tokony mba hampijaliana koa ireo frantsay miditra any dago

1. xxx ( 14/02/2006 18:24)
tokony mba hatao sahirana koa ireo vazaha miditra any amintsika indrindra ireto frantsay fa miseho ho milay
2. vancleef ( 14/02/2006 18:52)
Dia inona no vakany avy eo ? Androso kokoa i Madagasikara ? Tsy hoe miaro ireo vahiny miditra any Dago faha ilay fomba fisainana manelingenina aho. Dia raha misaina ahoatran'izany koa ny frantsay, anglisy na ny amerikanina @ ny gasy miditra any aminy dia mba ahoana hozy ianao ?
3. vancleef ( 14/02/2006 19:04)
Dia inona no vakany avy eo ?

Dia inona no vokany avy eo ?
4. lemenakely ( 14/02/2006 19:04)
an an na tsy hoe miaro an'i xxx aho fa mampijaly tokoa ireto frantsay ireto de toute façon depuis dia mampijaly foana ry zareo e
5. Fiffi ( 14/02/2006 19:16)
Mitovy hevitra @ vancleef aho, tsy miaro ny frantsay koa aho fa hitondra antsika ho aiza anefa raha hanao an'izany ? Raha mahita isika fa mampijaly ny frantsay
tsy @tsika irery no ataony an'izany fa izay miditra rehetra (olon-kafa firenena io)
6. vancleef ( 14/02/2006 19:18)
Mandehana mitaraina any @ Ratsiraka. Talohan'ny 1972 nanana statut privilégié ny gasy miditra eto Frantsa dia t@ izy minisitrin'ny Affaires Etrangères nanolo ny accord de coopération dia be kizitina dia nandroaka ny Frantsay tany Diego dia niala t@ zone franc sns dia no naverin ny frantsay ny famerin'mbolaniny dia avy eo mitaraina. Anga izy ity kilalaoa ny ankizy. Aiza izy izao no mipetrakana anefa ? Aty Frantsa !
7. Veloo ( 14/02/2006 19:23)
tsy omeko tsiny kosa aloha i xxx raha manana an'izany fisainana zany e ndray2 kosa any tena mamparomitra ny zavatra ataon-njy zareo e... Isika lesy ry xxx tsy afa-manotra a tsy mizaka izay miseho.. mba asivo encouragment re ry vancleef rehefa miteny fa tsy tonga dia mi-contrarier ny ankizy a otran'ny tsy mba gasy ty enao :roll::roll::twisted:
8. aristar ( 14/02/2006 19:38)
Veloo>Tena gasy aho faha ny be ambompo tsy lasa alavitra ary tsy hiletika lalina kokoa no izao ny gasy. Mba hianaro fotsiny ny sinoa mivarotra vorin'ndamba fotsiny izy dia ny Europe manontolo matahotra azy
9. minoarison ( 14/02/2006 19:42)
f*** ny olona rehetra miditra ao madagasikara dia mivaoka amin'izay kely hananantsika ao am-paritany... tsy hoe iziy rehetra, fa hatramin'ny nahaterahako, tsy mbola tia olona avy any france izany
10. Fiffi ( 14/02/2006 19:59)
voalaza teo: "ny olona rehetra miditra ao madagasikara dia mivaoka amin'izay kely hananantsika ao am-paritany" An'iza nefa ny hadisoana raha misy an'izao ? an'ny fanjakana , raha isika mahatsiaro fa hampijalian'ny frantsay nefa etsy an-daniny koa milaza fa mivoaka @ kely fananantsika ry zareo , inona izany no mba tokony hataontsika ? satria samy mahafantatra isika fa ny ao ambony hiany no afaka hampiova izao zava-miseho izao.
11. Fiffi ( 14/02/2006 20:08)
Veloo a: nefa anie ka tena marina ireo voalazan'i vancleef ireo eh! Raha hoe manana ilay fisainana tahak'izao i xxx , tsy manome tsiny azy koa aho saingy hoy ny fitenenana hoe "aza mamaly ratsy ny ratsy" jereo ange izao ny fiainany eh! (nahita ilay anniversaire tao @ hotel izay aho tsy latsakin'ny 350 ny olona tonga tao) ny gasy etsy an-daniny mijaly (henoy ange ilay hiran'ny Mahaleo eh firesahana devise sy ny valise, ny sokatra sy ny vatoasoa sns..) marina avokoa.:(
12. dadabe ( 15/02/2006 01:05)
shhhh efa ela nanjanaka rangah ny frantsay fa aleo mba ovaina ireo tany miteny angilisy e, de ho hita eo :°)
13. Veloo ( 15/02/2006 01:48)
dadabe ie wa lesy a tena nanimba ny gasy manontolo mihitsy...
fiffi a eny e samy manana ny heviny ny rehetra...
za tsy mampirisika an'ilay xxx oe hampijaliana anie a fa miteny azy fotsiny inn moa no azon-tsika atao tsy afa manotra mihitsy anie isika na inn na inn e... mila encouragena fotsiny ny ankizy mba tsy hanana fisainana mi-venger. vakio tsara ilay nosoratako fa tsy manoratra directe beuuuuuuuuuuu
14. Fiffi ( 15/02/2006 05:42)
Veloo: marina ny andry an! :-*:-*:-*
15. dinamo ( 15/02/2006 07:13)
za ko alo de d'accord amizany mitsy, isika refa hangataka visa any aminy de ampifilafilaina ôtran'ny inona ery tena mampitomany mits ndraindray le izy
16. Ragadona ( 15/02/2006 08:05)
Ny hoe hanova anglisy , alema, amerikana . . . tsy lasa amiko. Samy tsy gasy zany ary mitovy ihany amiko. Maninona no maniry hiankin doha lava isika ? Ilaina ny fiaraha miasa saingy tsy voatery hisafidy firenena iray hahindrahindra isika vao handroso. Ny fiezahana hifahatra amin ny fototra (gasy) akory tsy midika ho fihemorana na fikombonana fa azo apetraka amin ny lafiny fiaraha miasa ireo vahiny.

