atao ahona ny mitia???

1. harilova ( 13/03/2006 13:10)
Mba manontany anareo aho, nahona ny zokiolona no tsy mampianatra mihitsy ny lesona azony tany ho any rehefa mananatra anay tanora tsy "hivarilavo" amin'ny fitiavana? Toa tsy sahy milaza akory hoe "izahay efa nanao izany dia izao no nahazo anay"...
Misy lojìka ve ny ftiavana?
novalian'i harilova ny 01/05/2006 17:47
2. fasaly ( 13/03/2006 13:15)
lay fitiavana ny fahitàko azy tsy hianarana na fankahatahaka fa raha tsy izany tsy mety e!
ianao ihany no mahalala ny fitiavana misy aminao kouuuuu! tsy hianarana ny fitiavana fa tonga ho azy e!:wink:
3. mandrindra ( 13/03/2006 13:21)
tsy misy lôjika ny fitiavana, tsy misy lesona azo omena ihany koa satria tsy voafaritra mazava izy io. miovaova arakaraka ny mpandray anjara, ny toerana sy ny vanimpotoana hitrangany koa. noho izany tsipiteny sy torohevitra no azo omena fa tsy fampianarana.
4. diamondra27 ( 13/03/2006 14:35)
aleo aloha :-w:-w ka
5. bilakarenjy ( 13/03/2006 14:59)
harivola>mamakia boky miresaka fitiavana be dia be dia fakafakao avy eo ary tazony mafy izay tsara OK!,dia mahazahoa fahafinaretana e!,.....saika hadinoko ,dia somary asio champagne sy chocolat glacer kely mba hampangatsiaka kely ny tena OK!,dia am-pitiavana be ndriko o!.
6. Veloo ( 13/03/2006 17:03)
ireo izay efa nandalo ny experience ny fitiavana dia tokony mba manampy ny zaza vao...
misy lesona tokoa moa ny fitiavana , fanampiana amin;ilay fitiavana efa hanana ilay izy :wink:
io lazain'i Bila io mamaky boky
7. harilova ( 13/03/2006 19:43)
Ny hitako amin'ny vaky boky dia tsy mba manampy ahy hitia fa manosika ahy hisento. sa misy boky manokana sitrakareo hovakiako manokana?
Ny olana anie dia izao e:
raha tsy misy lojìka ary ny fitiavana dia nahoana no afaka mampianatra azy ny zoky? satria tsy hitovy velively ny zavatra hiainana...Indraindray koa aho mandini-tena dia tsy sahy manapa-kevitra ...
ahoana no hahafahako miteny fa tena tiako marina ny joba miaraka amiko nefa indraindray mahita joba hafa aho dia toa mbola mitempo any ihany koa ny foko? Sa
8. cutie ( 13/03/2006 19:55)
za koa tena tsy mahay,mila lesona :-D
9. Fiffi ( 13/03/2006 21:34)
harivola: io angamba aloha dia mety azontsika lazaina hoe tabou. Marina fa ireo zoky no tokony ho hakana fitaratra saingy raha ohatra hoe nisolafaka ary ilay zoky , marina fa hoe tokony hanoro n zandriny izy saingy mety tsy sahy izy , mety hoatra hoe voa mafy koa izy ka mba te hanadino izany zavatra nanjoa azy zany , saungy ao marina ny zandry sao sanatria ka handalo @ izany koa. Ka maninona moa raha ny zandry indray no mba mametraka fanontaniana an'io zoky io ? fa tsy mijanona fotsiny ao raha mba te-ahalala zavatra ?
ahoana no hahafahako miteny fa tena tiako marina ny joba miaraka amiko nefa indraindray mahita joba hafa aho dia toa mbola mitempo any ihany koa ny foko? Sa
io indray aloha dia tsy ny zokindry mihintsy no andeha hampianatra andry an'io eh! fa mety mbola ny tsy fisian'ny experience no mahatonga an'io sy koa mbola mety tsy maton-tsaina . Na koa mbola tena ao anatin'ny taona "ado" moa izany an! hoe efa tia olona nefa mbola mitempo any hiany ny fo dia mbola tsy hadino zany fa mbola misy fitiavana ao.
10. ari.malala ( 14/03/2006 07:27)
Raha eto Madagasikara enao d ndana ao @ librairie St Paul fa misy boky tsara mints ao, toy ny "tsy ifamitahana ny fitiavana" io alo no efa novakiako fa tsara, fa mbola misy betsaka ao.
11. bilakarenjy ( 14/03/2006 08:18)
ny kely hatoroko anao ry harivola dia ity :jereo amin'ny fahalemeny (na kilemany)ny olona ary enjeho amin'ny fahamenarany .
12. Bhiou ( 14/03/2006 09:11)
Ny mitia dia tsotra.
Apetraka tsara aloha ny fifanarahana, mila ianao mahatsapa hoe tena tia anao marina ve ilay olona aloan'ny tena irobohanao amin'ny lalina, tsy apiseo azy mihintsy hoe tena tia azy ianao satria ny tia mantsy no ampijaliana;
Zaraina telo ny fiarahana
1- Fanandramana raha mety ny fitohizany
2- atao ny sedra ahafantarana ilay olona
3- tena fifankatiavana be tsisy otr'izany
1+2+3= Hahita maminy eo amin'ny lafiny fitiavana ianao
13. Fiffi ( 14/03/2006 09:13)
mampiheritreritra marina izany
14. mandrindra ( 14/03/2006 09:27)
bhiou, inn avy ilay sedra atao ahafantarana ilay olona. amiko mantsy misy zavatra tsy ho fantatrao mihitsy mikasika ny olona iray fa ela aty aoriana vao mitranga, moa koa ny ol anie mivoatra miaraka amin'ny toetrandro e.
15. kala ( 14/03/2006 10:41)
zà tsy mahay fa mijery baolina ry harilova 8-)

