Maha-koditra !

1. Fiffi ( 27/02/2006 07:46)
Tsikaritra tato ho ato fa nalaza ny resaka fombafomba malagasy izay zary mifangaro amin’ny fanompoan-tsampy amin’ny ankapobeny. Manalasala amin’ny malagasy sasany ihany izy ity satria toa mbola be no tsy mahafoy ilay fomban-drazana, saingy tandindomin’ny finoana kristiana izay mifanohitra tanteraka amin’izany. Vokany dia mbola be no misabaka ka sady mivavaka amin’Andriamanitra no tsy manadino an’i Dadarabe.
Amin’ireo mpiandry na loholona tena vontom-pinoana dia mifankahalala ny mpilalao ody gasy mifanohitra amin’ny fivavahana sy ny mpiandry vontom-pinoana an’Andriamanitra. “Koditra” ireo mpilalao ody raha vao mahita mpiandry ka miedinedina aok’izany manakona ny asa ratsiny amin’ireo mpiandry, indraindray aza mahateny hoe ”inona no ataonao aty ry mpihatsara velatsihy ?“ Satria fantany fa tsy hiaraka aminy, fa handringana azy. Avy hatrany dia fantatry ny mpiandry fa mbola mifikitra amin’ny fomban-drazana ilay mpilalao ody.
Madagascar Tribune
novalian'i Fiffi ny 01/03/2006 05:18
2. Fiffi ( 27/02/2006 07:55)
Vokany dia mbola be no misabaka ka sady mivavaka amin’Andriamanitra no tsy manadino an’i Dadarabe.
8O8O
3. sonwin ( 27/02/2006 09:00)
Misy karazany telo ilay atao hoe "dadarabe":
- ao ireo miasa hanasoa ny mpiara-belona
- ao ireo miasa manimba ny mpiara-monina
- ao ireo mpisandoka

Ireo karazany voalohany dia tsy mifanipaka velively amin maha-kristianina fa miankina amin'ny tsirairay ihany koa anefa.
Za izao no vavolombelona mahita sy mahafantatra, ramatoa "dadarabe" moa i rangahy "mpiandry" ary manasoa olona sy manampy olona amin'ny fahasahiranana mahazo azy no ataon'izy mivady.

Ny maha-dadarabe dia fahasoavana avy amin'ilay mpahary sahala amin'ny talenta omena ny olona tsirairay, fa anjaranao no misafidy na entinao hanasoavana ny namana iny na entina hanimbana ny namana.

Izaho manokana, tsy koditra fa hoy aho hoe: Tsy mahalala n'inon'inona ilay mpanoratra gazety.

Asa anefa, samy manana ny heviny ny tsirairay...
4. rpk ( 27/02/2006 11:43)
sonwin:

Misy karazany telo ilay atao hoe "dadarabe":
- ao ireo miasa hanasoa ny mpiara-belona
- ao ireo miasa manimba ny mpiara-monina
- ao ireo mpisandoka

Ireo karazany voalohany dia tsy mifanipaka velively amin maha-kristianina fa miankina amin'ny tsirairay ihany koa anefa.

ô leity e! mba fantatr'ialahy ary ve hoe hery avy aiza no ahafahany manao soa io???:roll: Ny devoly koa angeh lesy ka afaka manasitrana e!
5. sonwin ( 27/02/2006 12:17)
ie fantatro ny hery hoe avy aiza saingy mistery lalina zany.

Ny fahasitranana no zava-dehibe leiroa a. Raha any ambanivohitra be tsy misy dokotera sy tsy misy fanafody zany dia hiandry mana milatsaka avy an-danitra sy hiandry fahagagana?" ny Mpitsabo nentim-paharazana eo manome toky!sa aleo ho faty ny olona dia lasa any an-danitra sao dia tsaboin'ny devoly ety an-tany ety?

Ohatra hafa, maninona ireo milaza azy fa tsy ilaina ny fanandroana sy ny etc..ao madagasikara no tsy sahy mandevina Talata? Sa andron'ny devoly koa ny talata ka tsy miasa ny herin'Andriamanitra eo?

Ialahy koa angamba mety mbola tsy sendran'izany hoe aretina tsy sitram-panafody ka ny mpitsabo profesora ambony any amin Hopitaly mihitsy no miteny an'ialahy hoe mandehana mikarakara tena any amin'ny mpitsabo gasy

6. booboo ( 27/02/2006 12:30)
eka ouz !
7. rpk ( 27/02/2006 12:31)
=Dde tena sûr ary ve we tsy misy tambiny hafa mihitsy @ reny mpitsabo nentim-paharazana ireny?
8. booboo ( 27/02/2006 12:48)
mitaky sorona ve ?

