MR RAVALOMANANA a reçu une claque de JAMES BOND hier!!

1. xxx ( 11/03/2006 08:05)
Mr RAVALOMANANA a reçu une claque hier lors de l'innauguration du nouvel immeuble de la magistrature à TSARALALANA,par JAMES BOND(le représentant de la banque mondiale).Diffamation ou non? encore un second vazaha qui a dit la réalité et les responsables de la misére à MADAGASCAR.Est- ce que la verité qui blésse?

Article paru dans les quotidiens tribune,et l'express de MADAGASCAR de ce samedi 11 mars 2006



novalian'i fijo ny 16/03/2006 04:35
2. vancleef ( 11/03/2006 08:33)
Il ne faut quand même pas tout imputer à Ra8 toute la misère à Madagascar. Depuis qu(il est là l'estime n'a fait qu'augmenter sur le plan international. S'il a fallu 25 ans pour descendre le pays dans le trou il en faut beaucoup plus pour l'en sortir d'autant que certains essaient de l'enfoncer beaucoup plus
3. lapino ( 11/03/2006 08:40)
1- Ny fampiasana an'io teny frantsay io iresahana momba an'i Madagasikara dia fampihahahana ny raharahan-tokatranon'ny gasy eo imason'izao tontolo izao. Ohatra ny hoe mpivady 4-mi mifampivazavaza eny ampovoan-tsena!!!

2- Io lazaina fa "claque" io, aiza aloha no ahitana ilay tena zavatra notenenin'i James Bond e?
4. xxx ( 11/03/2006 08:42)
un second vazaha qui a dit la verité à MADA alors aprés FR3!!!
http://www.magagascar-tribune.com
5. gasypantin ( 11/03/2006 08:49)
ny express tsy misy fa la gazette sy tribune no milaza ny zava-niseho omaly e

midira ao @ wanadoo.mg
à mada
dia misy gazette rehetra ery @ sisiny ery

ity ny an'ny la gezette aloha
http://www.lagazette-dgi.com/
6. kally ( 11/03/2006 10:09)
Voankazo an'ala io ka izay mangidy ariana, ny mamy atelina e!
araky ny tenin'i Vancleef hoe efatra taona ve dia ho ampy hisintonana firenena hivoaka ny lavaka nanjerana azy nandritry ny 25 taona?
Marina koa anefa ny hoe tsy matianina loatra ny mpanao gazety ary be kolikoly ny fitsarana.Dia mahagaga ahy fa misy faly mandihy amin'izany ery ianareo?? Aza variana mandihy fa arosoy izay mba hevitrareo manokana hanarenan-javatra ary hoe.
7. sonwin ( 11/03/2006 10:29)
xxx> mbola ho avy ny fanintelony sy manaraka rehetra ary hiteny hisesy ireo mpamatsy vola ireo. Ny antony dia tsotra ihany, ils essayent par tout le moyen d'influencer l'opinion publique..efa akaiky ny fifidianana ka atao izay hahakivy ny mponina mba hahafahana mametraka olon'ny frantsay sy olon'ny vazaha eo amin'ny fitondrana.Satria raha mbola Ravalomanana no eo dia very tsikelikely ny fahefana ananan'ireo vazaha, ho tapitra tsy hoe ela ny fanjanahan-tany,ny gasy no tena ho tompon'ny laka...soa ihany fa mbola eo ny maro an'isa hanohana ny filoha amperin'asa. Ho avy 2007 dia ho tampina daholo indray ny vavan'ny mpitady seza sy fahefana e!
Ary rehefa mamaky ilay article i xxx dia vakio koa ny teny namalian'ny Filoha ilay vazaha, ny ambiny dia "commentaire" ataon'ny mpanao gazety, izay tsy mahagaga satria avy amin'ny "Tribune sy La Gazette" izay mazava ho azy ny firehana politika ananany.
Tapitra ny andron'ny "oui msé" e!
8. ainga ( 11/03/2006 14:10)
Maninona tokoa no tsy nolazain'i xxx fa namaly tamin'ny uppercut ny Filoha fa tsy nanaiky fotsiny na nody tsy naheno ?

Aza faly milaza ny mahafinaritra anareo fotsiny (hoe nahazo tehamaina Ra8)fa ny marina sy feno avoaka.
9. Fiffi ( 11/03/2006 14:26)
wi m'sé! wi m'dame ! zay zany ve ?
10. kitjo ( 12/03/2006 14:07)
snowin> marina izany e!

very fihinanana ny frantsay d mody manambitamby eny @ siisny mba tsy ho wen d mampiasa olona hialan-dra8 eo.

Fantany manko fa tsy ra8 ihany fa na ny vahoaka aza efa manomboka sahy manakiana azy (polemika t@ "faut pas rever" ohatra).....efa misokatra malalaka ho an' ny anglophones sy Asie ny varavaran' i madagasikara

25 taona nalentika marina Madagasikara ka rehefa manomboka mba miakatra tsikely2 tsy tonga dia mahita mazava fa tokony hisaina isika.

