tody sa ozona?

1. jentilisa ( 16/02/2006 11:58)
Misy ny zava-mitranga izay mampieritreritra tokoa indraindray.
http://femmes.msn.fr/famille/relations/article1/Default.asp
Ahoana ny hevitrao momba io? zary fifanandrifian-javatra fotsiny ve? sa inona no mety ho antony?

variana aho mamaky azy ka dia izao atolotro anareo izao.
novalian'i Veloo ny 23/02/2006 19:35
2. sonwin ( 16/02/2006 13:14)
Izay no nahatonga ny ntaolo nanao hoe "ny tody tsy misy fa ny atao no miverina", ny soa atao levenam-bola ary ny ratsy atao loza miantona" ary raha olona masim-bava no manozona dia tena mandaitra tokoa.Ary tsy tongatonga ho azy akory ilay hoe "Ny tso-drano zava-mahery".
3. mamzelkely ( 16/02/2006 14:20)
mahalasa saina tokoa le izy aa:roll:
4. jentilisa ( 16/02/2006 14:38)
mahavariana ilay Kennedy an!
5. lapino ( 16/02/2006 17:30)
8O8O8O
Tsy manan-kolazaina aho kle! :?:?
6. Veloo ( 16/02/2006 17:55)
ny ozona dia azo rehefa mifandipatra @ zavatra nolazain'Antra ny fomba hivadina etc... arak'ilay lazain'i sonwin =D io ka tsy adalan'ny taolo ny manoratra an'ireny ohabolana ireny... NY GASY ANIE KA MANANTSAINA e.. Raha mahay manaja ny RAD sy ny Antra ny olombelona tsy misy ozona mihitsy..
7. Herimiafina ( 16/02/2006 22:26)
Complexe be io zavatra io, azo raisina ohatra ny fifandraisany amin'ny resaka gène, izay manome karazana toetra manaranaka amin'ny karazan,olona iray.

Ny gène no mitondra ny caractère an'ilay olona, saronan'ny personnalité-n'ny kanefa iny caractère originel iny, ny personnalité no miovaova matetika fa ny carcatère kosa dia fixe sy stable raha tsy misy excitation extérieur na trangan-javatra goavana natoraly na artifisialy mitarika mutation na sommation ka mampiova ny caractère.

Raha ampifandraisina amin'ity resaka ity dia mety manana karazana toetra ireo fianankaviana ireo izay mahatonga azy tandindomin-doza toa izao.

Ohatra: raha tsotra loatra ianao ka lié amin'ny carcactère-nao izay fa tsy ny personnalité-nao, izany hoe tsy afaka miova dia tangoronan'ny mpanararaotra ohatra. de izay.
8. jentilisa ( 17/02/2006 04:40)
ny zavatra mahagaga amin'ity zavatra iray ity dia ilay hoe ny taranaka rehetra zazalahy latsaky ny telo taona dia misy matin'ny rano hatrany!

Asa ianareo raha naheno fa efa nisy ihany koa tanàna any Brésil tsy mety ho tompon-daka intsony noho ny ozona nataon'ilay mompera tao rehefa tezitra izy nahita ny olona nifaly sady niboridana...sa lasa an-tsaina ilay zavara dia iny fa tontosa ho azy?
9. Herimiafina ( 17/02/2006 18:41)
Auto-suggestion indray izay. Averimberin'ny saina matetika de lasa mitranga tokoa ilay zavatra!8)
10. ravakamalala ( 17/02/2006 19:00)
marina tokoa io ry herimiafina fa za am fiainako misy zavatra saintsainiko matetika dia io fa mitranga tokoa, zavatra fantako fa ho possible aloha fa tsy d hoe revin gadra koa aloha, hany ka indraindray tena iniako alavirina ny eritreri dratsy, nefa koa anie : "ny hamisavisana ny ratsy hono iavian ny soa e!"
11. Herimiafina ( 17/02/2006 19:39)
Aza zatra mamisavisa ny ratsy be loatra kanefa an! Le pessimista sy fatalista izany no teneniko e! Fa ny olana dia entina amin'ny optimisme foana de tokony positif foana n'inon'inona mitranga.

Raha ratsy mantsy ny saina de enregistrer-n'ny subconscient de miverimeberina de lasa tanteraka e! Izay ilay auto-suggestion teneniko!:P
12. Veloo ( 19/02/2006 23:20)
:^):^):^)
13. ravakamalala ( 20/02/2006 10:30)
maninn veloo?
14. Veloo ( 20/02/2006 23:25)
ravaka fannn:°)
15. finaritra ( 23/02/2006 12:56)
Tena mahaliana tokoa ity reska ity satria tena mystery ho an'ny olombelona ny ao anatin'ny saina ao!

Ozona ve sa lahatra?? misy ny hery tsy hita maso izay aloha dia tena tsy azo lavina!

rehefa miteny ianareo hoe raha averimberina fôna ny zavatra ao an-tsaina dia tanteraka tokoa! hoy ny fanontaniako hoe: isika olombelona ihany izany dia afaka manamboatra ny fiainantsika ny ho vay sy ny sisa!! ka eto indray no miditra ilay resaka hoe lahatra;
lahatra ve izay miseho @ fiainan'ny olona iray?

Tenan sarotra be ity resaka ity fa ny efa tsapako aloha dia rehefa mafy ny saina dia afaka mandanjalanja ny fiainanao ianao!

Raha ny tena marina izany dia tsy tokony mino ozona fa manaiky ny lahatra!

Izay no hevitro fa tena maha vaky saina ahy ihany ity resaka ity!!! :roll:
16. Veloo ( 23/02/2006 19:35)
:-w:-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4071