o ry andriambavilanitra isany mbà fanontaniana ity?

41. xxx ( 27/03/2006 17:30)
Tsy tia ve izy dia handany volabe hividy BM e!....tena tiany ilay sipa ny tena marina....
42. mamzelkely ( 28/03/2006 09:59)
mety diso tia lôtra le bandy de ts hitany trony zay atao de ra zany zany ry xxx de hanango-karena le sipa de inn miande ko :-D:-D
43. Angie ( 28/03/2006 10:05)
Tena tsy misy lay tiako aloha ireo e. Dia za tsy hifidy kou :P
44. xxx ( 28/03/2006 19:03)
Zany ve tafiditra amlé hoe machossiste e!! darohana sady asiana hiany..
45. andry08 ( 29/03/2006 13:50)
Aleo tsy misy toy izay polisy=))=))=))=))
46. sakaizakely ( 29/03/2006 20:37)
misy fahavoazana izany fa mila mitsabo tena ilay lhl. Ny famelankeloka anga vidiambola ? Dé lé vhv koa ve manaiky an'izany hoe ho darohako ianao dé ividianako fiara rahampitso. Ka raha sanatria maty eo izy dia ho an'iza ny fiara ? Ny fitiavana koa tsy vidimbola e !


47. Herimiafina ( 29/03/2006 20:59)
Tandremo koa fa misy karazan'olona tiana ampijaliana izay koa anie e!
Voadaroka, voavono, dia rehefa navotako de izaho indray no mahazo vava be sy ompa-razana tsy hitahy klé. "Inona no hidiranao amin'ny adinay mivady?" izay ilay teniny.

Mampitaraina atsy sy aroa fa tena tiany an!

Tadidio fa raha ny olona izay no mbola be taraina ka miteny aminao hoe tsy tiako ny vadiko de tadidio fa tena mbola tia izy izay ary le karazan'olona tia olona mampifila azy.
48. kinaoly ( 30/03/2006 12:53)
refa midaroka de darohy kou hono eee =))=))
de refa misotro de tondrao rano feno kirany sy tsinai-trondro hono eee =))=))
de refa mifoka de andoroy pné hono ao an-trano =))=))
de refa tia vavy de mba tiava koa hono vevavy :°)
49. Fiffi ( 03/04/2006 07:17)
Herimiafina: hummm ka miteny aminao hoe tsy tiako ny vadiko de tadidio fa tena mbola tia izy izay ary le karazan'olona tia olona mampifila azy.
mampiheritreritra zany an!
50. fiaritiana ( 03/04/2006 19:41)
misotro bex
51. Fiffi ( 04/04/2006 10:44)
:roll:
52. mirana5 ( 09/04/2006 17:11)
hahantoko eny @ plafond, na ny ray na ny ray na ny ray na ny ray, dia mijanona célibany eny aho!
53. Darlin ( 11/04/2006 05:41)
@ko manokana dia aleo célibat araka ny voalazan'i fanja sns teo.
NY mpisotro matetika rehefa tena mamao dia misy mamono ary dia mampijaly vehivavy.
Ny mpiloka, ty mieritreritra ny sasany fa mamnantena ny hahazo vola be any ngamba e! dia ny sasany indray no tsy mihinan-kanina.
Ny tia vehivavy: io indray aloha tena tsy tiako e! satria io mety hitondra aretina ao an-trano indrindra fa efa misy izao ny VIH/Sida.
Ary ny mifoka io ngamba no azo*2 raha toa ka tsy mifoka an'ireny mahery be ireny.
Izany hoe rehefa tia dia tia ka raha tsy maintsy misafidy dia aleo lay mifoka aza kou!
zay
54. Fiffi ( 11/04/2006 07:39)
fiainana daholo izany aloha an!
55. bellla ( 19/04/2006 19:42)
Rah ny hevitro indray aloha raha toa ka tsimaintsy misafidy amin'ireo dia ny hoe tsy misy zavatra ratsy fa rehefa mihoatra ny tokony ho izy (ny antonony)dia ratsy avokoa, na mifidy mifoka, rehefa trop zay ko le izy na de ny manimbolo ny fofona avoakan'ny vavany iny aza tsy maha te-hipetraka eo mihtsy, ny misotro indray, hindrana kely le hiran'i Samoela aho hoe "...rehefa tsy mamo ianao mataho-behivavy' io ko angamba no toa hoe isafidianako io fa saro-kenatra ko zay anah zay ka rehefa mba katrikatry iny izy vao mba sahisahy. Fa kosa guidéna kosa izy tsy hisotro any ivelan'ny trano.
56. statops ( 13/05/2006 18:10)
Tsy misy lehilahy fidèle zany alony, iaraha-mahalala,fa miankina an'ilay joba ihany no mampiodina sy tsy mampiodina ny bandy,
ka raha mbola bandy reveko izany de ataoko zay moyen rehetra hijanonany eo, ary iny ange ka reglable,afaka hananako contrôla tsara mihitsy dia aleoko lavitra zany ny mpijanga toy izay "mifoka ,migoka ,sy miloka" zany,sarotra be tsinona ny ialany @zany,
sa ahoana?
57. soanja ( 14/05/2006 03:10)
lemenakely:

Ny lehilahy moa dia samy manana ny toetrany e ka mbà omena safidy ianareo iza no azoazonareo @ ireto?
lehilahy mpifoka (sigara) sa misotro (toaka na labiera)sa tia vehivavy sa mpiloka ? anareo ny safidy!!

Aleoko tsy manana toy izay manan-dratsy. Lasa manao masera aho.


58. Aino ( 23/05/2006 16:53)
hita hoa anky soanja!!!
raha mifoka sigara de tsy tiako satsia izaho tsy mifoka ka tsy tia miaraka @ mifoka koa, raha misotro indray dia na tsy misotro aza aho manahirana ny manambady mamolava, ka raha tia vehivavy de tsy hifanekena fa any aminy sa ato aminko de ampy, raha any no tiany de malalaka ny varavarana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0759