feno mpivarotena gasy ao la réunion ao...

1. xxx ( 16/02/2006 16:19)
araka ny voavao ao @ wanadoo.mg dia feno gasy vavy mpivarotena ao la réunion ao 30 à 50 euros ny pasazy aiza moa no ho mora ny fahazoana visa e !!!
novalian'i barry ny 06/04/2006 10:04
2. fiaritiana ( 16/02/2006 17:43)
FIVAROTANTENA. 30 euros ka hatramin’ny 50 euros ny « vetivety »
16-02-2006 / 10:16
Volabe tokoa, sady mora azo no raisin’ireny mpivarotena ireny atsy amin’ny Nosy La Réunion.

Niakatra Fitsarana tany La Réunion tamin’ny talata teo ireo mpivarotena voasambotry ny zandary tany an-toerana izay Malagasy ny maro amin’izy ireo araka ny nitateran’ny gazety JIR nivoaka omaly azy. Tamin’ny taon-dasa moa izy ireo no nosamborina.

Hampangaina fa « mikaoty » lehilahy (racolage) eny amoron-dalana eny. Fomba izay voararan’ny lalàna frantsay. Izay tratra moa dia tsy maintsy mandoa lamandy 3750 euros. Amin’io fivarotantena amin’ny fomba efa maoderina io dia 30 euros ka hatramin’ny 50 euros moa ny saran’ny firaisana « vetivety » amin’izany. Lazaina ho maoderina moa ilay izy satria mampiasa fiara mihitsy ny ankamaroan-dry zavavy.

Volabe tokoa no azo ka izany no mahasarika ny vehivavy hanao asa fivelomana an’io fivarotantena io. Rehefa nandalo teny amin’ny tribonaly ny raharaha dia voalaza kosa fa tsy dia mitombina ny fiampangana ireo vehivavy ireo. Tsy voaporofo koa ny fampiasany ny fitaovana, toy ny fiara voasoratra etsy ambony, ny fomba fiakanjo izay mihantsy ireo lehilahy sy ny zavatra maro hafa. Tetsy andaniny , tsy nisy nandà ny zavatra nataony ny rehetra. Tsy voararan’ny lalàna rahateo ny fivarotantena tsotra izao. Io ilay antsoin’ny vazaha hoe, asa tranainy indrindra eto ambonin’ny tany. Rehefa nivoaka moa ny didin’ny tribonaly dia voasazy handoa lamandy 50 euros ireo vehivavy tsirairay. Misy fihenany 20% izany raha mahaloa ny vola ao anatin’ny roapolo andro.

Tsy vitsy ny vehivavy manao io asa io. Tsy ny Malagasy ihany fa hatrany Europe rehetra any dia ahazoana akony izany. Any Italie, ohatra, dia tonga mivarotena ny vehivavy teratany avy amin’ny firenena tatsinanana marobe. Enjehin’ny polisy izy ireny. Tsy voasazy anefa fa roahina hody any aminy fotsiny dia izay. Lasa anefa ny eo dia misisika koa ny hafa.

3. ainaheri ( 16/02/2006 17:50)
Tsy vao androany zany vao2 zany f'efa ela ary atao à la une @ gazety sy tele fona mba angalana baraka ny gasy f'anga mo ny gasy rery no mahay mivarotena??
Fa eran'zao tontolo zao misy io entreprise io doli!!
Araka nolazain'lay mpanao gazety we io ny asa farany zay tranainy indrindra eto ambonin'ny tany!!
4. vegas ( 16/02/2006 19:04)
Misy sary?????
5. xxx ( 16/02/2006 19:25)
aty aminay vehivavy avy any Thailand no bobaka be!
6. Veloo ( 16/02/2006 20:15)
xxx a aiza zany any aminareo zany?:roll::roll:
7. fasaly ( 16/02/2006 21:03)
efa ela anie zany no nisy e! tany la reunion!
marina ange zany ry ainaheri e!
raha ny gasy no manao zavatsa de tsy maintsy asiana resa-be fona,:°)
8. fiaritiana ( 16/02/2006 21:38)
:-D:-D:-D mamoafady ono koa^:^^:^^:^
9. Herimiafina ( 16/02/2006 22:32)
Aty aminay tsy misy makorelina fa ento aty daholo izany klé! hehehehe:-D:-D
10. gasypantin ( 16/02/2006 22:55)
aiza no misy toerana tsy hisy cox le plus vieux métier du monde anie io e
11. Herimiafina ( 16/02/2006 23:20)
Ny aty le mpandihy miboridana ireny no betsaka kah! Fa le mijorojoro toa mbola tsy nahita zah klé, hehehehe=))=))
12. jennifer2 ( 17/02/2006 00:06)
HM! 8O
13. felampaiso ( 17/02/2006 06:20)
Marina tokoa izany ilay voasoratry ny olon-kendry hoe : " Ny vola no fototry ny ratsy rehetra, tsara ny vola rehefa atao hanompo, fa ratsy izy rehefa atao patron ko ! "- Inona ary no vahaolana azo omena ireto mpivaro-tena ireto fa tsy ampy ange ny manakiana fotsiny é !
14. mirana5 ( 21/02/2006 11:33)
asaivo mitandrina ary ry zareo ao sao dia vao mé mitondra aretina any Dago kely é:evil::evil::evil:
15. fasaly ( 21/02/2006 14:03)
herimiafina , ny aty aminay kou tsa misy mpijoro fa ny makorelina aty aminay toy ny entana amidy anaty vitrine de tena manja be dooly zareo tratran'ny jiro fluo renyde mitaingina tabouret kely ao anaty vitrine....tsara jerena be daholo
16. Veloo ( 23/02/2006 20:03)
jenny :-D:-D:-D
17. booboo ( 23/02/2006 20:22)
Herimifina > tsara mijery an-dreo e ? hihihihihi.
Fasaly > aiza zany any aminareo zany fa tiako ho jerena kounkou. Hihihihihi.
18. Herimiafina ( 23/02/2006 21:01)
Veloo :*:*:*:*
19. Ralay ( 24/02/2006 03:24)
Rehefa izay no fomba hitany fa hahavelona azy dia tsy olana fa samy manana ny reviny io,fa raha izaho manokana aloha dia tsy handany vola @ireny mihintsy kle,aleoko mampifali² tena @50€ :lol:
20. sylvain ( 26/02/2006 22:06)
Marina ny anao Ralay tsy aleo ve mandany ny50€ @ revy hafa toa zay hatsefotra vetivety ery @ koaitra.Ny vehivavy koa aloha rehefa tena tsy misy hatokona mihitsy de tsy maintsy zay ny hevitra farany.Mahery ianareo ry vehivavy,mivarotra entana anaty string!:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3491