teny gasy sy vazaha...

1. isrine ( 25/02/2006 13:54)
Akory aby e!
Fa maninona isika no manao attention @ teny vazaha fa kosa tsy mitandrina ny teny gasy
Raha izany teny ampiasaina eto izany dia mila tsy ho fantatra mihitsy ny hevitra tian'ny namana sasany ambara, kanefa nataoko fanahiniana tsara ilay hoe " viole", dia iza no tsy nahatsikaritra?
Nahoana raha mba ny tenintsika no tandremana tsara?
Izay ihany o, @ manaraka indray e.
novalian'i isrine ny 01/03/2006 12:28
2. fiaritiana ( 25/02/2006 15:00)
Marina tokoa io tsikera io, varimbarian ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso
3. lapino ( 25/02/2006 17:32)
isrine:

Akory aby e!
Fa maninona isika no manao attention (1) @ (2) teny vazaha fa kosa (3) tsy mitandrina ny teny gasy (4)
Raha izany teny ampiasaina eto izany dia mila tsy ho fantatra mihitsy ny hevitra tian'ny namana sasany ambara (5), kanefa nataoko fanahiniana (6) tsara ilay hoe " viole", dia iza no tsy nahatsikaritra?
Nahoana raha mba ny tenintsika no tandremana tsara?
Izay ihany o (7), @ (2) manaraka indray e.


(1): atao anaty farango sosona rehefa teny vahiny: "attention"
(2): tsy misy amin'ny teny gasy ny a lava rambo: amin'ny
(3): tsy afaka mifanarakaraka ny "fa" sy ny "kosa": fa tsy mitandrina kosa
(4): tokony misy baraingo eo: ?
(5): endrika ho avy: tiana hambara
(6): "fanahy iniana"
(7): tokony misy satroka ilay o : "Izay ihany ô"

Raha tena hotandremana ilay teny gasy, mety mbola tsy ampy aza ireo, fa sarotra ihany ange ny tena hahavitàna manaraka fitsipika tsy midila mihitsy e! :wink::wink::wink:

Fa marina mihitsy ny tenin'i isrine ny amin'ny tokony hanaovana ezaka hampiharana an'ireo fitsipi-pitenenana sy tsipelin-teny marina.

Eto amin'ny forum aloha tsy dia mandratra maso ihany ny fahadisoan-tsipelina. Kanefa mbola hita foana ireny amin'ny karazan-dahatsoratra samihafa (tononkalo, tononkira, lahatsoratra an-gazety, tantara, sns ...).

Fa tsy azoko aloha ny tian'i isrine hambara amin'ilay hoe "manao attention @ teny vazaha" e.
4. Ragadona ( 25/02/2006 17:34)
Tena marina io fanamarihanao io ry Isrine. Ary ny tena mahagaga ahy dia ity : refa misy mpiray firenena mihaona dia tena anisan ny rehareha ny fananana tenim pirenena ifandraisana tsy am pihambahamba(afa tsy hoe misy namana hafa tsy mahazo eo dia mba atao amin ny teny iombonana). Mampalahelo anefa fa dia be ny gasy no hita hoe menatra amin ny tenindrazany rehefa aty ivelany. Ho an ny bado ny teny gasy, izay no milentika ao an tsaina na dia tsy voateny mivantana aza(Iza angaha no nandetika an io ?).Tsy mahagaga noho izany raha tsy hivaky loha zay soratra amin ny teny malagasy ihany koa. Ny tovovavy aty an dafy no tena be tratran io aretina io.Tsy ny rehetra kosa anefa alo fa misy koa ireo mahafinaritra, sady mahafehy ny an ny hafa no voavolavolan ny hanitry ny azy.
5. pissoa ( 25/02/2006 18:47)
Hihihi - i Pissoa dia isan'ny olona mpanoratsora-poana (raha izay no azo ilazana azy) eto amin'ny dinika :oops::oops:

Tsy hoe fanaovana tsinontsinona na tsy fitiavana ny teny Malagasy akory izany. Fitiavana hiteny amin'ny teny Malagasy no ahatongavana eto amin'ny serasera. Rehefa miresaka anefa dia tsapako hoe miaina kokoa (reel) ny resaka sy ny sangisangy atao rehefa mampiasa an'ilay "Ca s'ecrit comme ca se prononce".