sady tsy mila mianatra zany fa iainana am-pitiavana sy am-piniavana ny zvt miseho rehetra.:D

Raha tsara no hitanao dia tazony tsara, raha ratsy no miseho dia raiso we "sedra" ê! dia mivonanà hatrany hisedra.:wink:
16. harilova ( 14/03/2006 13:01)
bilakarenjy:

ny kely hatoroko anao ry harivola dia ity :jereo amin'ny fahalemeny (na kilemany)ny olona ary enjeho amin'ny fahamenarany .

tsy azoko raha tianao dia mba asio fanampim-panazavana

17. ambivotra ( 14/03/2006 14:38)
mahaliana ery izany lesona rehetra zany an !zahay zokinjokiny ihany nefa dia mbola mahita lesona be dia be halaina amin'izany !!!!!:)
18. fasaly ( 14/03/2006 16:07)
Veloo:

ireo izay efa nandalo ny experience ny fitiavana dia tokony mba manampy ny zaza vao...
misy lesona tokoa moa ny fitiavana , fanampiana amin;ilay fitiavana efa hanana ilay izy :wink:
io lazain'i Bila io mamaky boky



veloo: ampianaro azany zà e! zà mbola tsy mahay:wink::roll::roll::roll::-D
19. bilakarenjy ( 14/03/2006 17:18)
raha mitia olona iray ianao dia tsy ho fantatrao ao anatin'ny taona vitsivitsy mihitsy ny toetrany satria samy manana ny lava-tranony avy ianareo .Ny fifaneraseranareo matetika dia mampivoatra ny fifankatiavanareo indrindra raha misy zavatra iarahana atao foana fa tsy varian-dresaka sy mi-parade fotsiny.Dia miampita amin'izay ilay fihetseham-po any anaty dia miseho eo ny fahalemen'ny tsirairay ka raha mahatsiaro ho manana fitiavana ilay olona ianao dia ianao mihitsy no misolo sy manavotra ilay kilemany mba tsy dia ho hita be loatra ary tena tokony ho fahasambarana ho anareo roa izany dia manomboka maniry tsikelikely eny ilay fitia .Dia toy izany koa ny fahamenarana satria mampiseho ny fihetsem-ponareo sy ny aingam-panahinareo daholo ireo mba hifankahalalanareo .Noho izany ny fanaovanareo zavatra hiarahana manao sy manamboatra no hifankalalanareo toetra tsara ,ary ataovy ao an-tsaina hoe :ity olona hiarahako ity anie ka mila ahy e!,raha tena tianao izy.Sarotra be anefa izany rehetra izany raha tsy miaraka amin'ny vavaka ry harivola koa dia mahereza e!,zory izato lalana .
20. zandrikely ( 14/03/2006 19:05)
ari.malala : za ko efa mba namaky ilay boky tao @ st paul tao fa hitako hoe tsara ilay izy , fa ny mpifankatia no tena tsara mamaky azy
fasaly : tsy mahy inona njy e , ampianarina ve
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8184