fa misy ve no nateraka hijaly eh !!!!!!!!

1. xxx ( 09/03/2006 10:28)
salut daholo ny namana rehetra e
izaho reto mba misy zavatra ho tantaraiko anareo rehtra mandalo eto a, misy namako iray izay tena mampalahelo ahy mihintsy ary tena tsy hitako intsony izay atao azy ka mba mila torohevitra avy aminareo namana rehetra aho ah, fony mbola kely izy no nandao azy ny ray aman-dreny, hatramin'izao fotoana hanoratako izao dia mbola tsy nahitra endrika mirana taminy aho,:( saika isan'andro izy dia mitaraina amiko fona izay manjo azy, lehibe koa izy izao dia nandao azy ny fiancaillany, mba omeo hevitra izy reto ah
merci
novalian'i Fiffi ny 06/04/2006 10:30
2. diamondra27 ( 09/03/2006 11:06)
xxx: de miombona alahelo aminy aho izany ary mampahery azy ihany koa.

Tokony tsy hieritreritra izy oe: nateraka hijaly fa hiatrika ny ho aviny autrement. Sendra fifandrifianjavatra 'zany fa tsy miankina @ velively ny nahalasanan'y RAD na le fiancé-ny
Aoka tsy hijanona eo ny fiainany fa la vie continue et voir les choses autrement.
Tsy responsable @ fahalasanan'ny olona izaho sy anao, ary fandalovàna ny eto antany.

Fahalasanana ve aloha = maty e!
raha izay de zay no valinteniko
Bon courage
3. mamzelkely ( 09/03/2006 11:39)
mafy de mafy tokoa aloh ny mahazo azy nefa kosa tokony vô maika aza hampitraka azy zany de hi-affronter ny fiainana izy fa ts ho kivy tokony hi-prouver an olona manodidina azy izy fa na mafy aza ny fiainana de mandroso fôna eee:°)
4. pissoa ( 09/03/2006 13:55)
Tsy misy nateraka hijaly izany ... Dia aza mieritreritra an'izany fa mampijaly tena fotsiny indray.

Korazy :-*:-*:-*
5. xxx ( 09/03/2006 14:11)
xxx:

salut daholo ny namana rehetra e
izaho reto mba misy zavatra ho tantaraiko anareo rehtra mandalo eto a, misy namako iray izay tena mampalahelo ahy mihintsy ary tena tsy hitako intsony izay atao azy ka mba mila torohevitra avy aminareo namana rehetra aho ah, fony mbola kely izy no nandao azy ny ray aman-dreny, hatramin'izao fotoana hanoratako izao dia mbola tsy nahitra endrika mirana taminy aho,:( saika isan'andro izy dia mitaraina amiko fona izay manjo azy, lehibe koa izy izao dia nandao azy ny fiancaillany, mba omeo hevitra izy reto ah
merci


