ny aza marary aty dago ka tsy manambola!

41. cutie ( 30/04/2006 18:32)
mbola natory e
42. booboo ( 09/05/2006 18:34)
Hiverenako ilay sujet-n'i xxx.
Nandalo tao @ hopitalim-panjakana iraika tao Antananarivo zaho fa dia manafy fa marina hatrany an-dreniny ireo tenin'i xxx ireo. Ny hefitrano misy ny marary terrible, ilay bâtiment tsy lazaina intsony, ny vidina fanafody terrible, ny fitadiavana io vola io koa nefa mbola re-terrible, ny frais hivezivezena etsy sy eroa midangana dia midangana...Mafy kah ! ny fomba firesaky ny personnel médical sasantsany koa terrible !
Dia samia salama tsara aby fotsiny sy matanja-tsaina sy vatana ary fanahy raha sendra mikarakara havana eny hopitaly eny ianareo aby aby ! San'angady fa aza mba marary any @ hopitaly ihany e ! ^:^
43. ari.malala ( 10/05/2006 10:06)
tam 2004 za nodidiana tao amin'ny hopitaly iray izay, fa ny toetran'ny pharmacienne tao amle hopitaly no ts laitra e, mikitakita velona otran'ny inona! ny dokotera tsy taotra ts henatra miteny hoe alefaso alo le zavatra de voadidy haingana... betsaka e! ny vidim-panafody amzany ts lazaina ny halafony, ny efitra misy ny tena koa tsssssssss! ts mahatamana e! voretra, masiso...
44. LazaRandri ( 11/05/2006 02:06)
ari.malala:
tam 2004 za nodidiana tao amin'ny hopitaly iray izay, fa ny toetran'ny pharmacienne tao amle hopitaly no ts laitra e,
sao dia mba tsy pharmacienne kosa izany e? Izy ireny aza tena mitsiky lalandava no sady ... sigh sigh...mikarakara tsara mihitsy (tsy andro tsy alina). :wink: Izany koa angamba no mahatonga azy manana "prestige"? hahaha!

ari.malala:
ny vidim-panafody amzany ts lazaina ny halafony,
Lafo mihitsy ny fanafody raha tsy manampy ny fanjakana ka.

Mirary soa ho an'i ari.malala aloha e! :wink:
45. ari.malala ( 11/05/2006 11:29)
tao @ pharmacie aho no nahita an'io ary matoa aho mitantara dia niharan'ilay kutakita. Sa kosa pharmacienne ny vadinao dia arovanao?
46. LazaRandri ( 11/05/2006 21:50)
ny vadiko kosa ve tsy arovako raha fantatro fa tsy meloka, na inona na inona asany? hahaha! fa raha tena marina io ari.malala dia tokony anaovanao fanamarihana any amin'ny lehibeny. ny anao mantsy izay efa vita fa ireo marary sisa hafa no tsinjovina.
averiko fa tsy mendrika ny ho pharmacist izany olona izany, sao kosa dia mbola mpianatra e? nefa na izany aza tsy tokony!!!
47. methode ( 12/05/2006 20:34)
Tsy mahay mitady vola izany farmasiana izany ko!
48. LazaRandri ( 12/05/2006 23:45)
Marina ve izany ry Methode? hahaha!
49. methode ( 13/05/2006 10:08)
Tena marina zany ko! Ny olona manatitra vola indray no iavonavonana! hihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.9513