Mitady hira sy tononkira
1. rapala
(
13/03/2006 13:58)
Misy hira izay tena tiako be mihintsy fa tsy fantatro ny mpihira aza, toy izao no fandehany:
"teto izahay no nanao ny fanekena, vita tamin'ny fo madio fa tsy noterena, teo ihany koa.......
tsy ratsy akory ireny fa hipetraka ho tantara..."
Izay ihany notadidiko, misy manana io mozika io sy ny toniny ve, na dia ny anaran'ilay mpihira fotsiny aza e.:wink::idea:

novalian'i Veloo ny 15/03/2006 16:40
2. diamondra27
(
13/03/2006 14:09)
rapala: zà mahay io hira io, fa sao de tokony ho ary @ artista ary ty no nasiana azy. Sa atao sous forme lalao?
Voahangy sa iza le mpihira tsy tadidiko, sa le mihira ny voahangy
Voahangy sa iza le mpihira tsy tadidiko, sa le mihira ny voahangy
5. Fiffi
(
13/03/2006 15:37)
ie ! Rambao no mihira an'io fa tokony nataonao any @ artista sy hira tokoa eh! :)
6. fiaritiana
(
13/03/2006 15:46)
TETO
Teto izahay no nanao ny fanekena
Vita tamin'ny fo madio fa sanatria tsy nisy noterena
Teto izahay no nanomboka nizara fitiavana
Tsy maty akory ireny fa nipetraka ho tantara
Teto ihany koa no nanaovanay ny voady
Velirano, visavisa ny hoavy fa hiaraka hitady
Teto daholo daholo ny rehetra no nitranga
N'inona hidona na zavatra hihatra
Dia ny hitovy saranga
Folaky ny haizina ve ka hangina
Rahampitso indray aho miandry fitsikina
Ny ho kivy sanatria f'izany ihany ny fiainana ety
Fa teto koa no niaretanay ny mafy
Nisotroanay ny mangidy sy ny mamy
Ary tsy mantsy mihafy
Teto izahay vao niandoha tsy nanana
Fa samy niady mafy mba hisy zava-tsoa am-pelantanana
Mbola eto anefa no hitoeranay hatrany
Mandra-piandry izay lahatra fiantsoana
Ka handaozanay ny tany
Mbola eto koa no hamelomanay indray fitia vaovao
Ary farany aza angamba eto no hilevenanay
Folaky ny haizina ve ka hangina
Rahampitso indray aho miandry fitsikina
Ny ho kivy sanatria f'izany ihany ny fiainana ety
RAMBAO

13. sasa
(
14/03/2006 04:08)
watafon sy lapino, le asiana tremolo kely ary kou :-D:-D:-D:-D sary mijouler J miaraka aminy :-D:-D:-D
15. lapino
(
14/03/2006 04:54)
Fa raha eritreretina hoà zany ilay scene amin'ilay tononkira, mba toerana ohatra ny ahoana àry io "Teto" tondroiny io; Mety hoe latabatra ao an-tranony ihany ve, sa vodihazo eny amorom-parihy? :-w
19. rapala
(
14/03/2006 08:40)
Fiaritiana: Misaotra be dia be tokoa fa tena izy io, midoboka ny foko na dia mamaky an\'ilay tononkira fotsiny aza, misaotra e(l)
Bebe: tena marina no nolazainao. Ny ahy teny ambony sambo mahajanga, izay no tsy hafoizako io hira io, romantic be mihintsiny - ny volana mipitrapitra, ny andro mafana, aoka fotsiny...........
Bebe: tena marina no nolazainao. Ny ahy teny ambony sambo mahajanga, izay no tsy hafoizako io hira io, romantic be mihintsiny - ny volana mipitrapitra, ny andro mafana, aoka fotsiny...........
20. diamondra27
(
14/03/2006 11:20)
azafady akia ry fiaritiana fa nafangaroko @ hira hafa le izy a!:-*:-*