valikafatra avy amin ny tananan 4ntananarivo renivohitra

1. ravatorano ( 16/03/2006 07:08)
momba ilay fanehoan ilay televiziona frantsay anakiray izay an 'Antananarivo

Ben'ny tanànan'Antananarivo

Tsy hitanondrika amin'ny fanakianana

Manoloana ny tsikera ataon'ny hafa momba ny fanarenana ny tanànan'Antananarivo, indrindra ilay filazan'ny fahitalavitra iray any ivelany andro vitsy lasa, milaza fa renivohitry ny fahantrana eto Antananarivo, dia nilaza ny ben'ny tanàna Patrick Ramiaramanana fa tsy hitanondrika na ho kivy amin'ny tsikera ataon'ny sasany ny tenany, fa havadika ho fanoitry ny fanarenana ny kiana ataon'ny hafa.
“Hitantana ny renivohitra no nifidianan'ny vahoaka ahy, ka hiezaka hanova endrika ny tanàna no tanjona ary tsy ny anio ihany fa tsy maintsy mibanjina ny ho avin'ny taranaka any aoriana mba handova zavatra mendrika, fa tsy tanàna potika”. Momba ny fahadiovan'ny tanàna dia miankina amintsika tsirairay io, satria tsy ny orana avy any an-danitra no mitondra fako, fa ny antandrevaka vokatry ny tsy fitandremana. Napetraka ny bakan-jaoridira kanefa ny ivelan'ireny ihany no hanarian'ny olona ny maloto. matoa tsentsina ny lakan-drano, dia noho ny fanariantsika mianakavy fako any. Matoa mandalo eto ny ankamaroan'ireo olom-panjakana ambony isan-karazany dia midika izany fa azony aleha tsara ilay toerana, indrindra fa maro ireo liana amin'ny fampandrosoana ataontsika eto. Tsy mbola voaarina Antananarivo kanefa miezaka isika mianakavy amin'ny fifanomezan-tanana hiaro ny zava-bita ka ho azo antoka fa higoka ny vokatry ny soa ny Malagasy tsy ankanavaka amin'ny maha renivohitra mendrika azy.
Mandalo eto amintsika ny sekretera jeneralin'ny firenena mikambana Kofi Annan izay heverina fa mendrika handray izany isika eto an-drenivohitra amin'ireo zavatra vita isan-karazany tsy ambaka ny hafa. Momba ny resabe izay mandeha amin'ny fifandraisantsika amin'ireo mpamatsy vola kosa dia nilaza ingahy ben'ny tanàna Patrick Ramiaramanana fa misy ny fifanarahana atao amin'izy ireny, kanefa tokony mba hanaja ny fitsipika apetraky ny fanjakana eo an-toerana ihany koa mba hampizotra ny fifanaraham-piaraha-miasa. Ny toy izao indrindra no ilàna ny 3P mba ahafahana manohy ny asa eto amin'ny firenena, ary soa fa nanao ho laharam-pahamehana izany ny filoha Ravalomanana.