Ohatra hoe rehefa te hidongy na hihanta kely izao i Pissoa dia ataony mitarika ilay feo o amin'ny koa ... dia rehefa soratana dia lasa hoe "Nareo kooooooo" :-D ... fa raha manoratra aho hoe "Ianareo koa" ... dia mety mifangaro amin'ny hoe "Ianareo koa" :roll:

:-*:-*
6. Fiffi ( 25/02/2006 21:05)
hay tena misy mpampianatra tsara be kosa eto eh! :)
7. lapino ( 26/02/2006 00:12)
Hay misy ifandraisany amina resaka atsy ambadika izany le izy: http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m43ff012eacb75 , dia izay no tsy nahazoako azy teo :)
8. vancleef ( 26/02/2006 01:32)
Amiko aloha dia tsy tara mihintsy ny mahay sy miteny frantsay na anglisy na teny vahiny hafa indrindra amin\'ny andron\'ny Internet izao. Ireo gasy menatra miteny gasy aty hivelany dia tsy ny ankampobehany fa ireo mba nahita fianarana kely fotsiny dia mba te-higesita. Ary ireo izay sarotiny amin\'ny fitenenana teny gasy dia jereo ange fa olona mahay sy nianatra sy nivaotra tamin\'ny teny vahiny daholo izy ireo ary tsy tiany hivaotra ahoatr\'azy ny sasany sady amin\'izay maka ny fomba raty ny frantsay ohatra mandika ktoatoa ny vaobolana amerikanina Walkman lasa baladeur nefa Walkman marque déposée an\'i Sony sns sns ...
Amiko dia forum eto fa tsy fianarana teny gasy na dia tsara aza tsy misy hadisoana izay soratana ary ny hevitra noho voalohany fa tsy ny tsipelany. Matetika aho kao manao adisoana fa rehefa lasa dia tsy hafaka manoava intsony satria tsy misy Preview eto amin\'ny forum.
Ary amin\'nilay hoe
tsy misy amin\'ny teny gasy ny a lava rambo
tsy afaka manana e-mail intsony izany amin\'ny teny gasy ? na ny frantsay sy ny amerikanina sy ny sisa satria tsy ao amin\'ny abidia gasy, frantasy na amerikanina io litera io faha ao amin\'ny iso-8859-1, utf-8 fotsiny ?
Ny zavatra manikira aho fotsiny eo amin\'ny forum indraindray dia ny language SMS fa tsy eto ihany
9. Herimiafina ( 26/02/2006 01:35)
:roll::roll::roll::roll:
10. Fiffi ( 26/02/2006 07:21)
fa ireo mba nahita fianarana kely fotsiny dia mba te-higesita
:roll::roll::evil::evil::evil:
11. watafon ( 26/02/2006 07:22)
Sarotra sady hanahirana kosa aloha ny tsy handiso tsipelina eto e; fa hihezahana atao raha mety: ny ahy indray aloha dia izay mahahaingana azy no ataoko e fa azon'ny olona kosa anefa 'zay soratako!
tsy mety zany zao ty soratako ty ra azoko tsara !!!:roll::roll::roll:
12. Fiffi ( 26/02/2006 07:24)
Ireo gasy menatra miteny gasy aty hivelany
ary ianao hono ry vancleef aiza ho aiza no misy anao @ ireo voalazanao ireo ?
13. watafon ( 26/02/2006 07:26)
:roll::roll::roll:
14. gozy ( 26/02/2006 08:25)
:?:Ka tsy vitsy koa anie ireo malagasy milaza fa tsy mahay teny gasy indrindra moa fa hoe any Andafy zay "Aoka fotsiny re Ramalagasy Ô¨"
Zay ihany fa dia mirary soa ho antsika jiaby
15. isrine ( 26/02/2006 08:28)
Marina ny voalaza rehetra.
Tsy voatery hoe hanaja tsipelina sns, fa kosa mba tandremana e, mba atao izay hahazahoan'ny olona ny tiana ambara.
Mty tsy misy @ teny gasy tokoa ny " @ " fa iza no gasy tsy mahalala fa " amin'ny " no tiana ambara, iraisan'ny gasy io.
16. lapino ( 26/02/2006 08:50)
vancleef:
Ary ireo izay sarotiny amin\'ny fitenenana teny gasy dia jereo ange fa olona mahay sy nianatra sy nivaotra tamin\'ny teny vahiny daholo izy ireo ary tsy tiany hivaotra ahoatr\'azy ny sasany sady amin\'izay maka ny fomba raty ny frantsay ohatra mandika ktoatoa ny vaobolana amerikanina Walkman lasa baladeur nefa Walkman marque déposée an\'i Sony sns sns ...

Raha azoko tsara izany dia hoe: asaina miteny gasy ny olona mba tsy hivoatra? :?::roll::? Diso kosa ny fandraisana azy raha izay e!
Sady tsy misakana tsy hitenenana teny vahiny koa ange ny fitenenana teny gasy, saingy amin\'ny sehatra natao ho malagasy dia mijanona amin\'ny teny gasy no ampiasaina e.
Ilay resaka voambolana indray, azoazoko ny tian\'i vancleef hiaviana, voaray e! :) Mendrika adihevitra manokana mihitsy indray angamba iny.
vancleef:
Amiko dia forum eto fa tsy fianarana teny gasy na dia tsara aza tsy misy hadisoana izay soratana ary ny hevitra noho voalohany fa tsy ny tsipelany.