Ny ankamaroany mitaky hasin-tanana, vary sy vorona (hihihihihi fetsy be), na sara-pitsaboana ohatra ny any @ doko tsotra.

9. sonwin ( 27/02/2006 12:59)
eka ouz!
10. rpk ( 27/02/2006 13:57)
'zah lesy matahotra fa aleo iany zah tsaboin'ny dokotera ka!:lol:
11. Fiffi ( 27/02/2006 15:37)
'zah lesy matahotra fa aleo iany zah tsaboin'ny dokotera ka
ny ahy koa aloha aleko manantona dokotera eh!
12. sonwin ( 27/02/2006 19:01)
Jereo tsara ny nosoratako fa tsy nanao fampitahana ny dokotera sy ny ankilany mihitsy aho! ary tsy misy safidy napetraka akory teo hoe aleo mankatsy ny mankeroa.

Raha hoe "aleo makany amin'i dokotera" dia ny olona mipetraka any amin'ny toerana tsy misy dokotera no noresahiko.

Amiko samy manana ny andraikiny tafindriny azy ny dadarabe sy ny dokotera fa tsy hoe mifanipaka na ampitahaina akory...
13. Fiffi ( 27/02/2006 20:09)
hoy sonwin:
Amiko samy manana ny andraikiny tafindriny azy ny dadarabe sy ny dokotera fa tsy hoe mifanipaka na ampitahaina akory...
marina izany aloha eh! fa raha jerena ny filazan'ny mpanoratra @ gazety dia toa tsy mety ny mivavaka miantso an'Andriamanitra sy miantso an'Radadarabe sa ahoana ?
14. caprio ( 27/02/2006 21:22)
dadarabe zany efa lany andro be zany ry zama an,mba tongava saina @izay fa tsy mandaitra intsony zany,ary tandremo fa tsy mitovy mihintsy ny dadarabe sy ny mpanasitrana @ alalan,ny zava-maniry.ohatra:ratsimamanga dia manam-pahaizana manokana avy @ alalan,ny zava-maniry fa ny dadarabe dia mitovy @ mpanandro sady ilay miteny we:(masina hozizi,masina hozizi)tandremo fa io no tena mpamita-bahoaka sady pametsifetsy ny kely saina toa anareo izao asan-devoly io ry zama an,de inona indray izao no mbola lazainareo @ireny olona marobe manao trano tsy mila mpanandro ireny intsony.mba tongava saina daholo ry zama isany a
15. Fiffi ( 27/02/2006 21:42)
hoy caprio:
ny kely saina toa anareo izao
fa ianao hono be saina tahak'aniza no mitsara olona tahak'izao ?
mba tongava saina daholo ry zama isany a
ary ianao ve mba tonga saina à izao fomba fitenenano izao ? mba hasio fiheritreretana kely izato fiteninao an! raha olona tonga saina sy misaina ianao dia hitanao fa lahatsoratra nalaina avy @ gazety ity. :evil::evil::evil::evil:
16. Fiffi ( 27/02/2006 21:46)
ady hevitra koa no hatao eto fa tsy fitsarana olona hoe kely saina araky ny filazanao! ary aza mitsara olona mba tsy ho tsaraina koa! :evil::evil:
17. sonwin ( 28/02/2006 06:51)
caprio:

dadarabe zany efa lany andro be zany ry zama an,mba tongava saina @izay fa tsy mandaitra intsony zany,ary tandremo fa tsy mitovy mihintsy ny dadarabe sy ny mpanasitrana @ alalan,ny zava-maniry.ohatra:ratsimamanga dia manam-pahaizana manokana avy @ alalan,ny zava-maniry fa ny dadarabe dia mitovy @ mpanandro sady ilay miteny we:(masina hozizi,masina hozizi)tandremo fa io no tena mpamita-bahoaka sady pametsifetsy ny kely saina toa anareo izao asan-devoly io ry zama an,de inona indray izao no mbola lazainareo @ireny olona marobe manao trano tsy mila mpanandro ireny intsony.mba tongava saina daholo ry zama isany a



