Andriamanjato Richard a Ambohitsorohitra

1. Lejim ( 22/03/2006 01:22)
Nolazain'ny Madagascar Tribune fa noraisin'ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana i Andriamanjato richard sy i Rajemison Rakotomaharo.
Ny mahafinaritra ahy indrindra amin'ilay izy dia satria naka toerana amin'ny maha- Raiamandreny azy ny filoha. Ahoana ny hevitrareo amin'izany. Tianareo ve ny fisian'ny dialogue entre opposition sy ny tenant de pouvoir sa tsy tianareo? Inona ny antony itiavanareo na tsy itiavanareo azy!
Misaotra tompoko!
novalian'i xxx ny 15/04/2006 22:52
2. xxx ( 22/03/2006 01:51)
Lejim:
Ny mahafinaritra ahy indrindra amin'ilay izy dia satria naka toerana amin'ny maha- Raiamandreny azy ny filoha. Ahoana ny hevitrareo amin'izany.
fihatsaram-belatsihy: tsy afaka mody mifanantona ireo raha tsy voaterin'ny vahiny, naninona tsy nisy izany hatrizay? dia mino i Lejim fa hitohy io fifanantonana io? minoa fotsiny ihany an...:-D


3. Veloo ( 22/03/2006 02:02)
4. Lejim ( 22/03/2006 02:30)
xxx> Samy manana ny fandraisany zavatra isika. Olona mba miezaka mandinika zavatra positivement zah ka inoako fa hitohy io.
Na inona ny antony nahatonga ireo nivory tao, ny zavatra fantatro fotsiny dia tsara ny fiarahana otran'izao. Aleo rangahy mba asiana fihatsaram-belatsihy kely ny politika fa raha hifanaratsy lava isanandro izao ny mpanao politika, dia lasa maimbo ny tanana e, ary mampatahotra ny ho avy.
5. patrick2002 ( 22/03/2006 03:14)
tsara ny mifanatona ,manadihady ary amiko ,na inona na inona ,fanaratsiana an'i Andrimanjatro Richard dia hitako fa olona manana ny conviction-ny izy,fa azo hiresahana ihany koa,jereo fotsiny ny parcour-ny efa nienjehana t@ andron'ny fanjanaha-tany nandalo ny PSD ,TEO NY AREMA,voailika t@ andron'ny Zafy Albert nefa ireo olona ireo tsy sahy mandaka azy hivoho,sahala ny natao t@ mpanohitra sasany.Naninona notsy mpanohitra hafa no nantsoina fa i Andriamanjato ,ao raha.
6. Fiffi ( 22/03/2006 04:58)
Dialogue entre Ravalomanana et Andriamanjato. C'est chose rare que ces deux personnalités s'échangent des idées. Un « jeune » et un « vieux » de la classe politique malgache peuvent-ils s'entendre pour le bien du pays ? Pourquoi pas ! Le peuple n'attend que les résolutions et de la mise en œuvre de la démarche du dialogue prôné par Kofi Annan.
Madagascar Tribune
fihatsaram-belatsihy: tsy afaka mody mifanantona ireo raha tsy voaterin'ny vahiny, naninona tsy nisy izany hatrizay?
satria hono ry xxx an! tsy misy afatsy ny adala hiany no tsy mety miova , ary na tao na tsy tao ny hoe noterena arakin'ny fiheritreretan'ny sasany azy dia ololna manam-pahendrena ry zareo matoa manao an'izao.
7. Fiffi ( 22/03/2006 05:21)
Nanomboka omaly ny fifanatonan’ny mpitondra sy ny mpanohitra eto Madagasikara rehefa avy nifampiziriziry nandritra ny taona maro tamin’ny heviny avy ny tsirairay. Tetsy amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra no nandraisan’ny filoha Ravalomanana ny solontenan’ny mpanohitra, dia ny Pasitera Andriamanjato Richard, ny solontenan’ny firenena mikambana, Bouri Sanhouidi, ary ny filohan’ny Antenimieran-doholona Rajemison Rakotomaharo.
