atao ahona ny mitia???

21. harilova ( 14/03/2006 19:48)
tsy azo fintinina ve ny vontoatin'ilay boky fa tsy afaka ny hividy azy manko aho amin'ny toerana misy ahy aty!!!
22. Veloo ( 15/03/2006 02:03)
fasaly a tsika roa mitovy ka mila mitady izay efa nanana experience :wink:
23. ari.malala ( 15/03/2006 05:45)
Ity tononkiran'ny tarika Ny Ainga ity no hamaliako anao ry Harilova:

Tsy moramora ny mitia sy miaraka
Mamy tokoa, nefa koa tena mangidy
Fa rehefa tia, mitiava tsy hisaraka
Aza mandao, mahatantesa mitia

Hafa ny anio tsy tahaka ny omaly
Ilay tsikinao, mety hiova tomany
Fa ny fitia, tsy orokoroka hatrany
Fa ny fitia, ranomaso ihany koa

Ilay tokinao mety hiova rahampitso
Misy tokoa manja noho ny an-tratranao
Fa ny fitia dia ilay kirinao mifikitra
Fa ny fitia dia fandavan-tsitra-po

Ilay maminao misy toetra mahatofoka
Tsy ampoizinao, miova ilay fiadananao
Fa ny fitia tsy dia vola sy fananana
Fa ny fitia fahantrana ihany koa

Aza mitia raha tsy vonon-kamela
Aza mitia raha mbola te handao
Aza mitia raha mitady lavorary
Aza mitia raha hikendry tombon-tsoa

24. mamzelkely ( 15/03/2006 08:58)
aôna ko ky io hira io ry ari.malala mba ataovy hoe eee o^o :-D
25. Bhiou ( 15/03/2006 09:45)
Mila manao ny hevitra rehetra ianao ohatra hoe nde anjono enao dia mila kakana zany hoe raha ny fahatokisany ohatra no tianao ho fantatra dia mody miteny zavatra sarotra inona enao
26. harilova ( 15/03/2006 13:52)
Ny faniriana anie mba te hanao tsara e. fa tsy miankina amin'ny sitra-po angamba ny fihetseham-po mampitroatraiondraindray...
marina fa vetsovetso ny an'ny NY Ainga fa atao ahoana ny hiaina izany? ry ari.malala
27. ari.malala ( 16/03/2006 06:01)
Misy azonao tanterahina ihany io ry harilova a! ohatra hoe io couplets farany io ohatra zao azo iainana tsara mintsy!
28. harilova ( 16/03/2006 14:10)
mety azo atao fikasana angamba fa ny manatanteraka azy mbola zavatra hafa e...
tsy vitako aloha e... asa...
29. rahavana ( 16/03/2006 14:16)
tsy sarotra izany ny mitia ry harilova, ary azo atao tsara. tadidio fa tsy fahamatorana ny tsy fahasahiana manandrana manao zavatra noho ny fahatahorana tsy hahomby, sa afa nanao no tsy nahavita ianao? raha izay dia indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe e? andramo ihany
30. diamondra27 ( 17/03/2006 08:37)
harilova: 'zany ange oa e! mba tokony omena kosa aloha le famintinana le boky e!
31. harilova ( 17/03/2006 09:15)
rahavana:

tsy sarotra izany ny mitia ry harilova, ary azo atao tsara. tadidio fa tsy fahamatorana ny tsy fahasahiana manandrana manao zavatra noho ny fahatahorana tsy hahomby, sa afa nanao no tsy nahavita ianao? raha izay dia indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe e? andramo ihany


ianao ary ve efa nanadrana dia mba tantarao anay ny fahombiazana!!!
32. xxx ( 17/03/2006 11:19)
dia atao ahoana ny mitia???
33. mamzelkely ( 17/03/2006 12:20)
xxx< mitia ve sarotra be ny hamaly an zany fa refa tonga ao aminao le izy de tsapana hoe zany kay le mitia :wink:
34. dadabe ( 17/03/2006 17:25)
:°):°)
35. diamondra27 ( 18/03/2006 07:15)
=((=((=((=((
36. harilova ( 18/03/2006 09:45)
mifanakaiky tsiroaroa ve dia lasa tsiefatrefatra? raha azoko ny lazain'ireo sarin'i Dadabe sy Diamondra27 mifanarakaraka ireo!!!:idea:
37. harilova ( 23/03/2006 19:20)
:idea:
38. ari.malala ( 24/03/2006 07:21)
:-D:-Dsampona koa le fanontanian'i harilova!:-D:-D
39. harilova ( 24/03/2006 08:33)
esory ny sampona e
Ka tsy azoko de le sary no ampiteneniko, lesona nataonay tamin'ny garabola manko izany!!!:^)
40. harilova ( 24/03/2006 18:55)
Tiava marina tokoa dia avy eo dia manao izay tiana atao!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1734