FIARAHA MIASA RADIO KRISTIANINA

1. beza ( 14/02/2006 06:25)
Miarahaba antsika rehetra

Mahafaly ahy ny milaza aminareo fa ny faniloradio dia nahazo fiarahamiasa amin'ny RADIO VAOVAO MAHASOA "RVM" Madagasikara,
Hisaorana ny Tompo ny fiarahamiasan'ny kristianina tahaka izao.
Manomboka ny volana Marsa iny dia hisy fandaharana avy any Madagasikara handeha ao amin'ny faniloradio:
Vehivavy mendrika, ombay mitadidy, Tantara mitohy, fandaharana fiangonana samihafa(fjkm,anglikana, Katolika sns...)
Isika efa zatra nihaino RVM tany Madagasikara dia tongava mihaino ao @ faniloradio http://www.faniloradio.com, izay radio miara miasa amin'ny kristianina tsy ankanavaka amin'ny lafiny rehetra.

Mirary soa e!
novalian'i beza ny 20/02/2006 05:47
2. diamondra27 ( 14/02/2006 08:42)
hum , misaotra ny mpandraharaha e! le mihaino tantara mihitsy no tena tiako ka,+toriteny+hira masina

hum sady misy fandaharana vhv mendrika: tena ilaina

(fa indraindray le izy tsy mande an!le bande ngamba no simba fa jereo na araho tsara ry beza a!= ohatara ny afak'omaly sy omaly tsy mivoaka ny feo)

3. jentilisa ( 14/02/2006 11:56)
Ombay mitady sa ombay mitadidy?
4. beza ( 14/02/2006 13:27)
Miarahaba!
diamondra: nandeha tsara ihany aloha ilay radio hatrizay e! raha tsy mivoaka ny feo dia mety any aminao, tandremo fa 128kbps ny radio ka mety ny debit-nao ohatra no nahatonga izany, tsy haiko an! raha tsy nisy soratra hoe "tapaka ny radio" dia tokony handeha tsara foana ka... raha nisy io soratra io dia avy aty aminay ny fahatapahana,sady tsy naharay fanamarihana aho fa misy namana manaramaso hafa mantsy raha toa ka misy blem, fa raisina ny fanamarihanao dia hotandremana tsara.
Jentilisa: toa tena io ilay titre ka "Ombay mitadidy"

Miray soa ho an'ny rehetra
5. diamondra27 ( 14/02/2006 22:11)
azafady ary fa mety marina ihany zany satria rehefa novelomiko fanidroany ny matos de nandeha tsara le izy ;fa efa harivariva. Fa olona anakiroa samy hafa toerana kosa aloa no miaramaheno io feo tsy tafavoaka io e!Fantako aloha fa mmanao zavatra tsy mora an! sady tokony hankahery anareo aza no atao fa raha tsy 'zany tsy maheno na inona na inona zahay ! sady misy info le izy tsara be mitsy:wink:(l)(l)

6. naritsimba ( 15/02/2006 04:40)
Dia mahafinaritra ny mahare izany fa dia samia ho tahian'Andriamanitra e!
7. dadabe ( 15/02/2006 04:41)
beza > any aminareo ve sa aty amiko (chine 0 no mahatonga io radio io tapatapaka indraindray e?
8. akamatiana ( 15/02/2006 05:22)
hatraty aminay kou io tapatapaka io ry bedada
9. beza ( 15/02/2006 05:41)
Miarahaba indray

Misaotra antsika rehetra,naritsimba, dadabe,diamondra sy ny sisa.
Hojerentsika akaiky mihintsy io lafiny tekinika io, raha toa ka mbola mitohy dia hiova serveur isika, na dia hatontsika hiainga ato antrano mihintsy aza ny streaming.
Tadiavintsika izay hahamety azy, sady raha ho avy ny fandaharana rehetra nefa misy tsy mety dia mahasosotra ny mahare izany tsy fetezana rehetra izany.
Na izany na tsy izany dia hisaorana be dia be ianareo rehetra manome io fanamarihana io, sady ny mahafinaritra dia ampitiavana be ny hanaovanareo ilay tsikera ka mampahery be mihintsy.
Ny Tompo hitahy anareo rehetra
beza
10. diamondra27 ( 15/02/2006 11:36)
BEZA: ka 'zay le fiarahamiasa nge e!hampandroso

zà vonona foana ny hanome courage, hitsikera, hankasitraka

hanome hevitra mahasoa koa aza raha ilaina...
11. dadabe ( 17/02/2006 03:41)
marina izany diamondra a , ndy koa angaha mihano?
12. beza ( 17/02/2006 06:01)
Misaotra antsika rehetra e!
Ny tsikera kristianina anie ry ireto mahafinaritra e!
tsy mitady afa tsy ny hahasoa ny hafa.
Voary dahoilo ireny rehetra ireny ary eo ampamindrana ny serveur aho io, andramantsika amin'io indray aloha dia raha tys mety dia efa vonona koa ny ao antrano handefasana azy, ary hita eo raha hasiantsika Live mihintsy aza rah sitrapon'ny Tompo. Hita eo ihany.

Mirary soa
13. Mifenty ( 20/02/2006 05:22)
ny connex nlah ry bedada vita snou de avany am lah zany no tapatapaka le izy.
14. beza ( 20/02/2006 05:47)
miarahaba!

mifenty: tsy miankina amin'ny Connex ilay izy fa raha adsl ny anao dia mety tsara satria 128kbps ny flux.
Tany ami'ny serveur mandefa ny streaming no nisy blem ary efa nosoloana ny serveur ka mandeha tsara izy izao efa ho roa andro izay ka hisaorana ny Tompo.

Mirary soa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1839