Ingahy Rajemison Rakotomaharo, dia manambara fa zava-dehibe ho fitandroana ny firaisankina eo amin’ny samy Malagasy iny fihaonana iny, ary raha nandalo nitsidika tao amin’ny biraony ingahy Kofi Annan ny herinandro lasa teo, dia nambarany fa tokony hihaona amin’ny mpanohitra ity vahiny ity raha mety, satria maniry izany ny ankilany, ary dia iny nanao fihaonana iny ry zareo.
Ny pasitera Andriamanjato kosa dia nilaza fa vao fanombohan’ny dinika iny vita iny, tsy mbola nisy fanapahan-kevitra teo amin’ny roa tonta. Nohamafisiny fa ilaina ny hisian’ny fampihavanam-pirenena hialana amin’ny disadisa izay mitranga eto amin’ny firenena, ary ny solontenan’ny firenena mikambana dia nanambara fa vokatry ny fanelanelanana tamin’ny fandalovan’ny sekretera jeneralin’ ny firenena mikambana teto izao fihaonana teo amin’ny mpitondra sy mpanohitra izao. Vita ny dingana voalohany, fa hanao ahoana ny manaraka ? Hanaraka ireo fangatahan’ny mpanohitra rehetra ve i Ravalomanana ? Ho hita eo ny tohiny.
Naivo kely pour Madagascar Tribune
8. dadabe ( 22/03/2006 07:47)
humm tsara rehefa mahay mifanantona
9. bozimanga ( 22/03/2006 08:16)
fa nandray inona ny tanan' i lejim no manjary maimbo?
10. bozimanga ( 22/03/2006 08:18)
di inona hono ny conclusion ' ny resany tao ry reto?:x:x
11. gernico ( 22/03/2006 08:28)
Taloha no nisy ny lalana MALAMA teto amintsika satria RATSY ,fa izao : presque finis daholo 80% ka tsy tokony hatahotra ny lozam-pifamoivoizana intsony isika ...
Inona moa no olana raha noraisina i ndrema ? Taloha io no natahoran'ny Mpitondra amin'ny maha-SAVONY MALAMA azy fa raha ireo Mpitondra ankehitriny ireo no ianarany mikalitalita dia " boka mitolom-boatavo " izy fa aleo hanandrana kely eo eh !!!
Ny fifanantonana tena tsara sady tena ilaina raha mba hoe mitovy toe-tsaina ny andaniny sy ny ankilany , samy vonona ny hampandroso tokoa , fa ilay mody mibabibaby tanana io tsy mamely nefa ny ao an-tsainy amin'io dia izay fomba hahazoana mitavana ilay TROSA BE MIHOAMPAPANA EFA FOANA !
Efa leom-boananana izany ny Gasy ry ndrema an !!!
12. stephane197 ( 22/03/2006 13:26)
za koa mitovy hevitra amin'i gernico ê! efa zatra ny lalan-dririnina loatra ry Ndrema ka... ho hita eo ny tohiny!
13. ronaldo09 ( 22/03/2006 13:55)
Araka ny hitako tao amin'ny Tribune aloha dia taitra daholo ny mpanohitra raha nandre fa lasa nihaona tamin'ny filoha i Pasteur Andriamanjato,amiko zany dia misy ambadika ity zavatra ity satria mety i Ravalo mihitsy no niantso an'i Ndrema mba hiara-miasa aminy angaha ...Olana faharoa koa inona no idiran'ingahy Rajemisoa tamin'ilay fihaonana ary maninona no i Ndrema irery no nisolo tena ny opposition raha toa ka ny filoha ny Senat sy ny filohan'ny repoblika no nisolo tena ny fanjakana ?
Amiko dia mety hiteraka disadisa eo anivon'ny samy mpanohitra ity raharaha ity ary hasfana indray ny rivotra politika ao dago ao !!!Aza hitako anie!
14. yehel ( 22/03/2006 14:12)
Diso fijery koa anie ry Annan e!na nareo aza!!!Ny tokony hifanantona dia ry zareo ao anatiny fa zay opposition vitsika kely ireo dia tsy misy lanjany mihitsy.Izao aloha dia mampirisika raha mana-kevitra ry zafy,ndrema,....dia ndao ho henoina eny an-dalambe.raha ohatra tsy homen'ny CUA toerana dia misy foana e.Za aloha tsy milaza hoe tena opposition reo e.Noana finanana fotsiny dia mba hoe Inty aho fa mbola mitsangana.

