ny hoavin'ny ankizy, hoe ho zakany marina v ny zanakao, satria efa ts question anareo lehibe intsony izao fa efa ny ankizy no tena ventin-dresaka. Anontanio tsra koa ny ankizy hoe hoaiza izy ireo, hijanona @ reniny ve sa hoany @nao. Tsy voalazanao mantsy hoe zaza firy taona ireo zanakareo ireo. Amiko aloha tsy vahaolana ny fitoriana, fa raha sanatria miziriziry tsy mety manome droit de garde anao ilay ramatoa vao tokony hiditra @ zayresaka mangataka droit de garde izayeny @ tribonaly ianao, satria zanakao ireo. Fanampin'izay, diniho tsara izay rehetra nitranga nahatonga ilay fandaozana fa ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha, sao sanatria avy @nao na nisy toetra tsy zakan'ny vadinao tao ka nahatonga azy nandeha, sa ve efa premedité ilay fandaozana satria mbola nisy fifandraisana t@zareo mpiray anaka... Dia farany, raha ny hijanona @ reniny nosafidin'ny ankizy, dia mahereza, tsy ho very tsy ho zanakao ireo fa dia ny adidinao tanteraho, ampahafantaro azy ireo, fa rainy foana ianao ary tia azy ireo, sy koa ny adin'ny Rad tsy manova ny fitiavanao rainy azy. Dia mahereza.


32. Fiffi ( 27/03/2006 10:36)
ari.malala: =D=D=D tsara akia an! :-*:-*
33. ikalakintina ( 27/03/2006 11:10)
bonaventure a!, dakoma anga le vadin'i le vevavy talo?ianao mantsy atsy ambadika atsy to mi.....am dakoma ko!
patrik, radeeds!,marina reto fa efa tokony resaka momba le zaza sy ny ho avy no tokony resahana!, za mantsy tena tsy mahazaka izany mpivady misaraka zany indrindra raha efa misy zaza, satria ny ho avin'ny zaza mitsy no mise en question saingy le we le ramatoa no nande de zay anga! zay no mam insiste anà am le firesahana,saingy atao ahoana fa izy lasa niaraka am zaza de ze mahasoa an le zaza zany sisa tadiavina e!
34. totofy ( 27/03/2006 19:40)
marina ny voalazan' i ari.malala : bravo !!!=D=D=D
35. sakaizakely ( 27/03/2006 19:49)
Raha aminao izany tsy mampaninona anao dia tsy maninona, fa amiko manokana dia tsy azoazoko nefa moa ahy izany ka raha madiso dia miala tsiny.
Efa ela loatra angamba no nipetrahana taty andafy taty ka lasa miova ny toetsaina. Fa raha ohatra nataony hoe Rafotsikely dia mba azoazoko kokoa. Fa maninona kay raha mba terme affectif kely no ampiasain'ny lhl @ vadiny ? Mahamenatra ve ?

Fa ny ahy aloha dia hitako hafahafa izany hoe lasa ny vadiny dia tsy fantany akory hoe lasa fa efa fotoana elaela taty afara vao nahare siosio izy. Dia tsy mba nifampitady akory ve izy mitsam mandritra izay fotoana izay ? Mety nisy zavatra nitranga talohan'ny nisintahan'ilay vhv fa tsy lazain'i bonaventure antsika. Jereo ary moa ity izy tsy niverina intsony fa isika fotsiny no very hevitra eto.
36. Fiffi ( 27/03/2006 21:06)
ka sao dia mbola sahirana mitady azy kosa izy ary ?
37. onjah ( 28/03/2006 12:55)
ikalakintina:

aza mahavoa ny gavo manta, (...), de bonne chance e!


=))
38. Fiffi ( 29/03/2006 03:45)
:roll:
39. meme ( 31/03/2006 01:02)
Tsotra:Tadiavo izy sy ilay vadiny dia resaho sy ankino @ izy ireo ny zanakao roa na alaivo raha voataizanao dia alamino ny saina dia vita.
40. Fiffi ( 02/04/2006 11:43)
mora ny miteny , fa angaha zavatra mora vita na hatao tahakan'ny miteny hoe manahoana izy ity ?:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0074