Ny mahagaga ahy koa dia hoe maninona no mbola miezaka hivangongo any Frantsa ny malagasy . . .
17. naritsimba ( 15/02/2006 08:43)
Ho an'izay mahatsiaro fa mampijaly ny frantsay dia aza mankany France zany fa toeran-kafa indray aleha e!
Sa ahoana ny hevitrareo, ko raha tsy any irery no azo aleha ?
18. watafon ( 15/02/2006 10:37)
raha amzao toerana misy ny toekaren-tsika zao aloha d tys azontsika atao zany na d marina tokoa aza ny voalaza momba ireo frantsay ireo e!
19. Veloo ( 15/02/2006 17:24)
=D=D=D wata
naritsimba a njy mantsy tsy teo t@ fananjanaha-tany ka...njy zany pisolelaka vaza:b
20. vancleef ( 15/02/2006 21:44)
Ny mety hampijalina sy ny kely saina sy kely fanahy ihany ihany noho mijaly ! manao inona noho ny fomba ratsy ny tandrefana ihany no ianarana ? Rehefa miresaka sy mifanerasera @ d\'égal à égal ianao dia mananja anao ry zareo (frantsay, amerikanina na europeanina). Manao inona raha mba fomba tsarany noho hianarana ? Te hivaotra bebe kokoa, esprit d\'entreprise et d\'initiative. Iza no tany tsy zanatan\'ny tany hafa ? Etazonia, Canada, New-Zealand, Australie, Inda zanatanin\'ny anglisy, Frantsa zanatanin\'ny romanina, sinina sy korea zanatanin\'ny japone sns sns nefa aiza izy ireo izao ? andra-mpahoviana intsika noho hiresaka faona ny fanjanatan\'ny frantsay faha tsy misy hadisoan\'tsika. Nga izy ity vitanin\'ny fotsiny hoe gasy ka manja. Intsika gasy mantsy raha raisina tsirairay dia misy manan-mpahaizaina sy mahavita azy nefa faha rehefa raisina mitambatra dia manana esprit grégaire manao kitoatoa. Tsy velariko bebe kokao ilay hevitro faha afaka mieritreritra samy irery intsika rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5347