Ny adiady entre sylla,ny filoha,lahiniriko,rajemison,razoarimihaja,sy ny tim rehetra no olana fa tsy ry Goaika.
15. ronaldo09 ( 22/03/2006 14:19)
Ka letolona an-dalambe koa ange tsy maharototra ny olona intsony e!
16. xxx ( 22/03/2006 15:56)
Fa inona hoa aloha alohan'ny rehetra le disadisa hanaovana fampihavanana , zany hoe nanagampahavalo ny iray amin'ireo hohampihavanina izany de iza ????
17. Lejim ( 22/03/2006 16:44)
Zah indray aloha mahita fa marary ny politika any Dago, ary tsy ny opposition ihany no antony.
Ekeko fa tsy tena opposition (mahafeno fepetra) ry Andriamanjato satria izy mivadibadika be izany (infidel), fa au moins mba lalana iray handehanana amin'ny fifanatonana iny.
Dia zah koa tsy mino hoe, vitsika kely ny opposition ka ny Tim sy ny ny fitondrana ihany no tokony mifanamboatra ao.
Mitarika any amin'ny fitondrana "totalitaire" izany. Miantoka ny fisian'ny demokrasia ny opposition, hoy i Koffi Anan, ary tena marina izany!
18. fijo ( 22/03/2006 21:54)
za vao naika hampiditra ityresaka ity,kay efa ato ka dia tohizako;
fihaonana:
amiko dia tsara ary tsy tokony niandry an'i annan vao nihaona fa efa tokony ho natao taloha io.
i drema:
i ndrema no nantsoina satria i ndrema dia olona hafaka mifanakalo hevitra tsara.ary tsy mbola nisy fifanakalozan kevitra anie tao,fa mbola fihaonana fotsiny iny e.

olana:
mametraka olana ny mpanohitra ,satria hoe i ndrema irery no nantsoina."maninona hono tsy i zafy?"valiny tsotra,i zafy anie tsy mety mihaiky fa i ravalo no filoha ao mada e.ka antsoina haninona???

misy indray ny milaza fa efa tara loatra.

ny fanontaniako dia izao,te hiresaka ve ny mpanohitra sa te hiady.toa hilana vaniny daholo izay atao rehetra.teo nitady fihaonana,izao indray milaza fa efa tara.

lazaina fa naninona tao i rajemison.
raha ataoko hoe adala ireo sao ratsy vava aho.fa rehefa midinika anie ka solontena dia hafaka midinika e.tsy voatery hoe ny filoha no eo.manana zavatra hafa atao izy,ka afaka misolo azy tsara izay solontena atolony eo.

matoa ny mpanohitra matahotra mandefa solontena fotsiny,dia SATRIA TSY MIRAY SAINA,ka matahotra sao tsy lazain'ny sasany ny heviny.

koa hoy aho hoe:"mifanaraha tsara aloha ny mpanohitra dia mandefasa solontena hafaka maneho tsara ny hevitrareo.fa hevitra no ampiadiana.
19. ravatorano ( 23/03/2006 09:39)
io tenin i fijo io no tohanako
ny mpanohitra eto wa mbola malemy loatra mora apatitaka ! raha vao pasohin i ndrema any zao ny kozy d milamina reo
ho hitatsika eo anie ny tohiny e sady iza koa no vahoaka ho zakan i ireo mpanohitra izay efa teo no niala ! asa anefa fa eto amitsika moa ny politika toy ny baolina ka boribiry d tsy hay zé fandehany :-D:-D:-D:twisted::twisted::evil::evil:
20. fijo ( 23/03/2006 20:54)
hi hi hi ,tokony hisaina ry zalahy e,mibaribary loatra le tetika filana toerana;
ny loza anie dia izao e,ny olona zatra manohitra,rehefa tonga eo ,mbola le toetsaina manohitra no ao fa tsy toetsana mitondra intsony.jereo i zafy fony teo.izay no nanilihandry zalahy azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0979