Madagascar tribune
16/03/06 - Penjy R.
novalian'i Vaika ny 18/03/2006 09:34
2. tivinah ( 16/03/2006 08:18)
Marina dia marina ny ambaran'ny ben'ny tanàna fa ny sasany anie dia ataony fanahiniana mihintsy ny fanakianana, tsikera mba tsy hisondrotan'ny hafa e, ataoko fa tsy vaovao @izany isika Malagasy, moa mba fantatrareo fa tian'ny olona ny hiovan'i Madagasikara ho tahaka ny tany manakarena any ivelany any ! mino aho fa tsy misy Malagasy tsy tia izany fandrosoana izany.
Ny olana kely amintsika fotsiny izay mbola mahatonga antsika tahak'izao dia eo @ toe-tsaina mihintsy no tsy mbola mety mivoatra ka manjary tsy misy ny fivoarana tonga dia hita hoe misongadina nefa na izany aza dia efa mba hita aloha izao fa misy kely ihany e, ohatra izao ny momba ny fako eto tanà fotsiny dia misy ireo manao fanahiniana sy tsy miraharaha fa angamba hoy izy hoe tsy hiasa ve ny fanjakana kanefa ny zavatra tsy fantany dia izao hoe misy fiatraikany any amin'ny tenany sy ny taranany anie io zavatra ataony io,eo @fiaraha-monina, firenena,fianakavian,tokan-trano mihintsy aza angamba satria rehefa zatra manao maloto eny ivelany ianao dia tsy maintsy izay ho tonganao any an-trano koa fa raha tahiny ka samy mahatsapa tena ny tsirairay fa zava-dehibe eo @ tontolon'ny fiainan'ny zanak'olombelona izany fahadiovana izany dia angamba ataoko fa tsy misy ho bakoina ny @izany intsony na dia ny zaza aza, saingy tsy izany fa ny lehibe mba tokony hampianatra indray no vao maika mampiana-dratsy ny ankizy, tsy mahagaga raha mbola misy etsy sy eroa ary miparitaka ireo maloto isan-karazany, eny fa na dia efa manao izay tratrany aza ireo mpikarakara ny momba izany izay hisaorana azy ireo manokana ny @ ezaka efa nataony sy ny mbola hataony.
Atsipy ny tady eny antandroky ny omby, ary atsipy ny teny ao am-po ny mahalala koa dia anjarantsika tsirairay avy sisa rehetra indrindra fa isika tanora tsy misy an-kanavaka
3. xxx ( 16/03/2006 14:01)
Teny tsotra
Mbola tsy zakan'ny Malagasy ny tsikera, Ho ahy dia mbola lavitra ny tena ho demokrasia ......... Amin'ny lafiny iray ny tenanay dia manome tsiny kely ny T V Français (5) raha sty diso aho , satria tsy ny tena zavatra misy amin'izao no lazainy ho amin'izao , fa nisy zavatra efa niova ireny ary nisy aza saika tsy hita intsony ny zavatra nasehon-jareo .
Lafiny faharoa dia hoy aho . Soa fa nisy an'iny fa maro ny tompon'andraikitra no taitra sy nahatsiro tamin'ny torimaso toy ny ben'ny Tanana . Ho ela velona anie ny fandroseon'Ilay Gasikara
4. fijo ( 16/03/2006 20:35)
xxx an lafrantsa 200 taona vao tonga amin'izao demokrasiany izao.nefa raha hoarina amin'ny demokrasia misy any sueda sy danemarka ny misy eto frantsa dia tsy mbola tonga eo amin'ny lohaliny akory.
ka aza maika ny hitsikera fa tsy miova ao anatin'ny roa taona io akory.
5. xxx ( 16/03/2006 20:45)
le frantsay nge tsy mahagaga e io Mcar io de tiany ho azy mihitsy e nefa ny gsy tsy hanaiky anzany otrana lo tsy hanaiky e aleomahantra eo ihany
6. fijo ( 16/03/2006 20:47)
izay koa dia ekeko.ny vahiny dia manao izay tsy hampivoatra antsika,mba ahatonga antsika hiankina aminy foana.
7. Fiffi ( 16/03/2006 21:21)
ka aza maika ny hitsikera fa tsy miova ao anatin'ny roa taona io akory.
marina mihintsy izany an! indrisy anefa fa mbola ho ela zany eh! nefa mbola ho avy ny andro ary ny masoandro hamiratra koa fa aoka tsy ho kivy mialoha eh!
8. Vaika ( 17/03/2006 10:26)
“Hitantana ny renivohitra no nifidianan'ny vahoaka ahy

