mahery Andriamanitra

1. navalh ( 23/02/2006 23:32)
(l)Moa mba azontsika eritreretina ve ny antony izao fisiantsika izao ' aza asiana rsk philo an!.
tsotra angamba satria tia antssika ANDRIAMANITRA. nahoana izy no atao hoe mahery : satria be fitiava ary ny fitiavana de mahery noho ny zvt rhte! tsy misy tsy vitan' ny fitiavan rehefa zvt rht + satria koa izy irery ihany no afaka manome sy mamonjy antsika @ zvt rehetra noho ' lay fitiavany lehibe de lehibe (l);ao aminy irery ihany no misy ny tena fiainana maharitra mandrakizay. I zy no naniraka ny zanany lahitokana hofaty hisolo ny fahotantsika ary koa mbola naniraka ny fanahy masina hitaridalana @ izay rehetra hatao eo @ vie .
novalian'i marozevo ny 23/03/2006 00:25
2. marozevo ( 24/02/2006 00:01)
Marina izany eh..
Fa nahoana kosa no ferana dieny mialoha hoe aza asiana philo eh ?
Aleo samy hiposaka eo daholo ny hevitra fa aza asiana censure mialoha. Efa nilaozan'ny toetr'andro izany.
3. Veloo ( 24/02/2006 01:48)
izy no nanao an;izao tontolo izao ko:wink:
4. fijo ( 24/02/2006 04:15)
raha mahery izy nofoanany ny sida sy ny gripam borona,fa malemy izy dia tsy misy vitany hafatsy ny mampalemy sain'olona koa
5. Fiffi ( 24/02/2006 05:37)
6. jentilisa ( 24/02/2006 08:33)
anjaran'ny olona ny manafoana izany raha te-hiadana amin'izany izy fa na inona na inona zavatra eto an-tany tsy nisy nataony tena lavorary izany! fa mampieboebo ny fahalavorariana ka izay no zavatra ratsy indrindra! ny aretina entina hanehoana fa mbola misy ny tsy mahalavorary ny olona...
Filô izany ry navalh dia tsy azoko soratana ve?
7. ndrena ( 24/02/2006 12:33)
Mahery A/tra,tsy azo lavina izany ary ny zava-misy @ izao fotoana izao dia tsy midika fahalemen'A/tra fa fanehoana aza fa misy Izy.Tsy tokony jerena @ lafiratsiny ihany mantsy ny zava-miseho fa tokony halaina ambony alaina ambany.Mahery A/tra fa raha tsy izany tsy izao no zava-nisy.
8. jentilisa ( 24/02/2006 12:50)
tokony hazava tsara ny mamapahery an'Andriamanitra. Tokony hofantarin'izay miteny hoe aiza ao amin'ny baiboly no misy teny hoe mahery Andriamanitra ary lafiny manao ahoana no mampahery azy?
9. ndrena ( 24/02/2006 12:53)
Ny fahaitana ny zava-boahary,ny herin'A/tra mihazona izao tontolo izao @ teniny...mahery A/tra ka
10. marozevo ( 24/02/2006 23:32)
Tsy mahery fotsiny Andriamanitra, fa NAHERY INDRINDRA. Betsaka anie no mahery na nilaza azy ho mahery eh... fa nindaosin'ny fotoana. Fa Andriamanitra tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
Entre-pà... miarahaba an'i fijo tonga indray.. elaela izany.
11. fijo ( 25/02/2006 04:48)
amiko aloha dia tsy misy andriamanitra e,ary raha sanatria ka misy aza,dia variana matory miesona fotsiny.
12. ndrena ( 25/02/2006 05:49)
Hevitra ka aroso izany fa :TENA MISY ANDRIAMANITRA ARY TSY MBA MATORY NA RENDREHANA IZY FA MIHAZONA IZAO TONTOLO IZAO AMIN'NY TENINY
13. dadabe ( 25/02/2006 06:37)
hummm I Jesosy Kristy zanany ihany koa mahery ka
14. marozevo ( 25/02/2006 23:42)
Ny an'i fijo efa fantatra hatry ny ela ny heviny momba ny finoana, ka izany no niarahabako azy manokana teo. Tsy dia mahataitra ahy io teniny io.
15. miranto ( 01/03/2006 07:45)
Tena marina fa mahery Andriamanitra,ary tsy misy azo hoarina aminy, raha namaky ny baiboly ianao de ho tsampanao ny heriny sy ny halehibeny ,ohatra akaiky raha namorina izao tontolo izao izy de niteny fotsiny ary raha ny aintsika olombelona aza anie mbola eo ampelatanany e,tsy misy hafaka ny hada azy na ny tena manambola be na ny tena manampahaizana be fa rehefa miteny izy tsy maintsy tanteraka ka iza ary no azo hoarina aminy ? fa tsy mba sasatra tahaka antsika olombelona efa sepotra sy mandany fotoana sy andro ary efa mitsory daholy ny hatsembohana vao mahaforina zavatra kely iray mba tsaratsara,
Ny @ aretina indray de izao navelany ho ety amintsika ny aretina mba hitodiantsika aminy , isika olombelona mantsy tsy mba mahatsiroa an\' ilay mpamorina raha tsy misy mahazo sy manahirana , ka nefa isika olombelona dia tena tiany satria raha ny endrin-tsika aza de noforoniny tahaka ny hendriny , ary nataony hiaina sy finaritra sy hiadana tahak\' azy isika fa noho ny fahontatsika (nanomboka t@ adama sy eva )no nampisaraka antsika aminy ka izany no nahatonga izao fahorina sy aretina maro ety amintsika izao,de navelany ahazo antsika ireny mba hitodiantsika ,sy hitadiavan-tsika azy de mba hamonjeny antsika sy hanehoany ny heriny, fa nany fahafatesana aza anie efa resiny ,midika izany fa tsy misy toa azy intsony intsony
izay no mba hany fantatro fa mirary soa antsika rehetra,
16. marozevo ( 02/03/2006 15:27)
miranto.... tout à fait d'accord avec toi.
17. bichette ( 02/03/2006 16:21)
miranto merci
18. Fiffi ( 02/03/2006 19:24)
Mahery Andriamanitra Mandrakizay Doria Amen
19. marozevo ( 07/03/2006 01:55)
Dieu est Puissant, Tout-Puissant, eternellement, Amen
20. dadabe ( 07/03/2006 05:16)
amen
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1683