mba toroy hevitra azafady

1. xxx ( 13/02/2006 07:36)
ts haiko na efa nande teto am dinika ity dinika apidiriko ity fa mba mangataka torohevitra avy aminareo raha azo atao

izaho de miaraka amina olona iray ka saropiaro be io olona io tamin'ny voalohanay de tsy nampaninona ahy ilay izy fa taty aorina de lasa tsy zakako tsony ilay izy satria marika izany fa tsy manana confiance amiko ilay lehilahy
te hampiseho azy anefa za fa tiko izy sy tsy misy tokony hatahorany mihitsy ny momba ahy nefa tsy haiko intsony ny fomba hitenenana azy any zany satria efa anataoko daholo izay mety rehetra ka mba manotany anareo izaho hoe inona ny tokony ataoko fa lasa ady lava eo aminay ilay izy

misaotra indrindra anareo
2. hery ( 13/02/2006 08:13)
xxx> ny antony lehibe maha-saropiaro trop ny lehilahy dia ireto.

- Tsy manana confiance amin'ny tenany izy (fa tsy hoe aminao). Mety hoe mahatsiaro izy hoe tsy mendrika anao na tsy mifanentana aminao dia matahotra ny ho very anao.
Fanafodiny: omeo ampatsiahivo azy matetika fa tinao izy.

- Mampirafy ambadika izy. Matetika ny lehilahy saropiaro loatra dia manao zavatra ambadika tsy fantatrao... na nanao zavatra tany ambadika tany kanefa tsy fantatrao. Ny zavatra ao antsainy voalohany dia hoe "SAO" toa izany koa ianao kanefa tsy fantany... satria ny zavatra ataony dia tsy fantatrao akory.
Fanafodiny: Rehefa mbola tsy tratra ilay lehilahy dia hitohy foana io fa raha vao tratra izy dia halemy tanteraka. Ka jerijereo ihany sao misy fomba hahatratrarana azy. Na tonga dia tsatohy fotsiny tsotra izao. Raha tratranao amin'io izy dia tsy hiala aminao intsony :-)

3. xxx ( 13/02/2006 08:52)
de aôna ry hery ny fomba hahatratrarako azy am zvt ataony satri mety ho sarotra ihany izany
4. Fanja1 ( 13/02/2006 09:08)
mmmhhhh:roll::roll:
5. xxx ( 13/02/2006 09:24)
xxx> tranga iray mety misy ilay voalazan'i Hery, nefa tsarovy koa fa ny vy tsy mikitrana irery, mety ho fihetsika sy fomba firesakao amin'ny ankapobeny eo anivon'ny fiaraha-monina no mahatonga ilay tsy fahatokisana.Asehoy azy fa olona azo itokisana ianao (fihetsika, firesaka,...).
Fanafodiny: ilay voalazan'i Hery ampiko hoe, reseho lahatra izy fa olona mahatoky enao...raha ohatra nefa efa nisy adalana nataonao dia ho sarotra kely ihany ny fandindiana...ka dia mahaiza mikoz de bony sansy e
sw
6. caprio ( 13/02/2006 09:52)
Raha ny eritseritro aloha dia tena mahafinaritra ny mahita olona saro-piaro,ny antony dia tsotra:raha tsy tia anao izy dia tsy ho saro-piaro aminao sy harary an-doha aminao eo, tena porofo ny fitiavany anao io ,ka raha ohatra ary ka we hanafenany ny ratsy ataony ilay fihetsika sari-piaro,dia tsarovy fa mbola tena manana fitiavana anao io olona miaraka @nao io,fa raha tsy tiany hianao dia mety efa niteny tsotra izy na tsy norarahiny mihintsy hianao fa nanao ny hataony izy de rehefa tsatra izy de zay zany satria tsy tiany enao.Ny tokony hataonao zany dia aza mieritseritra zavatra ratsy enao aloha,fa ny fitiavany anao jerena dia hajao izy raha tena tinao,fa amiko aloha dia za tsy tia olona tsy saro-piaro amiko izany e,fa manjari bordel be ny fiarahana raha tsy misy ny fahasarota-piaro,de mahereza fa atsipiko hiany ny tady eny an-tandroky ny omby ary hatsipiko ny teny ao am-ponao satria fantatro fa olon-kendry enao ka hieritseritra tsara,hoy caprio mpanampy anareo mandran-kariva
7. ari.malala ( 13/02/2006 10:28)
Ny fahasarotam-piaro aloha angamba mety ho lalana iray anehoana ny fitiavana olona iray, fa raha ohatra kosa ve ka tafahoatra loatra ilay izy, manjary toa fatotra na vesatra hoan'ilay iray iharany ilay izy.

