ANJARA SY LAHATRA

21. dadabe ( 05/03/2006 06:25)
ka ialahy koa anie izao ao aorianako eo , de manao succession tsika mitsam :°)
22. marozevo ( 05/03/2006 15:04)
Izany hoe raha azoko tsara dia tsy maintsy miLAHATRA vao mahazo ny ANJARA. Dia raha ohatra ka anjara amin'ny lafiny fanambadiana no resahina dia ahoana.. tsy maintsy miandry tour koa ve ? Io fanambadiana io manko no tena isehoan'ilay teny hoe ANJARA.
23. booboo ( 05/03/2006 20:17)
marozevo > dia ankisongina ve ? hihihihihihi.
24. marozevo ( 07/03/2006 01:45)
Raha hilahatra rano ao Antananarivo, na hilaha-bary toy ny tamin'ny 1978, na hilahatra eo amin'ny tranombarotra roso toy ny tamin'ny 1980, na hilahatra bus, tsy maninona raha misongona... fa raha resaka fanambadiana kosa leiroa mitandrema ihany ah..
25. dadabe ( 07/03/2006 04:19)
:roll::roll::roll:
26. marozevo ( 11/03/2006 00:36)
Io indray i dadabe fa nifindran'ny aretin'ny sasany
27. lamie ( 21/03/2006 21:45)
jimna:

Ahoana ny hevitrareo @io lohahevitra vaovao io?

aza dia mino loatra izany fa miankina aminao ny fiainana manontolo, azavaiko:raha hivoaka ny trano ianao,tsy mijery ny havia sy havanana, avy dia miampita, voadona ny fiara, tapaka ny tongotra roa, tsy afa-mandeha intsony! sahy milaza ve ianao fa anjaranao ny ho tapa-tongotra na izany no lahatra natokana ho anao? sa ny tsy fitandremana no nahatonga izany?diniho ange e!

28. marozevo ( 23/03/2006 00:13)
Ka ny lahatra eto, dia mety ho azo adika koa hoe "lalàna mifehy". Ny tsy fijereny havia sy havanana dia tsy fanajana ny lahatra, ka izany no nahatonga ilay accident.
Lahatra = lamina = mise en ordre.
29. mandalo ( 28/03/2006 09:11)
i Eva raha nanaiky ny fitakin'ny devoly (noheveriny ho marina araka ny fijeriny) dia nanantena fa holasa mitovy amin'Andriamanitra ka hahalala ny tsara sy ny ratsy ka tsy ho faty (Gen 3:1-6). lasa mpanota ny olombelona ary hatramin'izaho sy ianao dia nandova izany.
mipetraka àry ny fanontaniana hoe :
1-"izaho ve no anjaroko sa lahatra natokana ho ahy izao vao teraka teto an-tany dia tonga dia mpanota?"
2-"lamina nataon'Andriamanitra ho ahy ve izany?"
30. marozevo ( 30/03/2006 22:36)
Tokony hizara roa izany ny famahavahana ity loha hevitra ity, raha somary sintoniko kely io lazain'i mandalo io.
1 - Inona marina aloha no azo hamaritana ny hoe "anjara sy lahatra"?
2 - Avy aiza no niavian'ny "anjara sy lahatra"? avy amin'Andriamanitra sa avy amin'ny olombelona?

Andriamanitra tsy omen-tsiny; zanahary tsy omem-pondro, fa ny olombelona no be sisia.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0485