Tsy vahoaka angaha ny 4-mis ?
ny Malagasy tsy ankanavaka

Ny mafy ady angaha tsy malagasy no toa havahana ?
9. agoago ( 17/03/2006 11:14)
Izay moa tsy nahita izany emission ta@ fahita lavitra tany ivelany izany ka tsy fantatray tsara hoe inona no tena navoakany sy notantarainy tao.A@ saina tsy miangatra aloha dia hita, taratra @ ity renivohitra malalantsika ity tokoa raha vao mitazana fotsiny fa manjaka ny fahantrana e (misy mpanankarena sy mpanefoefo ny mponina eto anefa a) Ny fitazamana ny tanana fotsiny dia hahitana izay ziogan'ny fahantrana izay: trano tsizarizary maro, trano diso mifanety loatra, arabe tery, zaoridira hita miharihary, lakandrano tsetsina sy maloto, mpivarotra maro mameno ny arabe.Koa dia tokony hahantanty tsikera ny rehtra @ izay satria zavamisy izay tsy foronina na natao montage.
Misy anefa toerana mahafinaritra sy madio sy efa nanaovana fihezahana eto Tana, mampalahelo kosa fa tsy mba ireny no navoakan'ireo journalistes.Kanefa ve any France na Paris hoy ianareo tsy mba misy toerana ratsy be koa.Nahoana anefa no ny manja sy ny madio foana no avoakany rehefa ny azy?
koa dia izay mahatanty tsikera dia mandray lesona miezaka.Ary tsy kivy fa omen'iza ny azy eo anefa,na izany aza aloha misy lafiny mahafinaritra sy mahatamana ihany ny miaina eto Iarivo Vohitsara!!!!
10. Vaika ( 17/03/2006 11:42)
agoago : arakao tsara ny tantara na dia tsy nahita ilay émission aza ianao.
Fanamarihana kely fotsiny : isan'andro dia tsy mitsahatra ny émission miresaka ny fahantrana aty France ary misy tantara mahakivy lavitra noho ny naseho tany M/kara. Ary efa nisy (sady mbola hisy) maro be ny émission nandoka ny paradisa any M/kara, saingy mbola misy ireo manao fanahy iniana tsy mahatadidy sy midongy ho ny tsara ihany no hampoitra. Ny ambiny (anisan'ny zava-misy !)toy ny fahantrana dia terena hafenina tsotra izao.
Ny sous forme no betsaka !
11. Fiffi ( 17/03/2006 12:03)
fa izao ry zareo an! misy chaine maromaro eto frantsa mandefa foana ny doc mikasika ny M/car fa tsara be daholo ny doc mivoaka ao an! ohatra hoe "voyage" na planete na escales , na national géographic na odyssée" sns... fa misy aloha ny miasa @ agence de voyage dia ny filazana ny mikasika ny fandehanana any no lazaina ao na ny fivarotana billet ko. Fa iny emission iny aloha tena special be kosa an!
12. Vaika ( 17/03/2006 18:50)
Fiffi : Misaotra e !
13. fijo ( 17/03/2006 20:37)
ny tany rehetra dia samy manana ny mahatsara sy ny ratsy ao aminy.raha US izao no resahantsika,ka tsy hijery hafatsy ny famonoana olona isika,dia tsy misy te hoany intsony ngamba.nefa rah amijery fandaharana momba ny be kintana ianao,tsy izay no asehony fa ny hatsaran'ny kalifornie sy ny plage ao florida.
mba nanao ahoana no fomba fahita'ny US ny doro fiara teto frantsa tammin'ny novambara????
ka aza manaiky anoavan'ny olona fanalana hidihidy ry zareo an.
14. Vaika ( 17/03/2006 20:50)
fijo : diso ianao raha miteny hoe izay tsara foana no hapoitran-dry zalahy firenen
15. Vaika ( 17/03/2006 21:07)
fijo : diso ianao raha miteny hoe izay tsara ihany no hapoitran-dry zalahy firenena hafa. Ohatra fotsiny ilay oronan-tsary :"bowling for Colombine", ilay cyclone tany Nouvelles Orléans, ny drogues tao Harlem taloha, guerres de gangs any californie niampy an-kandroba ny mpivarotra etc..., ny eto France indray : ireo sdf matory any ambany ponts, ny resaka tsolotry ny mpitondra, ny trano may tao Paris fa tranainy loatra, ireo antitra any ambanivohitra tena fadiranovana... Tsy faly ny hitsikera ny hafa ry zareo fa ny fahavoazany koa mba tena tsy hananany hantra koa. Isan'andro misy émission mitantara ny zava-misy (na dia ny mahamenatra azy aza).
Tsy tokony ho parano isika ka hiheritreritra fa izay hampiletika antsika no ataon'ny sasany.
16. fijo ( 18/03/2006 04:13)
vaika,afangaronao ny resaka.raha izy samy izy,dia manaiky io voalzanao io aho.asehony ny korontana atsy sy ary.
fa mba asaivo manao fandaharana mikasika an'ny frantsa anie ny US dia ireo ratsy aty no asehony e,
dia ho hitanao eo ny fiarovan'ny frantsay ny azy.

ataovy ohatra fotsiny iny korontana farany teto iny e,vao nilaza ny vaovao US fa korontana tsy voafehin'ny frantsay iny,dia efa avo vava ery ny frantsay niaro ny azy,fa hoe manome vaovao tsy marina sy manaratsy fotsiny ny amerikanina.vaovao tamin'ny FR2 sy TF1 ireo.

ny tiako lazaina dia izao.raha ny frantsay no mamoaka ny tsy mety eto aminy dia tsyolana io,fa raha ny anyivelany miaro mafy izy.
ka isika koa tokony hanao toa io.hafaka milaza ny tsy mety ao amintsika isika,fa raha ny hafa no hanaratsy fotsiny,mba samia miaro ny azy e.
17. Fiffi ( 18/03/2006 07:26)
marina aloha izany ry fijo an! iza anefa moa no tsy hiaro ny tananany raha maheno na misy filazan-dratsy ho azy ?
18. Vaika ( 18/03/2006 09:34)
fijo a ! tsy ny oronan-tsary toa ireny no fomba hanafihan'ny frantsay antsika mba tsy hisondrotra isika, diso combat ianao.
fa mba asaivo manao fandaharana mikasika an'ny frantsa anie ny US dia ireo ratsy aty no asehony e,
dia ho hitanao eo ny fiarovan'ny frantsay ny azy.

Mino aho fa tsy handany fotoana amin'izany ry zareo. Omeo ohatra ary aho fa tena tsy azoko ilay lazainao.
izy samy izy

Io aza ilay lazaiko fa ohatran'ny mahita complot contre antsika foana ianao.
Tena mino tanteraka aho fa tsy ohtran'io voalazanao io ny hampiasain'ny vazaha ny liberté d'expression-ny.
iza anefa moa no tsy hiaro ny tananany raha maheno na misy filazan-dratsy ho azy ?

Fiffi:Inona no arovana rehefa tsy misy manifika e ?
Tsy misy resaka censure izany alohan'ny hivoahan'ny reportage na resaka inona na miresaka inona. Omeo ohatra iray monja aho hoe efa nisy censuré. Raha misy aza izany dia ny tribonaly no mitsara fa tsy misy resaka amboamboarina mihintsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4031