Ny ahy dia izao fts: " Izay tsy tia azy dia milaza hoe iza ary no tokony ho eo tena sur 100% nareo fa hampandroso ani Dago par miracle sns fa za ko vonona hifidy azy...fa tsy hoe hanaratsy fts d hanolo mpitondra dia ny eo ihany no eo"
11. xxx ( 12/03/2006 21:59)
Ny opposition dia tsy manao afatsy ny manakorontana mba tsy hisian'ny stabilité. koa aiza moa no hotonga ny investisseur,
12. xxx ( 12/03/2006 22:31)
Mety marina fa misy ny diso fanantenana hoe tsy mety handroso ihany Madagasikara, ny miracle izany de tsy misy ry zareo an. Eny ee, misy ihany koa ny fahandisoana nataony mpitondra amin'izao fotoana izao. Ary ianareo ve tsy mahalala fa hameno paosy daholo ny tanjon'ireo izay hilatsaka hofidiana prezida @ fifidianana manaraka eo. Raha za aloha de aleoko ihany aloha Ra-8 no holany @ manaraka eo. Izy mba hita hoe miezaka ny nanao zavatra na de tsy hita mivaigana aza hatr@ izao.
13. Veloo ( 13/03/2006 02:39)
o ry xxx ary nareo ve tsy mba faly fa mba miezaka misondrotra mora2 ny firenenareo e? io dia zavatra mbola tsy mazava @ ny ankizy sasany ato...
14. naritsimba ( 13/03/2006 04:52)
Tena tsapa fa mbola misy ny matoky ilay fitenenana hoe MINOA FOTSINY IHANY.
raha mbola izao ny toe-tsain'ny Malagasy dia tsy hisy mpitondra TENA MARINA SY MASINA eto Madagasikara.
Ny milaza ny marina ihany eto no enjehina sy voatora-bato.
Hoy ny tenin'ity Pasitera iray (pasteur ao @ FJKM izy io)izay nilahatra teny @ 13 Mai sady nanohana an-Dravalomanana t@ fifidianana:
AZA MANANTENA MPITONDRA HAMPANDROSO IZANY IANAREO FA NY FITIAVAN-TENA NO ANANAN'NY MPITONDRA FANJAKANA @ ZAO FOTOANA IZAO.

Ilay pasitera niteny an'io dia anisan'ny nilaza t@ Ravalomanana hoe mirotsaha ianao ho fidiana ary anisan'ny mpanolotsaina na conseiller ny mpitondra ao fa saingy rehefa niteny ny tsy mety ataon'ny mpitondra izy dia tsy nohenoina ka naleony niataka satria tsy ekeny ny fivavahana natao hanafenana ny toetra ratsy.

Mampalahelo isika malagasy mba tsy hitohizan'ny toy ny teo aloha dia aleo manova mpitondra indray sa hiandry afaka 5 taona indray vao ho tonga saina?

15. xxx ( 13/03/2006 05:30)
Ka izao anie no tena olana eee, ny mpanohitra aza vao maika tena tsy azo itokisana hono ny mpitondra @ izao. Tsy aleoko misafidy An-Dra-8 iany. Mba misy asa vita na de mbola tsy paradisa i Dago
http://www.lexpressmada.com/article.php?id=41399&r=1&d=2006-03-13
16. Rainikarabo ( 13/03/2006 05:46)
naritsimba > manomeza aza ianao anarana olona mety afaka hitondra hoe jerentsika hoe manao ahoana.
Ny anay raha mankasitraka an-ra8 zahay tsy dia araka ilay eritreritrao loatra hoe Minoa fotsiny ihany, fa tena miasa mihitsy araka izay tandrifinay izahay e,Miasa miaraka no fahombiazana dia samy mitondra ny anjara-birikiny eo. Ary ny aza adino sy tsarovy dia Ra8 efa milliardaire talohan'ny naha-Filoha azy. Dia ilay Pasitera conseiller lazainao io zany ilay atao hoe conseiller tsy mahay ny asany,raha mpanolotsaina izy tsy voatery henoina sy tanterahina akory no lazainy.Ka refa tsy henoina izy zany dia miala? tsara ho azy koa ny miala raha izany ny toetrany.
17. Fiffi ( 13/03/2006 09:19)
efa mba hita kosa aloha fa nisy ny fanatsarana sy ny zava-bitan'ny fanjakana nanomboka teo Ra8 eh! jereo fotsiny hoe inona marina no tena zavatra vitan'i ratsiraka fony izy teo ? sady tsy mora anie ry naritsimba ny fitondrana sy ny hanarina azy nohon'ny ratsy rehetra hita teo aloha eh!
18. mandrindra ( 13/03/2006 13:38)
amin'ny maha kristiana an'i ravalomanana dia tokony ho notolorany koa ny takolany ilany, raha misy mamelaka tehamaina ny takolakao havanana dai tolory azy koa ny havia. :D
19. xxx ( 14/03/2006 02:01)
naritsimba:
Ilay pasitera niteny an'io dia anisan'ny nilaza t@ Ravalomanana hoe mirotsaha ianao ho fidiana

ilay pasitera mihitsy no tena mihafina ao ambadiky ny fivavahana mba anaovany politika. ny fivavahana sy politika andriamatoa naritsimba tsy afa-miaraka fa sakay sy maso. ny mpitady toerana irery no mahay mampiesona sy manambara fa mifanaraka tsara ireo. diniho ny tantara:

- eglizin'i roma
- firenena silamo
- Mailhol
- Ravalo
- George W. Bush
- FFKM
- ny Jiosy orthodoxe

20. fijo ( 15/03/2006 19:57)
aza hadino ,fa ny banky mondialy sy ny FMI,dia efa tamin'ny andron'i ratsiraka no efa nanomboka namono an'i madagasaikara.
noho ny fanerena nataon'ireo no nanombohan'ny gasy nihasahirana.satia ry zareo ireo dia tsy misaina ary tsy manadihady ny fomba sy ny toetran'ny gasy ,vao mandroso hevitra,fa dia heveriny fotsiny hoe satria nety tany eropa dia tokony hety any mada koa.tsy mitovy nefa ny fomba sy ny fisainana ary ny zavatra misy aty eropa sy any,hany ka tsy maty tafavoaka izay tereny hatao any.dia izy indray ve no hosahy hanome lesona???????za dia faly fa nahazo ny valiny sahaza hoazy mihintsy ry zareo tao tsaralalana tao .ary tokony ho sahy hamaly andreo toa io foana isika gasy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6262