DIDIER SY MARC

1. Fiffi ( 27/02/2006 07:28)
Didier! Didier! Manao ahoana ianao izay?
Didier! Didier! Mbola velona ve?
Sa efa lanin’ny kalalao!
Hay! Hay moa! hay tokoa!
Mbola maro ao Paris ao, ireo boto sy zandrinao.
Izay tsy sasatry, ny manompo anao...

Didier! Didier! ràzana ve vao hody?
Didier! Didier! Mbola anao " retour " ve?
Sa efa trotraka sy lany atody !
Mbola maro anie, ireo te anao “ Oie oie! ”
Laingako izany fa sao, miverina eo marina ianao.
Ny aty mantsy efa nandao, sao diso fanantenana ianao...



Didier! Didier! Manao ahoana ao Paris?
Didier! Didier! Moa ve milay?
Ny manao “ la vie ” ao Neuilly?
I Marc ve no mihanahana? I Marc ve no tsy ampy " pouvoir " ?
Hampodiana an’ialahy, hak'aina aty @ 'Gasikara.
Anatanterahina amin’izay, ilay ampamoaka tsy hitanay...

Marc ô! Marc a! Marina fa tokony...
Marc ô! Marc a! Fongarana,
Ny fahantrana.
Izany akory tsy midika hoe :
Amidy aminy amerikan’ hoa!
Na aminy rainy-boto koa, I Madagasikara soa...

Koto ô! Soa ! tsy lahatra ny fahabadoana!
Bozy ô! Doda a! Raha mahia ianao,
Tsy an’ny kankana ny adisoana...
Fa nalahatry ny mpanjànaka,
Ny fahantrana sy ny akamoana.
Sy nararaotin’ny mahitahita,
Ny fialan-tsasatrao tsy mety vita.

novalian'i Fiffi ny 12/03/2006 19:58
2. Fiffi ( 27/02/2006 08:18)
fanamarihana:
Ny hira dia natolotry ny mpanakanto iray izay mitondra ny anarana hoe H@my. Izy io dia tsy (mbola) mitady vola fa miompana @ fampandrosoana an'i MADAGASIKARA. Efa misy "@ro-tahaka" avokoa ny sangan'asany.

Momba ilay hoe "tena sahy ny nanao an'ito", moa ve i Didier sa i Marc no tena tokony atahorana? Ankaotry ny fampiomehezana dia ny hoavin'ny firenena mba ho-manga kokoa no tsinjovina eto. Ary mino @'fo manontolo izahay fa i Didier sy Marc koa dia manana izany fikasana izany (fara faha-ratsiny t@ voalohany) fa ny lanjany sy ny fomba fanehoana azy fotsiny no tsy mitovy.

Mankasitraka an'ireo mpiara-mitolona. Misaotra e!
3. lapino ( 27/02/2006 08:19)
Tô mampieritreritra indray le izy nony farany noho ny mampmé kle :lol::lol:
4. sasa ( 27/02/2006 10:19)
8O8O8O
5. diamondra27 ( 27/02/2006 10:46)
ny ahy akia ny tena tiko de le izy roalahy manao dialogue a! Dragon2... no nanoratra azy, fa tena tsy tadidiko intsony oe taiza no nahitako io.
Misy sarin'izy 2lahy, de mitantara oe: inon koa elahy ze mpivarotra yaourt taloha nefa zà efa filoha talohan'ny elah sns... Fa tena marina doly le lazainy an! Raha hitanareo de mba ento eto e!
6. Fiffi ( 27/02/2006 11:09)
D: Tsy mitombona koa anie ity sary (akavia) ity zany e! tsy tokony hiaraka ireo satria za efa kapiteny de fregaty ialahy mbola tsy ni-cravaty sy mbola nivarotra yaourt t@ bisiklety.

M: Mitombona ihany io ko. Jerevo ialahy "noir et blanc", hita tsara mihitsy hoe efa lany daty sy nilaozan'ny toetr'andro!


