inona moa no atao hoe POLITIKA?....mbola be ny tsy mahazo an

1. xxx ( 23/03/2006 12:35)
Miàla tsiny raha mbola be ny tsy mahazo ny atao hoe POLITIKA hatramin'izao: PÔ-MISOLITIKA izay no tena dikan'io .Maloto dia maloto tokoa izy io ao MADAGASIKARA ao tsy misy mety manadio hatramin'izao indrindra indrindra aprés 1972 dia tena mihamantsina be .Izao nefa mbola misy milàza fa efa MANITRA be !nefa dia lalimanga re izao, ny vahiny(ny banque mondiale,FR3) aza miteny hoe isan'ny pô faran'izay maloto ny anareo fa sasao tsara aloha !
Izay tonga mbà asaina manadio ny pô dia manaiky sy manao fampanantenàna fa ataonay isan'ny pô madio eto @ océan indien e entinay miakatra @ izay ity pô ity .

Izay tonga teo anefa dia ny pô-che no nofenoina dia veloma!!! ny mpandimby manilika hoe tsy izahay no nandoto io pô io fa ny teo alohanay .AIZA IHANY IZY ITY E :?::?:
2. cutie ( 23/03/2006 12:54)
ka tsy aleo ve i xxx no hanadio azy raha zany:-D
3. jentilisa ( 23/03/2006 13:59)
ka na farany izay maloto ary ny pônareo maloto foana io raha izany!
4. bozimanga ( 23/03/2006 14:43)
:lol::lol::lol::lol::lol:
5. bozimanga ( 23/03/2006 14:43)
resa-pô le aza.
6. vetsoko ( 23/03/2006 16:51)
politique le sujet d mba ataovy débat politique raha mety,soso-kevitra ihany iny saingy ny zavatra nosoratanareo nahitana avy hatrany ny endriky ny politique iainan'ny firenentsika sy ny politique araka ny fahitanareo azy
7. cutie ( 23/03/2006 17:59)
marina ny an'i vetsoko :)
8. boubounezy ( 23/03/2006 19:05)
@ko ny atao hoe; POLITIKA" de zao, "RA TSY MAHAY MANDAINGA SY TSY MPANDAINGA TSY MISY NY POLITIKA ARY TSY HO POLITICIEN NY POLITICIEN ARY TSY HO VÖFIDY PRESIDA NY PREZIDA RETRA ERANY ZAO TOTOLO ZAO" ZAY NY MA POLITIKA NY POLITIKA. ZANY HOE TSIKA OLOMBELL RA TSY FAHANANA LAINGA TSY TY PREZIDA!!!!!:idea::!: ARY TSY MISY OULL TAFIDITRA PRESIDAH RA TSY MPANDAINGA. DE AVY EO ITA EO NDRAY NY MANARAKA...


xxx:

Miàla tsiny raha mbola be ny tsy mahazo ny atao hoe POLITIKA hatramin'izao: PÔ-MISOLITIKA izay no tena dikan'io .Maloto dia maloto tokoa izy io ao MADAGASIKARA ao tsy misy mety manadio hatramin'izao indrindra indrindra aprés 1972 dia tena mihamantsina be .Izao nefa mbola misy milàza fa efa MANITRA be !nefa dia lalimanga re izao, ny vahiny(ny banque mondiale,FR3) aza miteny hoe isan'ny pô faran'izay maloto ny anareo fa sasao tsara aloha !
Izay tonga mbà asaina manadio ny pô dia manaiky sy manao fampanantenàna fa ataonay isan'ny pô madio eto @ océan indien e entinay miakatra @ izay ity pô ity .

Izay tonga teo anefa dia ny pô-che no nofenoina dia veloma!!! ny mpandimby manilika hoe tsy izahay no nandoto io pô io fa ny teo alohanay .AIZA IHANY IZY ITY E :?::?:



9. Herimiafina ( 23/03/2006 20:30)
If you got lots of regulations, you destroy all respect of the law. Wintson Churchill


10. fijo ( 23/03/2006 20:47)
o ry XXX an nareo no handrasana hilelaka azy io hadio tsara e
11. ainga ( 23/03/2006 22:02)
réquisitionné hono ny lelan'i xxx, ka lelafo tsara fa aza miamboho adidy.
Miantsoa piso hanampy an'i xxx fa ireny no mahay misasa sy manasa v... @] lela.:P:P:P:P:P:P:P:P:P:P:P:P

