Ireo karazana teknolojia vaovao amin'ny fiara!

1. Herimiafina ( 25/02/2006 02:52)
Raha hitarina kely ny saina de maro ny teknolojia vaovao hita amin'ny fiara ankehitriny, araka ny efa hita teo amin'ny dinika teo aloha (maotera rotatif, maotera hybride, DVD, sns). Ndeha ary ho tohizana.

Ny ahy ny mahagaga ahy manokana dia irony Manette lavalava irony izay mahasolo ny volant ary natokana ho an'ny kilemaina. Misy manette iray mipetraka eo akaikin'ny varavarana ary feno bokotra io manette io ary dia hita eo daholo na accelerateur na vitesy na frein. Tsy mbola haiko ny performansa-ny. :roll::roll:
2. Ralay ( 25/02/2006 04:18)
Mitovy @ fiara rehetra ihany io fa ny komandiny fotsiny no miova ho eo @iny zavatra iny.Toa izany koa ny fiara natokana ho an'ny handicapé tongotra dia en double eo @ manodidina ny volant eo daholo koa ny komandy rehetra (accelerateur, frein)
3. Fiffi ( 25/02/2006 05:52)
tsy mahay 8O8O8O
4. Rafiombonana ( 25/02/2006 10:26)
Fiara toy io tenen Ralay io no fitondran ilay mopera iray kilemaina any Fianarantsoa izay. Tsy afaka manao n inon inona ny tongony dia eo amin ny tanana daholo ny rehetra. Efa manodidina ny 8 taona eo no nampiasany an io fiara io.Nidiran andro izy tamin iny faraparan ny taona iny fa nikatso tampoka ireo zavatra ireo teny an dalana ka accidenté tao avaratr Ambatolampy tao raha avy aty Tanà ka nikasa hiverina any Fianara.
5. lapino ( 26/02/2006 15:12)
Resaka securité koa izao no misy teknolojia vaovao. Tsy haiko daholo fa henohenoko fotsiny:
- fomba fahitana amin'ny alina mampiasa infrarouge
- ilay capteur mijery raha mihoatra ny tsipika fotsy eny amin'ny lalana

Misy dokam-barotra citroën izay misy daba mandeha mafy be no sendra karazana olana, ilay daba afaka fa misy matoatoany mandeha midofotra. Tsy haiko hoe inona no fitaovana securité am'reny.
6. Herimiafina ( 03/03/2006 17:00)
8)Azoko tanisaina eto ihany koa ireo fiara General Motors izay nasiana AirBag misy téléphone automatique na paget.

Ka raha sendra ny loza ohatra ka mivoaka ny airBag de tonga dia miantso automatika any amin'ny urgence ilay fiara dia localisé-n'ny mpamonjy voina avy hatrany ny misy azy. 8)
7. fijo ( 04/03/2006 18:20)
fiffi an,sao dia handicapé saina izany tsy mahay izany,hohoho
8. jossy1 ( 05/03/2006 12:58)
Raha johiana daholo izany ny teknolojia vaovao hita sy nanitikitika ny rehetra teo dia azo lazaina fa voabaikon'ny sain'ny zanakolombelona tanteraka ny resaka masinina è sady mba afaka mampiasa io daholo na ny malemy na ny tomady fa mila fahamailona ihany koa .
9. ambivotra ( 14/03/2006 14:29)
izany teknolojia rehetra izany sao dia mba hitarika amni'ilay guerre des mondes n'i Tom Cruise ?
10. bilakarenjy ( 15/06/2006 18:35)
ireo technologie noforonin'ny manam-pahaizana ireo no tonga amin'ilay fitenin-dry zalahy efa mahay hoe :MANAMORA ZAVATRA MBA HO SAROTRA.:-w:-w:-w:-@:-@:-@:-$:-@:-$:-@:-@
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3969