La route des zébus

1. Vaika ( 16/03/2006 20:05)
France Ô : la route des zébus
Zomà 17/03 ; 14h10 (france)

Ho an'izay afaka na te-hahita fandaharana momba an'i M/Kara.
Dia mba hilazao i M. l'Ambassadeur fa raikitra indray ny an-kanoratra fa hoy ilay émission hoe : "le vol de zébus est le sport national n°1 à Madagascar...". Ny indro kely fotsiny dia toa coopération ilay izy fa tsy ny vahiny irery intsony no nanantontosa. Sady efa tranainy ihany ilay izy : tantaran'i Mc Gyver sy ny tarany...
Mazotoa e !
novalian'i Veloo ny 19/03/2006 04:07
2. Fiffi ( 16/03/2006 20:25)
dia ho jerena zany fa misaotra anao.
3. Lejim ( 16/03/2006 21:32)
Vaika:
Ny indro kely fotsiny dia toa coopération ilay izy fa tsy ny vahiny irery intsony no nanantontosa.

Dia inona ny maha-indro kely amin'izany? :roll:
4. Fiffi ( 17/03/2006 05:29)
Ny indro kely fotsiny dia toa coopération ilay izy fa tsy ny vahiny irery intsony no nanantontosa.
indro kely ? :roll:
5. Vaika ( 17/03/2006 08:47)
Fiffi, Lejim : miala tsiny fa hadinoko ny nanampy fa fampintandremana ilay "indro kely...", ho an'ireo tsy laitra kisoka ka miheritreritra fa ny vahiny rehefa manao fandaharana mikasika an'i M/kara dia faly ny hitsikera sy ny hanambany fotsiny. Io aza isika fa toa mba nandray anjara amin'ilay fanatontonsana ka raha mbola misy ho kihanina ihany ilay émission dia manana anjaram-pahadisona koa isika.
Fa ny tena marina dia raha sendra misy ny imperfection kely amin'ny émission mikasika an'i M/karantsika, dia aoka isika mba hahay handefitra sy hahay hisaina fa tsy ho entim-po lava amin'ny tsy misy dikany (cf ny nambarako tamin'ilay reportage sur France 3 "Faut pas rêver" ; ao amin'ny takelaka diaspora sy hoy ny gazety).
Ka tsy aleo ve izay mitranga eo mba hiarahana mifaly e !
6. Veloo ( 19/03/2006 04:07)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.894