TGV (Trano Gasy Vaovao) toa fisolokiana tokoa!

1. xxx ( 16/03/2006 23:35)
Asa ianareo izay mbà mahalàla ny momba an'ity TGV na Trano Gasy Vaovao ity izay Atoa DOMENICHINI RAMIARAMANANA no PDG ao. Ekena aloha fa 10.000fmg na 2.000 ar no frais de dossier raha te hampiditra ny dossier mombamomba ny fahazoana ny trano ianao ,nefa refa tena dinihana dia tsy mbola nisy olona na 1 aza henoko fa nahazo na nividy trano t@ TGV .Raha atao ny kajy tsotsotra raha misy olona atao hoe 2.000.000 intéressés momba io ka ampitomboina 10.000fmg dia efa ohatrinona no ao ampaosin'i ngahy DOMENICHINI ? Mbà manaitra ny ministéra ihany fa tsy dia mety loatra angamba ny toy ireny!
novalian'i soasoafy ny 28/03/2006 12:36
2. lapino ( 17/03/2006 00:47)
Raha atao ny kajy tsotsotra raha misy olona atao hoe 2.000.000 intéressés momba io ka ampitomboina 10.000fmg dia efa ohatrinona no ao ampaosin'i ngahy DOMENICHINI ?

Tandremo ihany sao diffamation izany farany e ...
Fa raha dossiers miisa 2.000.000 izany koa ve tsy be loatra? Tsy efa mihoatra ny antsasaky ny gasy izany?

Ataovy ny kajy tsotsotra fa na mahatratra 35.000 logements aza ny trano azo vidiana amin'izany TGV izany dia 1,75% fotsiny no chances hahazoan'ny dossier iray trano. Efa betsaka aza anefa ange izany 35.000 logements izany e!!
3. xxx ( 17/03/2006 02:01)
raha i Michel DOMENICHINI aloha dia hadinoy tanteraka ny aminy, na resaka TGV, na resaka hafa... Torohevitra ny ahy fa asakasak'izay mbola te hifampiraharaha amin'io rangahy io! Iza ary no mbola miaro azy iny fa toa vao maika izy manao ny ataony e?
4. Fiffi ( 17/03/2006 05:44)
nefa refa tena dinihana dia tsy mbola nisy olona na 1 aza henoko fa nahazo na nividy trano t@ TGV
10.000fmg dia efa ohatrinona no ao ampaosin'i ngahy DOMENICHINI ?
tsy azoko mihintsy izay tian'i xxx ho lazaina fa eo ianao milaza fa tsy misy olona na 1 aza nahazo nividy an'io trano io , nefa indray manahirana ny sainao hoe ohatrinona ny vola ao am-paosin'io olona io ? ka tsy hitako ben'hiany hoe aiza ny olona raha toa ka tsy nisy na 1 aza arakin'ny voalazanao nahazo nividy trano , ka rehefa tsy nisy na olona na 1 aza afaka nividy dia tsy misy koa izany ny vola miditra ao am-paosin'io olona io ko!
5. bozimanga ( 17/03/2006 06:34)
KA TSY NIVIDY ANIE RY FIFFI FA RAHA MBA INTERESSE OH IANAO DIA MANDOA DROIT 10.000Fmg NA HAHAZO TRANO NA TSIA .KA RAHA OH MISY MAROMARO NY OLONA INTERESSE DIA IO NO MAHATONGA NY KAJIKAJIN4NY XXX.
6. agoago ( 17/03/2006 07:08)
Gaga ireo olona nihazakazaka aloha aho, tsy omentsiny ry zareo satria efa mafy tokoa izany mba te hanana trano.
Izany no tsara jerena aloha raha vao misy zavatra ohatra ireny hoe société manana anto-bola matanjaka ve ilay milaza hiroboka hanao ilay projet.Tsy milaza aho hoe tsy manana TGV a. Tsy haiko ny capitalny.
Fa raha izaho aza toa ny an'ny SEIMAD sy Banque no hitako ho azo antoka raha vonona ny hanefa vola ihany. Satria ny Seimad efa hita ny traikefany, @ trano nahoriny, na dia somary lafo ihany aza ho an'ny sarambabeny ny banque moa ao aminy ny vola.Aleoko mifanaraka amibn'ireo
7. garrol123 ( 17/03/2006 07:26)
Dia manenjika olona manao initiative privée izany no specialitén' ny gasy aty andafy.Mba manaova dia ho hita fa tsy faly hitsikera ny an' ny sasany, mijery ny olona mijoro eo fotsiny nareo fa zay tantaran'ny taloha tany anareo zany fa raha zavatra fictif no kasainy, azo enjehina pour escroquerie tsara izy.Aleo andeha aloha tazanina e:?::?::?::?::?::?:
8. Fiffi ( 17/03/2006 07:42)
bozimanga: fa maninona aloha no mivazavaza tahak'izao ndry ? mba samy manome ny heviny anie eh! izany no maha-dinika azy dia mba mifanazava fa tsy hentitra tahak'izao eh!
9. nikopol ( 17/03/2006 08:02)
za tsy mahalala an'io bandy voatonona io fa le xxx faharoa aloha hitako hoe manalabaraka tsy manome porofo nefa mitonona anaran'olona. Raha le xxx voalohany indray dia mandefasa taratasy any aminy ministra ! tany misy lalàna nge madagaskara e!
10. aaron ( 17/03/2006 11:07)
za ry reto mba anisan'ny nanoratra anarana tamin'io fa tena naneneko . Sady hovan-dry zareo foana ny règle. Teo aloha à credit 15ans, zao ndray zay mividy cash hono no prioritaire!!! iza no gasy moyen hahavit
11. Veloo ( 19/03/2006 04:09)
iiiiiii ratsy ndray zany kle

12. soasoafy ( 28/03/2006 12:36)
f'anga ry fiffi refa atao majuscule de mivatravatra? mety maik b izy de tsy voatsindriny ny shift de .....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2919