D: Hay? Za lety tamin'ny andron'ny sary mbola "noir et blanc" dia efa niravaka an'ity rojo manambara ny maha filoha ity a!

M: 1/4 ana siekla nihinanana volam-bahoaka? Sigara be lasa setroka, vola any "Suisse" sns nefa ny vahoaka nitrongo hatrany. ttsss...



D: Kely mahay vava anie ilay kely ity zany e! Mitery ronono ihany no hain'ialahy fa aza mihiditra @'ny kilaoty tsy omby sao mahita raharaha!

M: Miomana ialahy fa ho amboariko tsy ho ela ny sezan'ialahy. Misaotra @'ny fanamboarana palasy handrianako eny Iavoloha.




D: Mahazo manofy ialahy. Teo ambanin'ny fahefako anie no nampanankarena an'ialahy e! Dia hitsipaka lohan-dakana nahatafita zany? Sao maratra e!

M: Tsy ialahy zany letsy no nanome ahy fa za "self-made-man" a! Sady ny aty lety tsy sanana ka ho "sous-fifre" mandrapahafaty! Misy fotoanany ny zava-drehetra!




D: Olona miteny frantsay aza tsy hain'ialahy. Ho prezida angaha! Didier ihany! Didier hatrany!

M: Rira bian ki rira le deurnier! "In God we trust that I'm going to kick your ass soon!"




D: Raikitra izany ny "bras de fer"? Sao ialahy mihevitra hoe efa goga ny aty ka tsy havita hiaro ny vodiny tsy ho dakan'ialahy avy eto @'ty seza fiandrianana ity?

M: Tsy ho ela ialahy de vita e! Ny aty indray pragmatika. Tsy mitarazoka @'ny zavatra hay zany. Dia fantaro fa tsy seza fiandrianana izany io misy an'ialahy io fa sezam-panjakana.




D: TSY HIALA AHO HOA, TSY MAZAVA VE ZANY E?

M: Ka efa tsy za intsony lety no mangataka am-panajana fa efa ny vahoaka no mandaka sy mandrora an'ialahy a! En plis de jamba, marenina koa ve ialahy e?




D: DIDIER IHANY ! DIDIER HATRANY ! MOA KA TSY IZANY VA? MOA KA TSY IZANY VA ? OIE OIE! OIE!

M: Eto anatrehan'Andriamanitra sy ny ambanilanitra dia manaiky aho, i "Marc", ny anendry ny tenako ho filoham-pirenena malagasy. AMEN!




D: Tena tsy rariny mihitsy. "Coup d'Etat" ny anaran'izao. Anontanio anie i Herizo Razafi... sy ny "dictionnaire larousse" e!

M: Ny sehatra internasionaly aza manaiky koa iza no andeha anontany izay hevitr'i... iza moa? Ah! ah! ah! Ki c'et ki rire mantenan? ah! ah! ah!




D: Tena vitan'i lery aho lety e! Aleo mibarakay any @'i "Jacques" fa sao hampanefan-dry lerony ny zava-bita rehetra.

M: Anjarako indray zao lety no mihinambolan'izay matoritory a! Hain'ialahy izany atao hoe Monopole izany? Atsy ho atsy, tsy hisakafo sy hitafy na hitrano intsony ny malagasy raha tsy mandalo amiko.



M: Hiantsoiko rainy boto mihitsy ampianatra ahy ny fomba fanaovana azy! De angalako saosy any @'ny be kitana sy ny kely maso. Na i Jacques aza ho ampidiriko @'ny afera rehefa ahitako rirany.



Dia nandeha ny fotoana ary tafita tokoa ilay hoe
"VISION : MONOPOLE-NATURELLEMENT"





M: Taona 2007 tsy ho ela. Fifidianana indray atsy ho atsy. Ho avy ialahy sa tsia? Zany hoe aloha mety hampandaloviko gara kely any Antanimora e! Anyway, Za Kandida!

