Capteur lambda !

1. Vaika ( 17/03/2006 14:41)
Izay mba mahay mécanique dia mba hampio aho e !
Sao dia mba misy afaka manoro hevitra amin'ny fanolona capteur lambda fa tena mamay mihintsy aho amin'ny essence : 10 l au 100 ?
Dia misaotra dieny mialoha ry zareo a !
novalian'i Vaika ny 19/03/2006 15:57
2. ambivotra ( 17/03/2006 17:02)
tena tsy mahay mitsy !:cry::cry::cry:
3. Fiffi ( 17/03/2006 19:09)
ilay sonde vissée ao @ tube d'échappement aorian'ny pipe d'échappement hono no devisena dia soloina. Dia jereo ao @ google fa hazavainy ao ahoana no fi-devissena azy.
4. Herimiafina ( 17/03/2006 19:43)
Sao de fira efa natokana hitroka essence betsaka kosa izany ry Vaika?
Hany ka raha kitikitihina ahena ny consommation de lasa mihakely aina ny fiara.:P
5. Vaika ( 17/03/2006 20:43)
Herimiafina : un plein (55 l) nahavita 850 km taloha ankehitriny dia 550 km monja sisa, 300 km be izao no différence. Hainao ihany fa ny lasantsy tsy mitsahatra miakatra.
Fiffi : izaho anie mbola vao manomboka ka miala tsiny indrindra. Ka inona tsara hoe ity pipapipa ity ? Ny mba nataoko irery izao dia nanolo pot d'échappement (mba nijery boky, dia mba nanontany mpivarotra), nanolo plaquettes de freins (soa ihany fa nisy sary tao anatin'ilay boaty), vidange boîte sy motera (natoron'ny olona). Ny nampihomehy dia tamin'izaho nanolo ilay pot d'échappement, nony nijery tao ambany ilay fiara dia nanontany tena hoe iza amin'ireto aza no tokony solona ? Telo no isan'ilay pots catalytiques. Ka dia misaotra indrindra namaly e !
Marihiko eto ihany aloha fa afaka contrôle technique soa aman-tsara ilay daba na dia nokitikitihako aza, tsy dia dondrona loatra aho na izany aza fa raha tonga dia asiana terme technique dien'izao dia somary mbola sahirana kely ihany aho, k'aza tsiny indrindra aho raha be fanontaniana.
6. Herimiafina ( 17/03/2006 21:01)
Vaika: an3, tsara dia tsara ny mba mahafantatra ny ao anaty maotera sy ny mombamomba ny fiara kah, tsy misy mahadiso mihintsy raha toa ka misy zavatra mba hainao kitihina ihany dia tsy ilaina garazy. Ny ahy ny saina tsy mandry raha tsy haiko akory izay mitranga ao anatin'ny fiara entiko.

Miandrasa ihany fa misy bandy mahaihay ato afaka hanoro anao e! Fa na dia izany aza ny conseil omeko dia mila jerena daholo ihany ny système d'alimentation rehetra: filtre, conduite d'essence ary ny reservoir fa mety efa ela loatra ka miha-tsentina na misy manary kely, sns.
7. Vaika ( 17/03/2006 22:11)
Herimiafina : dia misaotra anao indrindra.
Fa na izany aza dia mba sûr ihany aho fa ilay capteur lambda no tena tsy mety, toy izao mantsy ilay tantara :
Indray mandeha, hadinoko fa efa saika lany lasantsy aho (nirehatra ilay jauge !), dia mbola niandry ny ampitso ihany aho fa nangatsiaka ny andro sady efa alina. Ny ampitson'iny, tsy velona intsony i nedala. Voatery nandeha tongotra natsaka lasantsy. Izay ilay hoe : ny kamo ihany no sasatra ! Nony mba nasiana lasantsy anefa dia ela dia ela vao velona indray i leiry. Ary tena nidonan-tsetroka be (soa ihany fa tsy nisy pra nandalo fa tonga dia pv angamba : pollution !). Ary nisy ohatran'ny maimbo raikona mihintsy ka nony nosokafako ny capot dia ilay capteur lambda mihintsy no nidonadonaka kely !!!!
Ka nony mba nijery internet aho dia be ny milaza fa ilay capteur io no matetika en panne rehefa mihinana lasantsy be loatra.
Fa na izany aza dia marina ny nolazainao fa ny système rehetra no tokony ho jerena. Mety ho vitako ihany anie ny hanolo an'io rehefa tsy maintsy atao e ! Saingy tsy dia haiko loatra ny mijery izay tokony ho jerena hafa. Mbola somary fanina ihany aho rehefa mahita ireto fil be dia be !!!!
Hoy ianao hoe :filtre ; filtre à huile sy filtre à air izao no fantatro fa efa mba nosoloiko, ka misy filtre hafa angaha ?
Eto am-pijerena ny bougies koa aho izao ary talanjona tanteraka fa misy règlage atao ny ouverture-n'ny bougie.
Ka mbola mianatra e ! Ny nanolo commodo izao no vitako faran'ny sarotra indrindra nefa toa mba nety ihany. ka dia misaotra indrindra amin'ny fanampiana e !
8. boulki ( 19/03/2006 14:25)
Raha azoko ny blem-nao ry vaika dia lasa mihinan-dasantsy ilay daba ka ny fiheveranao dia ny capteur lambda no voa. Raha voa ny capteur lamba dia tokony hisy temoin-n'io capteur io hirehitra eo @ tableau sary ohatry ny robinet iny izy a peu pres ka raha tsy mirehitra io dia tsy ny capteur mihintsy no voa Ny capteur lambda io mantsy dia resaka pollution no hitany nefa raha mi-consom be koa ny fiaranao dia mamoaka CO2 be loatra dia mety ho voadetectern'ilay capteur dia hirehitra izy.Fa raha ny hevitro dia resaka reglage ne fuite no mahatonga anao hiconsom be loatra ka any aloha jerena.
Sinon ento any @ garage dia ho lazainy anao ny defaut dia ianao no manolony piece izay lazainy fa tokony ho soloina avy eo raha toa ka hainao ny manolo azy.
Mazotoa e
9. Vaika ( 19/03/2006 15:57)
Misaotra anao boulki.
Tena tsy tao an-tsaiko mihintsy ny hitondra ilay daba atao check-up any amin'ny garage. Nankany ihany aho mantsy fa tediavin-dry leirony hajanona herinandro ilay daba, ilaiko isan'andro mantsy ilay izy.
Ilay témoin mirehitra aloha dia mbola tsy hitako mihintsy e !
Ilay daba koa rehefa tsy mafana dia somary mitambonkombokona kely, surtout au démarrage. Dia izy izay be setroka be izay koa. Indrindra fa izao mangatsika izao dia gaga mihintsy aho fa ohatran'ny miala pà daholo ny daba ao aoriana rehefa tratra amin'ny feu rouge. :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5644