mangataka torohevitra

1. routa ( 22/02/2006 17:15)
mananjanaka aho te hiditra ao centre de formation de foot ball zahay nefa tsy mahalala ny adiresy tokony hidirana sao mba misy afaka anampy azy de misaotra mialoha mangataka torohevitra koa izy.
ny toerana ilainy de france.
novalian'i routa ny 28/02/2006 03:28
2. diamondra27 ( 22/02/2006 18:35)
etsy vincennes akia ry rota a!
3. diamondra27 ( 22/02/2006 18:43)
jereo ity: www.boisdevincennes.com

de mazotoa an!
de aza adino za refa manao match ny ankizy fa hijery

:-*:-*
4. diamondra27 ( 22/02/2006 18:47)
de midira @ forum , raha te-hijerijery
5. Fiffi ( 22/02/2006 19:44)
na eny @ marie hipetrahanao hiany koa anie dia efa afaka ahazohanao toro-hevitra eh! misy koa ny association fa anontanio hiany ny marie eh! any ary ahazahoana miditra ho prefessionnel kely mihintsy ko!
6. Samoana ( 22/02/2006 20:17)
Matoa ny zanak'i routa te hiditra centre de formation dia satria mahay sy tia baolina kitra.
Mahay sy tia izy, izany hoe milalao amina club ao La réunion misy anareo. Mbola tanora latsaky ny 16 taona izy izany ?!
La Réunion département frantsay ihany ary efa maro ny iraka mpitsikilo alefan'ny club pro vazà etsy sy eroa mba hisivana ny "perle rare" mbola tanora.
Raha sendra misy manontanintany eny @ sisin'ny kianja hoe "iza ny ray aman-drenin'io zazalà mahay io " de hitaro ny resaka fa mety recruteur izay !
Raha tsy mbola nisehoan'izany indray dia aza kivy raha tsapa tokoa ny fahaizan'ny kilonga. Ampidiro @ moteur de recherche ny anaran'ny club pro samihafa rehetra eto Frantsa ( Division 1 sy 2 ) fa manana centre de formation avy izy ireo. Alefaso ny CV-n'ny ankizy miaraka amina horonan-tsary hanamafisana ny fahaizany . Raha mahaliana ny centre dia tsy maintsy convoqué ny zaza hitsapa talenta ao @ ilay centre.
Farany dia tsarovy fa joueur iray sur 2000 eo no misy chance ho lasa pro @ centre de formation eto frantsa fa ny sisan'izay chomeur. Ny tiako lazaina @ izany dia aza asiana négligé-n'ny ankizy ny fianarany na tiany sy mampanofinofy aza ny kitra:D.
Tongava soa @ izay iriana e !
Amen.
7. Fiffi ( 22/02/2006 22:00)
8. routa ( 23/02/2006 01:18)
zaho no hamaly aloha satria ny anarako no nantiny ka de manolotra ny fisaorana bedabe fa tena tsy irery eto @ sera2misaotra anareo daholo
misaotra diamondra27,Fifi,samoana:-*
tena tia manao baolina be izy ary efa nisoratra anarana @club fa de tena tia be izy koa efa 14ans tsy itako ny hitatarako azy fa de tena io fona n ao an-tsainy fa de aleo izy no hamaly sy hanontany zay tsy azony eo de mbola misaotra ndray an!:D
9. Fiffi ( 23/02/2006 05:26)
10. jentilisa ( 23/02/2006 05:41)
Sao dia ny aty amin'ny ajesaia no mety aminy? :°)
11. routa ( 23/02/2006 12:09)
slt a tous je suis le fils de routa desole car je ne sé pas ecire en malgache mais je comprend bien je vous remerci a tous de nous soutenir nous les jeunes qui sont fou du foot ball .Je suis entrer dasns le site que vous m'avez donné mais je ne comprend pas trop pouvez vous m'exipliqué svp
12. Samoana ( 23/02/2006 16:27)
maman routa/ Aleo aloha ianao ihany no manao interprete fa rehefa malaladalaka aho mamaly ny ankizy manokana:D
Misy tanora mitovy taona @ routakely aty @ tanananay ary zidane no surnom -ny satria talenta tsy manam-paharoa ny azy ary isaky ny misy fotoana kely izy dia baolina no hita eny an-tongony eo an-tokontany mandrapahamaizin-kitroka ny andro. Dia hitan'ny Olympique de Marseille (OM) izy ary nampanaovina test 3 andro tao @ centre de formation. Tsy nisy nokianina ny épreuve technique sy physique-ny saingy tsy notazomin-drizareo anefa izy. Satria nahoana ? élève moyen izy any am-pianarana ary be lesoka be HONO eo @ expression écrite. Teneno ny kilonga fa mbola mibahan-toerana lehibe ny fianarana na any @ centre aza ary mila mpianatra tena matotra tsara.
(Mitovy taona @ ahy ny zanakao:wink:)
13. routa ( 24/02/2006 03:03)
izy mbola lasa nianatra, misaotra ny @ anatra nomenao, ny ankizy @zao fotoana zao manko de kamokamo zay hiany nefa ny fianarana no tena antoka ho andreo rehefa lehibe .
14. Ralay ( 24/02/2006 03:17)
Marina daholo ny voalazan'i samoana io fa tsy misy hanampiana intsony na hanesorana fa dia mahereza ianareo RAR-ny hamporisika azy @ fianarana na dia tia foot aza ny ankizy.
15. Beinjy ( 24/02/2006 08:57)
routa:

slt a tous je suis le fils de routa desole car je ne sé pas ecire en malgache mais je comprend bien je vous remerci a tous de nous soutenir nous les jeunes qui sont fou du foot ball .Je suis entrer dasns le site que vous m'avez donné mais je ne comprend pas trop pouvez vous m'exipliqué svp

Eny st Denis la redoute no to misy centre io fa mba jereo lo ao Champ fleuris ao @ O M S fa ao afaka manoro anao tsara

16. LazaRandri ( 25/02/2006 00:37)
Samoana> marina mihitsy izany! ny zanakay zao tsy avela manao boules intsony! hahaha.
17. routa ( 28/02/2006 03:28)
Laza-Randria>fa naninona?izy ndray mianatra fa vao maika tena nahafaly ahy ny nahitany ity hevitra atolotrareo ity @zay izy milofotra mianatra tsara ,efa ao @club izy zao
Benjy>misaotra ny @ fanoroana toerana e!
sarokenatra koa le zaza de mamaky fa tsy de mamaly lotra de misaotra betsaka anareo e!:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3992