Andriamanjato Richard a Ambohitsorohitra

21. mandrindra ( 24/03/2006 13:42)
jereo ny sary ao amin'ny tribune tamin'ny talata 21 martsa teo. diniho tsara ny fomba fipetrak'izy mitsama.
i ndrema dia miankina tanteraka ao antin'ilay cancapé toy ny miandry ho tolorana fotsiny, ny tanany dia mifamihina eo ampofoany (manakaiky ny bras croisé) izay midika mikantona tanteraka izy amin'izay aroson'ilay mifanakalo hevitra aminy ary tsy handray na inona na inona.
i levalo indray dia ety amoron'ny seza no mipetraka izany hoe manana posture vonona ny handroso sy volontaire. ny tanany dia atolony ary ny felatanana no ambony : izany dia midika ny hoe vonona ny handray ny mpifanakalo hevitra aminy izy.
dia toy izay aloha io fa saingy sary indray mipika ve afaka hamintinana ilay fihaonana ?
22. fijo ( 24/03/2006 20:54)
marina sy tsara le fandinihana.
23. xxx ( 25/03/2006 01:56)
mandrindra>:-@
Tombatombana doly izany, na dia saika ho interessant azy ny analyze-nao, misy zavatra subjectifs be loatra mandehandeha ao. Feno zavatra positif be ny an'i Ravalomanana dia zavatra negatif ny an'i Andriamanjato.
Tokony hodinihinao ohatra ny hoe, ranona no mpampiantrano dia lojika raha izao no fomba fipetrany sy firesany, dia tahaka izany koa ny ampiantranoina. Tsy mitovy mihitsy ny fihevitr'ireo olona roa ireo amin'io fotoana io (satria misy an'izay mpiantrano invitE sy mampiantrano mi-inviter izay, dia ao koa ny grade manelanelana azy roa ireo. Ilay fahatampohan'ny antso koa manginy fotsiny, ka tsy hananan'i Andriamanjato fotoana firy hi-prepare-na ny zavatra ndeha hiresahany, sady mety mbola tsy tafaresaka tamin'ireo mpiara-mitolona aminy akory ohatra izy!
Asa azon'la ny tiako tenenina.
24. mandrindra ( 27/03/2006 09:57)
xxx, sady tsy tombatombana no tsy subjectif mihitsy ireo zavatra nolazaiko ireo fa fandikana ny sary nasehon\'ny gazety. ny sary dia zava-misy mivaingana, io no niangan\'ny fandikana.

ialahy aza no manao extrapolation hoe satria ny iray mandray ny iray invité dia misy fihetsika tokony arahina. izany ve lesty tsy tombatombana. satria, ohatra, izaho koa anie afaka milaza hoe tokony ho offensif kokoa i ndrema satria misy zavatra takiny amin\'ny fitondrana e. amin\'izay mbola ampian\'ialahy supposition hoe :\"sady mety mbola tsy tafaresaka tamin\'ireo mpiara-mitolona aminy akory ohatra izy!\"

io hevitra navoakako io dia tsy misy hevitra pôlitika ary vakio tsara ny fehezanteny farany nosoratako manao hoe: \"sary indray mipika ve afaka hamintinana ilay fihaonana ? \"

izay aloha ny fandikana iny sary iny fa raha ny hevitro manokana momba ity fifanantonanan\'ny mpanohitra sy ny mpitondra ity dia toy ny sarintsariny ihany. ny mpanohitra dia antokon\'olona tsy manankevitra na iombonana, na tsirairay entina mitondra firenena, ny tanjona dia tokana ihany : mialà ravalo dia azondry zalahy ny fitondrana.

i ravalo indray dia fatsoralahy amin\'ny adilahy pôlifika, fikafika efa nampiasaina io mifanome teny mamy dia mifampilako tampoka io na vice-versa izany dia ampihariny na amin\'ny mpiara-miasa aminy aza. mody mandambolambo ny mpanohitra i lery izao satria te ho tsara jery avy aty ivelany, fa mbola omeny ny vely kobay tampka ireo mpanohitra ireo.

aza adino fa ny fifampiresahana anie tsy midika hoe fanekena ny hevitry ny andaniny velively.

dia hiverina any amin\'ilay sary aho dia izao no dikany zany raha ny fijeriko azy arapôlitika : manolotra tanana i levalo no sady mandambolambo hoe:\"avia ry mino\" milaza hoe hitanareo fa mihaino anreo aho, i dapasy indray dia mikantona tanteraka satria raha hinégocier inona, ny hevitra aroso tsy dia misy ankoatry ny wawawa no sady mahatsikaritra ihany koa ilay velapnadrika.