Mila manao fanarenam-bitana izy zany fa feno fandravana ny fiainany...fandravana vokatry ny reniandro nahaterahany io na fandravana vokatry ny tontolo manodidina.
Mety hoy ianao hoe finoanoam-poana ny ahy nefa zava-misy sy azo arenina ny sahala amin'izany.Ary tsy misy resaka fanompoantsampy na kely aza.
6. dezaka ( 09/03/2006 16:42)
sali doli
ny tsiky ihany no fanafodiny e tsy nisy tsy nijaly fa samy manana ny fijaliny ny olona rehetra sanatria tsy manamaivana ny manjoha ny namana fa kosa ny fiainana refa arahibna tsiky dia misava ( fa tsy afaka akory ) ny zava manjo atsika tsirairay avy sarotra ny mandray ampitsikina ny zavamiseo rehetra fa refa misy ny finona vita foana
7. kally ( 09/03/2006 16:57)
Ny torohevitra azoko omena, mety hanafintohina ny sasany angamba, fa raha te ho tafita izy dia ilazao izy tsy hijery ny tenany ho toy ny "victime".
Tsy mora ny mahazo azy fa ny fitarainana lava sy ny famisavisana izay manjo ny tena dia tsy mitondra mankaiza fa vao maika mampikorosy @ tany aza.
Ohatr'ireny voronkely tapak'elatra ireny izy ka azy ny safidy : na izy tsy hijery ny elany maratra ka hiverina hianatra hanidina, na izy hitaraina sy hikenakena ny elany maratra dia hiara-hitsindroka @ akoho.
8. Veloo ( 09/03/2006 19:03)
tena mampalahelo mihitsy zany. Kanefa tsisy afa tsy izy no afaka manamboatra ny fiainany ary ianao xxx afaka manampy izay azo ataonao.
Ny ataonao dia eto miangona izy io dia mampiova be ny fiainan-tsika mihitsy.. Ohatra aty aminay ny ankizy izay mande any am-piangonana dia tsy mba suicidaire mihitsy...no sady mampianatra azy hizaka ny fianana na mora na sarotra
ny zavatra tokony azony atao dia arak;ilay lazain'i Dezaka io mila mijery ny fiainany positive fona izy...ny pessimisme dia ham=nimba ny fiainana sy mampidina ny moral fona..Afaka miteny aminy directe ianao ndray2 ny olona mila hozongozonina vo taitra soa dia mety aminy io..
Fivavahana sy ny fitsikina = fahasambarana...:wink:
dia bonne chance aky a ary hivavaka ho azy mihitsy isika rehetra ato sa ahona o?:wink:
9. pissoa ( 10/03/2006 17:36)
Miombon-kevitra amin'i Kally zah
10. Veloo ( 13/03/2006 02:53)
:wink:
11. Fiffi ( 13/03/2006 18:35)
tsy misy an'izany hoe nateraka hijaly izany eh! minoa fotsiny an'Andriamanitra fa hisy valiny avokoa izany ary mivavaha!
12. Veloo ( 13/03/2006 19:19)
:°)
13. Fiffi ( 13/03/2006 19:56)
zany hoe mety azo lazaina hoe tsy nisy vintana angamba fa tsy io an!
14. cutie ( 13/03/2006 19:59)
mety mandalo vanim-potoana sarotra fotsiny ngamba izy fa mila fankaherezana sy tosika fotsiny.
15. Fiffi ( 13/03/2006 20:41)
cutie: zay mihintsy an!
16. batso ( 26/03/2006 14:02)
ZA koa lesy mba nijaly fôna fa mbola mba mi-assuré eny any é.
Amiko ny atao mijaly dia ny 4mi nefa raha hanotanian'elah izy reny hoe: mijaly ve nareo dia hoy izy hoe:m m m m:-o
17. Fiffi ( 26/03/2006 15:58)
inona aloha no tiana lazaina @ le m m m :?:
18. ninimalala ( 05/04/2006 06:41)
xxx: tena mampanaelo be izy zany,fa lasa aiza hono ny fiancée-ny, raha lasa nanjono izy de lazao hoa soloy fa gasy be dia be io, fa raha sanatria lasa tsy niverina tsony de lazao hoe aleo aloha izy hatory tsara ampiadanana fa angamba tsy anjara fa mety misy tsara be nataon'Atra tsy hijaliny tsony.
19. Fiffi ( 05/04/2006 06:51)
fa mety misy tsara be nataon'Atra tsy hijaliny tsony.
20. soleil ( 05/04/2006 14:59)
Tsy misy ny olona nateraka hijaly araka ny hevitry ny maro , ny mivavaka ihany ary ny mivavaka foana no tsara indrindra , aza manary toky na ovina na oviana ary marina tokoa ny hoe aza mihevitra zay antony sy fiainana lasa fa ny ho avy banjinina , mihoara eo @ fiainana , atao fanoitra lehibe hahatafita eo @ fiainana ny manjo anao ary any aoriana de hidera anao ny olona noho ny herin-tsainao f'aza kivy mahereza , aza adino ny mametraka ny ahiahy , ny atao rehetra amin'ny Tompo

mahereza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3734