xxx> tranga iray mety hitombina io tenenin'i Hery io, fa raha izaho ianao, ambarao azy mazava in-dray mandeha ny marina rehetra momba anao sy izay ao an-tsainao sy fonao ao, azy indray no mieritreritra amin'izay fotoana izay raha mbola hitohy ho saro-piaro aminao ihany izy.
8. mpanarivo ( 13/02/2006 11:14)
manaona dahooooooool!
hataoko angamba fa samy namoaka ny heviny dahol nareo! fa saingy misy zavatra tsy fantatrareo:roll:dia ny hoe:inna no hatao hoe: fiarovana .
raha ny marina dia alahelo sy haratsiam-panahy izy io. fa matetika hita eo @mpifankatia.
ka ny marina dia tsy hoe mporofo fitiavana izany izy io;fa haratsian-doha:D satria; nahoana ianao tsy mahatoky azy raha toa ka tianao marina ilay olona? dikany : tsy tia azy ianao ;raha mbola misy tahaka izany.
valiny: ny hiran'i rossy hoe: ramalala
9. Optik ( 13/02/2006 11:55)
xxx-> ny fihetsikao @ kôfy hafa manodidina anareo koa mba ataovy @ antonony fa mety izany no maha-saro-piaro azy .
Dieny mbola tsy mamoy fo izy de alamino fa rah ny olona saro-piaro no mandray fanampahan-kevtra ny hanadino anao de tena ho adinony tokoa enao.
Tsy hoe enao akory no diso an! Fa le fahaizanareo miaraka no mila tezaina araka ny toetra anananareo roa!
10. ari.malala ( 13/02/2006 13:24)
Iray hevitra tanteraka @ mpanarivo aho! Tsy fahatokisana no tena hevitry ny fahasarotam-piaro, nefa io fahatokisana, fifampitokisana io no ena fototra mampateza ny fiarahan' olon-droa
11. mbositra ( 13/02/2006 20:23)
andramo hoe manao saropiaro ianao dia ho hitanao eo raha tantiny:P
12. mirana5 ( 13/02/2006 20:52)
rehefa diso tafahoatra ny Asarotam-Piaro dia efa aretina fa tandremo:? mba mailomailo, zany efa adiady zany efa somary efa mitady sangy mihoatry ny loha é. Araky ny tenin'i sakaiza etsy ambony sao dia mba manao kosa ary leiry dia matahotry ny ho sarona?:oops::oops::roll::roll:
13. Veloo ( 13/02/2006 23:18)
marina io lazain'i ari io , ka ampiseho azy zany fa misy kosa zavatra tokony ataon'ilay kala mila assurance anie ilay kofa e.. ka lazao azy assureo izy fa tsy manao na inn na inn enao...ilaina ny communication eo eeeeeee
14. mamzelkely ( 14/02/2006 06:06)
mhhhhh:roll:
15. mbositra ( 14/02/2006 21:32)
dans communiquer y a aussi commu
16. mamzelkely ( 15/02/2006 06:44)
vô maika ko :roll: be zany lazain mbositra zany klé:roll:
17. ninimalala ( 20/02/2006 12:51)
Manahoana,

1) - Mangataha amin'Andriamanitra mba hasehony anao ny tena marina sy ny tokony hataonao.
2) - Ilaina ny manadihady azy ny tena antony maha saropiaro azy.

Mirary soa
18. bilakarenjy ( 24/02/2006 14:52)
inona no tena mahasaro-piaro an'ilay lehilahy aloha e!?.Ny fihetsikao ve -ny fiakanjonao - ny fiarahanao ami'ny olona -ny fiteninao sns....,raha ireo zavatra ireo aloha dia manambara fa bitika loatra ny fonja-kevitra mahasaro-piaro satria tsy ny maha-ianao anao no tena miseho fa endrika fotsiny dia efa maha-saro-piaro .Tsotra ny fanafodin'io saro-piaro io :jereo amin'ny kilemany ny olona ary apetraho amin'ny fahamenarany ny hevitra atolotrao azy dia ho tsapany fa tsy enddrika ivelany izany saro-piaro izany .Tsy midika izany fa tsy tokony ho saro-piaro fa amin'ny tokony ho izy ary ny tena mahaianao anao na ny maha azy koa .
19. Ralay ( 25/02/2006 19:38)
Rehefa ohatr'izay ihany ny fandehany ry xxx dia ialao mora² fa sao managatra :lol:
20. Ralay ( 05/03/2006 04:01)
Nandaitra angamba ny torohevitro t@ i xxxx fa tsy niverina intsony izy :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3465