dia izay e, fifanantonana sarintsariny ihany ireny.
25. Fiffi ( 27/03/2006 10:54)
ka tsy hananan'i Andriamanjato fotoana firy hi-prepare-na ny zavatra ndeha hiresahany, sady mety mbola tsy tafaresaka tamin'ireo mpiara-mitolona aminy akory ohatra izy!
fa angaha moa izy io hoe vao omaly izy no niantsohina ka tsy nananany fotoana hikarakarainy izay dinika tokony hataony ?
26. fijo ( 28/03/2006 21:15)
iny koa anie ka mbola filazana fotsiny hoe andao hifampidinika e.
ny olana dia izao.ny AREMA izao dia efa milaza fa tsy tokony hitaky tetezamita izany fa aleo miandry fifidianana(tribune omaly )
milaza koa ry zareo,fa tsy hilaina hovana akory io lalam pifidianna aio satria :"fony izahay teo nety io"
izany hoe ny AREMA izay mpanohitra ary tena nisy olana tamin dravalo,aza dia manohana ny heviny izao.ka anao ahoana ny mpanohitra???
27. Stone ( 28/03/2006 22:35)
Ny mahagaga dia izao, i Ndrema dia tsy voafidy ary tsy manana olom-boafidy ka ahoana moa izany no maha-solontenan'ny mpanohitra azy. Mba tena democtratie hafahafa mihitsy ity eto Mkara ity! Endémique?
28. xxx ( 29/03/2006 15:55)
Tokony manoaka lalana ny eny @ Assemblé Tsimbazaza hoe: Ireo antoko politika tsy manana olo-boafidy ( Maire, Député, ...) ary tsy sahy manolotra Candidat @ fifidiana filoha dia foanana daholo.

Be loatra ny Antoko politika mpanohitra nefa tsy hita hoe hanao inona akory fa manakorontana fotsiny.

Ary tokony hisy chef de l'opposition koa any Madagasikara, mba ho-crédible ry zareo ary mba afaka hanao contre-poids ny mpitondra fanjakana.

29. fijo ( 29/03/2006 20:11)
marina mihintsy izany ry XXX,toa lasa fialofana fotsiny le hoe antoko
30. meme ( 30/03/2006 01:08)
Olona manana experience ara-politika i A.Richard ka tsarny mifanakalo hevitra aminy fa raisina @ point positif fotsiny.
31. xxx ( 30/03/2006 20:24)
Raha amiko mnokana de tsy misy hilana an'i Ndreama mpanoro voana fotsiny
32. fijo ( 30/03/2006 21:12)
ilaina i ndrema,saingy mila mailo ny miaraka aminy satria izy amalona mihosotra savony
33. mandrindra ( 03/04/2006 06:33)
amalona mihosotra savony zany lesty amiko tsy ilaina intsony a, 50 taona izay no nidradrana teo, efa ampy izay e.
34. Fiffi ( 03/04/2006 07:03)
malama be zany an!
35. fijo ( 05/04/2006 19:23)
izay mihintsy ,malama loatraka mila fitandremana fatratra.
36. Jhon ( 08/04/2006 22:35)
Ny mampalahelo aloha de tsy nahatsapa izay maharaiamandreny azy izay ve Ra8 raha tsy efa noteren'ny SG ny ONU ?
37. Stone ( 09/04/2006 13:46)
Toa be etat d'âme ianao izany ry John, Eny @ antenimiera no atao ny adihavitra fa tsy ety ivelany akory, ka izay maro an'isa no mitondra ny baolina fa tsy izay minoritaire akory, izay no atao hoe tena democratie
38. lamie ( 12/04/2006 09:36)
mahavariana hoe noraisin'i ravalo andriam,richard, azo lazaina fa dia mapiasa ny vavaka nampianarin'ny Tompo marina ravalo, nahatolagaga ange iny nanaovany andravalo noe nanao pacte t@ satan e!ex-pasteur zao nedala,na @ politika aza ve dia hahavitana zany?????raha ratsiraka no nanaovany io ??efa mananelatra zao lery io,
39. fijo ( 13/04/2006 19:57)
noraisina izy satria iny aloha izao no mpanohitra azo hifandaharana.
hoy "itzak samir "izay hoe:"rehefa miady aho,dia ataoko toy ny tsy misy ny dinika,ary rehefa midinika aho,dia ataoko toy ny tsy misy ny ady."
40. xxx ( 15/04/2006 22:52)
Ny mahagaga dia ny hoe ry NDrema tsy manana olomboafidy akory nefa dia mpanohitra hono, sampona ity democratie malagasy ity ry zalahy. Tsy azoko.Na i Koffi Anan aza angamba gaga @izany
Raha mba ny SPDUN ohatra no atao hoe solotenan'ny mpanohitra dia manaiky aho.
Sa ny tena koa angamba efa zatra ny politika aty an-dafy ve??????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078