Dia lazao izahay rehefa madio ilay izy an ! Avy eo omena anao ny zoridiran'Antananarivo, ny zoridiran'i Nosy Be, ny dalles ao Besarety sy eny Bekiraro...
12. Lejim ( 23/03/2006 22:12)
Resaka politika marina ny ato. Zah aloha manaiky fa maloto ny rivotra politika any Dago e. Efa haintsika rehetra ny antony dia satria tsy mahafatoky ny mpanao politika any na iray aza. Tia tanindrazana ry zalahy fa mbola ny vola sy ny voninahitra no ambonimbonin'izany fitiavan-Tanindrazana izany. Tsy hifanomezan-tsiny anefa izany satria, olona novolavolaintsika teny amin'ny fiarahamonina teny ihany anie ry zalahy ireo (olona nivoaka avy t@ fiarahamonina). Aty an-dafy akory tsy mba manova fitiavan-tanindrazana izany fa vao mainka ary manamafy. Noho izany, ny fomba fifanabeazantsika eny amin'ny fiaramonintsika no tena antony mandoto ity tontolo politika ity.
(hevitro io an)
13. xxx ( 24/03/2006 00:52)
Izaho mahita fa dictature kely mihitsy, tahaka ny misy any asie du sud-est, ihany aloha izao no mety hampandroso antsika gasy.
14. mandrindra ( 24/03/2006 09:34)
de ohatra'ny ahoana izany hoe dictature "kely" ? ahoana no andrefesana ny haben'izy io?
15. ainga ( 24/03/2006 11:45)
Adalàn'ny Gasy angaha ny namorona ny fitenenana hoe "Tsy refesi-mandidy", ka dictature kely ahoana ry xxx fa aza miteniteny foana. Teo i Deba nanao fitondrana henjana 1975-1990 nimenimenoma ny betsaka, tena nandroso ve isika ? Noravany ny censure, tsy nidika akory izany fa niha-demokraty izy, kanefa tsy azo lazaina hoe nihanandroso isika.

Amiko ny demokrasia sy fahalalahana miteny sy misaina no hany hampandroso antsika. Fara-faharatsiny tsy hisy hanome tsiny ny mpitondra hoe manao jadona ianareo.
Raha nisy ny demokrasia, raha nisy ny rariny sy ny hitsiny, raha tsy nisy ny zara-vilana, dia tsy nisy nitranga ny fikomiana 1971, ny girevy 1972 sy ny fanonganana an'i Tsiranana, dia tsy nisy ny 1991, ny 2002. Ny alahelom-bahoaka daholo no anton'ireo fihetsehana ireo !

Tandremo ! Ny demokrasia tsy midika hoe fahalemena. Mila entitra ny fitondrana mampihatra ny lalàna velona. Dia anjaranao ny mampihatra ireo voalaza ireo @ izay ohatra rehetra tianao.
16. fijo ( 24/03/2006 20:51)
ainga,voalzanao mihintsy.ilay demokrasia mihintsy no diso ny fiheveran'ny olona azy.ka mila fanazavana sy fampianarana ela be io
17. Lejim ( 25/03/2006 16:04)
Angamba tsy ny tsy fahaizana demokrasia kosa aloha no olana any Dago e. Mino zah fa ireo mpanao politika ireo, na dia tsy nandalina fianarana lavitra aza ny ankabeazany, mahay tanteraka ny zavatra resahana amin'izany demokrasia izany.
Ireo vahoaka maro nilahatra t@ 2002 dia nampihatra izay fiheverany ny atao hoe, demokrasia, ary tsy diso izy t@ izany. Dia iza koa no tadiavina hampianarina ny demokrasia eto!?
Ny fiarahamonintsika hoy aho no mila fanatsarana. Ilay toe-tsaina mifanome tsiny lava, mifampialona, tondro molotra rehefa misy ny adiady, ilay toe-tsaina: "vita Gasy vs. importE", ny toetsaina mahitahita (kolikoly) surtout eny anivon'ny fitsarana, ny fampianarana mi-baser (trop) amin'ny tantaran'ny Tandrefana fa tsy i Madagasikara, dia raha azo atao koa dia ity fisarasaraham-bazana ity: foko, tanindrana, merina, fiaviana, saranga (ambony vs. ambany, taranak'andevo vs. taranak'andriana :-D:-D)
Ireo no tena tsy mampandroso antsika, ary mbola mahatonga antsika mitazona rambony raha ampitahaina amin'ny firenena rehetra na aty Afrika fotsiny aza :( =(( :snif:
18. Fiffi ( 25/03/2006 18:07)
nefa dia lalimanga re izao, ny vahiny(ny banque mondiale,FR3) aza miteny hoe isan'ny pô faran'izay maloto ny anareo fa sasao tsara aloha !
izao ve no dikan'ny hoe politika @ i xxx :?: tena xxx marina kle!
Izay tonga mbà asaina manadio ny pô dia manaiky sy manao fampanantenàna fa ataonay isan'ny pô madio eto @ océan indien e entinay miakatra @ izay ity pô ity .
dia mba diovy ao ry xxx ah!
19. jamal ( 27/03/2006 05:04)
Zavatra roa e :

1) tsy mbola miaina ao anatin'ny pôlitika tene izy i mada fa mbola tena mirefarefa @ tany (porofo:opposition presk inexistante)

2)tsy prblm pôlitika no eto fa INGERENCE EXTERIEURE.Tsy mana safidy ny mpitondra sy ny vahoaka no izany.
20. fijo ( 28/03/2006 21:08)
lejim an,za mino fa tena le demokrasia no misy mandika vilana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2947