mora sa sarotra ny fanarahana ny didin'Andriamanitra?

1. jentilisa ( 22/02/2006 07:24)
Mba lasa saina tokoa aho. Mora sa sarotra ny fanarahana ny didin'Andriamanitra? rehefa nandinika aho dia araka ny olona sy ny finoany ihany izy io. Misy ny manamora ary misy ny manasarotra.

Fantaro hoe inona avy ny didy arahinao dia fantaro raha mora izany na sarotra?
novalian'i marozevo ny 25/02/2006 23:47
2. pika ( 22/02/2006 10:01)
@ akapobeny dia azo lazaina hoe mora rehefa miaraka @ fanahy masina saingy @ maha olombelona ny tena oh dia indraindray sarontsarotra ihany
sarotra oh ny hamaly soa izay nanao ratsy t@ tena, ny tsy handainga mihitsy nefa ny marina rehetra hono indraindray tsy filaza, .......
3. farah ( 22/02/2006 12:34)
Oy enao oe misy ny manamora mis ny manasarotra, nefa ane ny didy de izay e! Amiko manokana lou de tena sarotra nefa Ilay Tompo kou tsy mandao rambola miantso azy enao e! Zany oe: refa matoky Azy enao de mora iany io e! Ny mandresy ny fanka-panahy ane no tena ilaina e!
4. cutie ( 22/02/2006 12:41)
sarotra raha manaraka an'le didy enao , tsy sarotra ndray raha tsy manaraka. :P
5. sonwin ( 22/02/2006 12:46)
:^):-D
6. cutie ( 22/02/2006 12:48)
manin ry sonwin, tsy marina njay ve zany e :-D
7. sonwin ( 22/02/2006 12:54)
marina mihitsy ka, mahay mamaly toi ka :-D:-D
8. cutie ( 22/02/2006 12:59)
ndraso za hianjy an'i reaction an;i jentilisa :-D
9. sonwin ( 22/02/2006 13:09)
mino aho fa efa niréagir izy fa tsy nitsiky tsy niteny tsy nihomehy :-D:-D
10. cutie ( 22/02/2006 13:09)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D
11. Veloo ( 22/02/2006 14:58)
jentilisa a jereo atsy @ didy folo fa efa novaliko io
12. Veloo ( 22/02/2006 15:03)
aleo alaiko fa tsy ho itan'i jentilisa ilay izy.

ary ny didy folo dia tsy ho tanterak'isika mihitsy..zany oe sarotra amitsika no hanaraka an'ilay izy zany no nahatongavan;i jesosy teto an-tany dia naka ny otan-tsika rehetra. Ny zavatra tokony ataon-tsika dia ny manaiky @ fo manontolo an'i Jesosy fa mpamonjy atsika. ary mihezaka @ fo monontolo ny tsy andika ny lalana. Rehefa solafatra isika dia eo i Jesosy hanarina antsika raha manaiky azy isika...
13. Fiffi ( 22/02/2006 17:00)
na dia ao aza ny fiten'ny Ntaolo hoe " tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto" misy hiany ny zavatra tsy ho azontsika tanterahana, na dia samy manao izay azony hatao aza ny tsirairay , toa tsy ho vita ny fanarahana io didin'Andriamanitra io. Raha dinihina ny fianan'i Jesosy ohatra dia samy mahita isika rehetra fa tena sarotra tokoa ny hanarahana azy fa ao i Jesosy mahita izay hataontsika @ izany ary hitsara antsika tsirairay.
14. Veloo ( 22/02/2006 17:05)
fiffi a ie zay ka
15. booboo ( 22/02/2006 19:44)
Amiko klou sarotra velona e ! sady ndraindray tsy azo, tsy araka sady tsy mazava amiko mitsy ny tiany tenenina ( ao @ Baiboly ) fa mahatoky fotsiny zà hoe Fanahy mahery, oun, no omeny sady koa mampianatra.
16. Fiffi ( 22/02/2006 20:00)
booboo: =D=D zay marina!
17. marozevo ( 22/02/2006 23:25)
Tena sarotra io eh... lainga lainga fa màzana ny tena hoe hanaraka an.tsipirihiny ny didy. saingy fantaro, fa "Mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo".
18. eprom ( 23/02/2006 04:04)
Arakaraka :
Raha fôpla le sipa de mora ny manaraka le hoe "aza mijangajanga", fa raha milay de sarotra. :wink:
19. mimi ( 23/02/2006 06:21)
amiko aloha raha miaina fiainambavaka ianao dia ho mora ny manaraka ny didin'ANDRIAMANITRA satria voalohany indrindra vao mihiratra ny masonao @ maraina tonga dia tafaresaka sy velompisaorana ary mametraka aminy indray ilay tombonandro azonao dia mitalaho ny tanany mahery mba hitantana ny fiainanao ka na ho mora na ho sarotra dia hiankina aminy foana @ alalan'ny fanahy masina tsy mandaha aho fa @ maha olombelona dia latsaka ao anatiny fandrika foana fa raha tena miorimbavaka ianao dia mahatsapa ny bitsiky ny fanahy masina ka raha sendra fakapanahy ianao dia tsapanao mihintsy fa hoatrany resinao ho azy tena tsy takatry ny sainao tsotra izao ny tsy nahalavo anao. Izay aloha no tsapako @ fiainako e.
20. jentilisa ( 23/02/2006 12:49)
Ny didy dia misy maro isan-karazany, ny nahatonga ahy hametraka hoe lazaina ny didy lazana ho asrotra na mora mba hisian'ny fiavahan'ny sarotra sy ny mora.

Misy ny mametraka ny didy ho sarotra satria izy rehetra avy hatrany no lazainy. Misy indray ny mamaritra ilay didy sarotra na mora avy hatrany.

Raisiko ho ohatra: mora ny manaraka ny teny hoe tiava ny namanao ary tsy tokony ho atao baiko akory ary izany; fa sarotra ny manaraka ny didy hoe tiava ny fahavalonao ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo saria ny mifanohitra amin'ny baikon'ny fo no izany.

Dia toy izany no tiako avoakantsika tsirairay avy!

Misy koa ity manaraka ity: ny didy ao amin'ny testamenta vaovao no sarotra sa ny didy ao amin'ny tstamenta taloha?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2457