D: Ialahy ve adala e! 'Zay sy Celine aty zavatra mak'aina tsara.



R: Io indray rehefa tsy ho avy i Baina dia za lety anao azy a! Ny anaranay indray tsy ho voafafan'ialahy izany!

M: Ah!ah!ah! Nisy niteny ve teo? Naheno zavatra ve nareo? "Rayer les mentions inutiles" hoy ny formileram-panjakana izay.



D: Mety hiverina tampoka aho raha izany ny vavan'ialahy an! Sady Pierrot toa tsy hanao raha. Manao "lifting sy botox" kely a de milay indray.

M: Aza maka-tahaka hoa! Fa raha miverina ialahy fantaro fa efa ahy daholo zao ny elikoptera eto @'ny tanana momba ny fanamboarana vato.


D: Ka ho democratika ve ny fifidianana raha izany lety e?

M: Tadidin'ialahy ilay hoe "monopole" ? Minoa fotsiny ihany, minoa fotsiny hatrany. Dia ny ambony aleo anaovako azy!




D: Mbay tany! Aleo aloha hainoina ny akon'ny fanirian'ny vahoaka fa tsy atahorako izany monopol'ialahy zany raha miantso ahy anao "OIE OIE" ny mponina.

M: Mirediredy indray lety fa aleo omehezana fotsiny. Sady na i lery na ny hafa, tsy misy mankaiza izany e! Marina fa mody manamboatra kely aho dia maka be. Fa @'ny fo tsy miangatra, "entre" ilay iray nandripaka nandritry ny 25 taona sy le sasany milaza hilatsaka ; misy marina ve ny havita mihoatry ny nataoko?
7. Fiffi ( 27/02/2006 11:10)
Tena tsy tafiditra fa nandramako nanisy azy hoe "jereo eto" dia tonga ireo no lasa sady lava be no tsy misy sary :(:(:(:(
8. Fiffi ( 27/02/2006 11:15)
io fa itako hiany: http://dragon2madagascar.over-blog.com...
9. Fiffi ( 27/02/2006 11:17)
tsy mety: "impossible d'afficher la page" :evil::evil::evil:
10. Fiffi ( 27/02/2006 11:19)
http://dragon2madagascar.over-blog.com
11. kala ( 27/02/2006 11:56)
de ahoana zany?
mbola taim-bava daholo ange reo ê!
Asaivo manao kômbà réel ê!=))=))=))=))
12. diamondra27 ( 27/02/2006 13:12)
fiffi::-*:-*(l) io mihitsy akia le izy an(l)

tssssssssssss fa ahoana ary no tsy mivoaka le sary klé!
tena tsy maintsy mandalo an'le nahitàna azy indray zany vao azo jerena io koa!!

eo akia moa mba kotreho kely , de ataovy masaka e!
matoky anjy za fa masaka io e!
13. diamondra27 ( 27/02/2006 13:14)
fiffi:=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D
'zay fa masaka ka, nisokatra le izy :-*:-*
14. dadabe ( 27/02/2006 15:16)
8)8)
15. Fiffi ( 27/02/2006 15:27)
diamondra: :-*:-*:-* ntssss de efa voadika lava be tahak'izao akia ilay izy vao nety nivoka koh!!:(
Asaivo manao kômbà réel ê
de andao dadabe no atao arbitra :-D:-D:-D:-D
16. Veloo ( 27/02/2006 18:19)
:-D
17. watafon ( 27/02/2006 19:02)
tsy mifandanja raha asaina miady e!na asaina ampian'i zefa albert i Didier sa ? :-D:-D:-D
18. Veloo ( 27/02/2006 19:08)
reo no mitovy lo tokotrany kle :-D:-D:-D:-D
19. watafon ( 27/02/2006 19:12)
eka !zany mihitsy !:-D
20. Fiffi ( 27/02/2006 19:27)
de aleo zany didier contre zafy ? de lasa iaza dadabe atao arbitre aloha sa i watafon ? :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1767