Ilay azy angamba ry zama tsy asiana resaka hoe lany andro na tsia fa ny fomba fianana sy fisainana samy manana ny azy, samy mandeha amizay mahasoa azy ny olona.Azo atao koa ange miteny hoe any Europe efa lany andro ny mivavaka e!
Mbola tsy teraka ise ry zama no efa tonga saina ny tary a!
Ohatra: tu me fé rire là!..za ry zama haiko hatrany amin'ny aty paosiny Ratsimamanga an.fa tsy manana zo angamba aho hilaza ny fiainany sy ny tsiambaratelony, zao fotsiny, il était l'intelligent et le malin mé le savant était un d....
Mametsifetsy ny kely saina toa ahy an? ise zany ilay atao hoe be saina sa miseho ho be saina? moramora ihany ny vava ry le voatavo tsy mifandraka ty a!
Ny hoe olona marobe tsy manandro? et oui tsy hitako izay olana ka, mahafinaritra zany, ny olona tsirairay samy manao izay mahamety azy, manana ny safidiny, ny ahy ny tiako hatongavana dia ny hoe avelao ho any amin'i dadarabe izay te ho any fa aza tsaraina satria matoa izy makany dia mahasoa azy zany, izay tsy makany koa aleo tsy ho any e, mety aminy koa izany.
18. sonwin ( 28/02/2006 06:59)
Fiffi:

fa raha jerena ny filazan'ny mpanoratra @ gazety dia toa tsy mety ny mivavaka miantso an'Andriamanitra sy miantso an'Radadarabe sa ahoana ?



ie marina fa io ny filazan'ny mpanoratra, za nefa tsy miombon-kevitra amin'ny mpanoratra satria tsy azo ampitahaina amiko ary tsy mitovy Andriamanitra sy Dadarabe. Andriamanitra hivavahana, Dadarabe olona tsotra manao ny asany araka ny talenta nomena azy. Dadarabe nge:
- mety ho mpanandro: mijery ny andro tsara hanaovana zavatra iray. Na koa hoe mifidy andro tsara.
- misikidy: ohatra iray horoscope
- mety ho mitsabo ihany koa (fanafody mosavy,fanafody aretina tsotra)
ireo zavatra telo ireo mety ho hita amin'ny olona iray daholo, nefa ihany koa mety ny iray amin'ireo ihany no hainy...
Ny ahy dia mbola averiko ihany, milaza fa tsy manandro ny kristianina (za ao anatiny), nefa toa tsy misy sahy mandevina talata, refa hamangy dia tonga koa ny hoe tsy fanao hono ny mamangy talata fa miandry maty masoandro. oh la la!
19. Fiffi ( 28/02/2006 07:56)
ny kely saina toa anareo izao asan-devoly io ry zama an,de inona indray izao no mbola lazainareo @ireny olona marobe manao trano tsy mila mpanandro ireny intsony.mba tongava saina daholo ry zama isany a
mampalahelo izao fisainanao zao . :evil:
Mametsifetsy ny kely saina toa ahy an? ise zany ilay atao hoe be saina sa miseho ho be saina? moramora ihany ny vava ry le voatavo tsy mifandraka ty a!
mba ady hevitra no hatao eto re olona o!
20. Solitikabe ( 01/03/2006 00:28)
Fiffi.
Tena izaho koa mihevitra fa tokony asiana fampianarana fiaraha-miaina eto @ tananana.

Dadarabe sy ny Fiangonana
Izaho tsy hilaza hoe "Dadarabe sy Atra" satria i Dadarabe ihany koa toa ny Razako rehetra: mino an'Atra. Fa ny an'ny hafa aza hajaina maika fa ny an'tena. Variana aho raha nahita ilay Ambasadaoro Afrikanina nanao joro tamin'ny fananganana fototra.
Ny mpanotra, mpanao ody tapaka, ny ody biby sy ny sisa dia tsy hitako izay maharatsy azy. Ary mahavonjy tokoa amin'ny andro sarotra.

Ny hoe maka vola na tsia:
Misy ireo tsy manondro ny vola omena fa dia asin-tananana fotsiny. Na misy za rehefa maha-soa dia izay no tsara. Tsy hitako ny maha-samihafa an'io amin'ny rakitra any ampiangonana sy ny vokatra fatao isan-taona. Ary nahita aho ka mino fa ny fiangonana sasany dia na ny efa maty aza dia mbola mandoa rakitra farany. Ary raha tsy nahaloa adidy ianao dia tsy vita batisa ny zanakao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5477