Tsy hoe fianarana teny gasy akory ka. Raha izany manko dia nahazo koa i vancleef :wink:. Fa i isrine nanokatra lohahevitra no mitady ny hitandremana ny teny gasy satria nisy tsipelina teny vazaha nahazoany fanamarihana tatsy ambadika. Ireo fanitsiana vitsivitsy ireo dia hanehoana fotsiny fa tsy àry ho voatandrina daholo ny fitsipika malagasy rehetra satria na izy sarotiny amin\'ny fitandremana teny gasy aza tsy mahatandrina tanteraka. Noho izany dia tokony tsy dia ho sarotiny loatra.
Raha eto amin\'ny forum aloha dia araka ny voalazanareo hoe ny hevitra alohan\'ny tsipelina, miombon-kevitra amin\'izay aho. Sady midila amin\'ny karazana fitsipiky ny teny koa ange rehefa manisy aina an\'ilay resaka e! pissoa :wink:
vancleef:
tsy afaka manana e-mail intsony izany amin\'ny teny gasy ?

Ilay resaka a lava rambo io. Tsy hoe tsy azo ampiasaina akory io, fa raha hitandrina teny gasy dia diso ny nampiasana azy teo. Sady ny fanoratana e-mail na fampiasana karazana marika hafa ireny dia efa midila amin\'ny tsipelin-teny malagasy, na mety misy sampana manokana amin\'ny teny malagasy momba an\'ireny tsy haiko.

Fa na ahoana na ahoana aloha, tokony mba manao ezaka ihany manaraka fitsipika rehefa manoratra teny gasy. Na tsy teny gasy koa aza fa rehefa manoratra fotsiny.

Fiffi: i vancleef aloha tsy menatra miteny gasy satria tsy voasakan\'ireo fahadisoan-tsipelina :wink:. Jereo ny adiresin\'ilay sary!!
17. Fiffi ( 26/02/2006 10:48)
watafon: :-D:-D :-*
lapino: fa izao kosa aloha an! marina daholo izany voalaza zany saingy somary lasa kely ny heritreritro hoe: mety mba misy namana mba te hanazava sy hiteny izay tiany nefa dia raha nasiay teny frantsay kely ilay izy dia afapo tsara izy hoe izay mihintsy ilay tiako lazaina. na somary teny vary amin'anana kely , ka raha toa ve ka manao an'io dia tonga dia hoe migesta ? na inona aloha no idiran'io koa hoe: mba nahita fianarana kely sns... ?
Ilay izy koa @ fiheritreretako azy ohatra'ny mandeha ho azy ilay izy. Ny teny gasy koa anie maro no nalaina avy @ teny frantsay fa tsy misy dikany tena hoe teny gasy marina eh! ohatra: seza=chaise sa ve noforonina ireny fa tokony lazaina hoe: chaise=seza=fipetrahana ? dia diso hiany izany raha miteny hoe seza koa!
18. fasaly ( 26/02/2006 11:55)
zà kalou rankizy de mifona fa tsy mahatandrina ny hanao tsipeli-teny tonga lafatra eto a!
mandalo fotsiny de mamela hevitra de lasa e!
araka ny voalzan'i watafom io:°)


ragadona: efa nahita gasy menatra miteny amin'ny teny malagasy angah enao??????:roll:
19. onjah ( 26/02/2006 12:23)
Marina daholo izay voalaza ry zareo an.

Ny ahy manokana aloha dia miezaka ny manoratra araka ny tokony ho izy sy araka ny fahalalana izay efa hananana.

Indraindray anefa dia mety ho diso ihany satria na tany ampianarana aza dia tena efa ezaka be izany mahazo naoty ambony izany amin\'ny taranja malagasy, matetika no ambanin\'ny isa 10/20 no azo rehefa manao fanadinana ireny.

Sady raha tsy misy manitsy koa anie tsy fantatra hoe diso sa marina e.

Ity zao nisy hadisoana nataoko tany ampianarana izay nahitsin\'ilay mpampianatra anay tamin\'izany fotoana izany nefa dia tena be mpanao ilay izy, hany ka tsaroako foana.
mihiNtsy : Hoy ilay ramose nanitsy ahy ambava tamin\'izay \" tsy mihitsy mihitsy ny mihitsy raha misy N \".

Ny mampalahelo dia lasa atao ambaninjavatra ny fitenin\'ny tena, nefa atao ahoana moa samy manana ny fiheviny ny tsirairay.

20. Veloo ( 26/02/2006 18:06)
tsssssss rehefa mahafantatra ny dikany sy ny idee an;ilay resaka dia izay ihany kle... tsy manao examen ato :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2512