MAMPALAHELO I MADAGASIKARA, MILA FITANDREMANA

1. tivinah ( 01/02/2006 07:17)
Mamapalehelo tokoa ny manjo antsika eto MADA fa tonga eto daholo ireo ARETI-MANDOZA. Ny zavatra tsikaritra dia tsy misy avy eto ireo karazana aretin-mandoza ireo fa avy any am-pita kanefa dia tonga eto izy, inona no antony, netn'ny rivotra ve sa netin'olona,fanontaniana mila valiny! angamba kosa inoko fa tsy misy izany Malagasy tsy tia ny tanindrazany izany.
Antso avo ny ahy ity ka raha mety amintsika dia tsara fa raha tsy mety dia avereno amiko ihany: tokony mba asiana fijerevana manokana ihany ireny olona miditra eto amintsika ireny ohatra ny fahasalamany indrindra indrindra tsy izany fa izao ny tanintsika efa mahantra no sady mbola ianjadian'ny aretina tsy hay sitranina ihany koa dia tsy mahagaga raha tsy tafarina mihintsy, izao raha sanatria ka tonga aty amintsika koa ilay tazo mahery any afrique any dia angamba vitsy sisa no velona satria tsy ampy fitaovana isika no tsy ampy traikefa ihany koa, tokony mba ilàna fandinihana ihany ny @ izay mba tsy ho vasatra ho an'ny Firenentsika.
Eritreritra mandalo ihany io raha naheno ilay tazo ao toamasiana ahy e.
Farany dia aza hadino ny mivavaka ho an'ity tanintsika ity rehefa mivavaka ianareo.
novalian'i Veloo ny 02/02/2006 21:07
2. Vahinala ( 01/02/2006 08:07)
Zany mihitsy no tokony ho izy, ny vahiny toa miditra tsy misy olana ao amintsika nefa isika mivoaka aty ivelany dia asaina manao test sy analyse maro aloha sao mitondra otrikaretina. Tsy haiko aloha nareo fa za d nasaina nanao analyse complet tao am institut pasteur alohan'ny nandehanako. Ny mampiasa saina ahy dia hoe, satria ve ny vahiny mampidi-bola ao Mada raha resaka tourisme fotsiny ohatra, dia tsy asiana fepetra mihitsy ny mikasika ny fidirany fa mandeha hoazy ?
3. tivinah ( 01/02/2006 10:29)
Za manokana moa dia tena malahelo e, ny tena rehefa mba hande ho any ivelany atao daholo izao rehetra izao nefa rehefa ry zareo tsy misy olana, toe-tsaina ve sa tsy fahalalana sa fanahiniana tsotra izao na koa tsy firarahiana. Avy taiza ohatra ny SIDA?
Raha ny fisainako manokana dia otran'ny hoe tsy misy dikany izany Malagasy izany fa izay tiantsika dia tsy maintsy harahin'ireo, aza omena tsiny aho fa TIAKO NY TANINDRAZAKO KA HAROVAKO TOMPOKO.
Asakasakareo aloha fa raha ny hevitro velively dia raha tsy vita analyse ny mpivahiny dia tsy tokony hampidirina eto. Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, alefa ny teny ao ampon'ny mahalala!
4. Fiffi ( 01/02/2006 10:31)
marina ny andry ry Vahinala an! de mba jereo kely anie ity zavatra nanjoa ny rahavavako tonga t@ zoma teo e! tany Ivato dia efa voasava avokoa ny entana rehetra , dia nidihina ny valise. Tonga tao cdg naka entana , inona no nitranga ? ny cadenas dia nisy nanapaka ary voasokatra ny valise ary tsy nisy cadenas intsony. Sur aho fa tao cdg no nanaovany an'io satria mety hitan'ry zareo hoe misy zavatra tsy fantany tao. Fa ny hany lazaoko @ io dia ireo no hataony @ fiharovana ny haretina ohatra ny grippe aviaire , hatraiza aloha dia efa tsy hazo hatao intsony ny mitondra sakafo e! ary mba heritrereto @ izany raha ireo vahiny tonga any Dago ka vakiana tahak'izao ny valise-ny dia ahoana ? dia tokony hietsika na ho mailomailo ny mpiandraikitra ny fahasalamana mba tsy ahatongavan'izany haretina izany ho an'ny Malagasy.
5. Vahinala ( 01/02/2006 14:29)
Hita aky koa, io anie ny olona sarotiny amin'ny azy e, fa ny malagasy ihany no tsy mba mahay miaro ny tanindrazany sy ny vahoakany. Amiko tena ilaina mihitsy ny fepetra toy izany, iza marina moa no mitondra ny sida ao amintsika fa tsy ireo touriste betsaka ireo ihany ?
6. Veloo ( 01/02/2006 18:32)
oy i fiffi oe:

Tonga tao cdg naka entana , inona no nitranga ? ny cadenas dia nisy nanapaka ary voasokatra ny valise ary tsy nisy cadenas intsony. Sur aho fa tao cdg no nanaovany an'io satria mety hitan'ry zareo hoe misy zavatra tsy fantany tao

ny anay aty rehefa mande any frantsa dia tsy mahazo idina @ lakile na cadenas mihitsy ny entana satria sur fa hisy ny fisavana...

Ny douane malagasy no tokony hieritreritra hanamafy ny fidiran'ny olona avy any ivelany raha momban'ny aretina knou
7. fasaly ( 01/02/2006 20:26)
ié vao hitako tam tv teo io fa madà sy mayotte no misy ny fièvre mahery azo avy amin'ny moka ....8O
8. fasaly ( 01/02/2006 20:29)
TSY MAHAFATY IO FA ELA VAO SITRANA ARY TENA DOULEUR BE HONO E! KANEFA NY FANAFODY FANAFANA DIA TENA LAFO TOKOA, KA NY FANAFODINY HO FIAROVANA ZANY DIA MIARO NY TSY HO VOAKAIKITRY NY MOKA , MILA VONOINA NY MOKA FA TSY MISY AZO HATAO....VAO NIVOAKA TAM VAOVAO TV TEO IO;
9. xxx ( 02/02/2006 04:18)
Mila mitandrina isika fa ny mampalahelo dia ireo tanora izay mitady vola ka manaraka ny vahiny izay miditra eo amitsika. Ireny tanora ireny no mitondra aretina avy any amin'ny vahiny. Ny namana etsy ambony dia mitovy izay malagasy na amerikana miditra ao Charles de Gaule. Mitandrema ianareo fa be mpangalatra ao ary ny entana ho entina ho an'ny fianakaviana mahantra dia lasany avokoa. Mila fanaraha-maso ny vahiny miditra rehetra satria izahay aty New York aty manome ra tsy ekeny raha tsy feno herin-taona nitsidika ny Mada fa misy aretina hono izay atao hoe Malaria sy aretina tazo..
10. fijo ( 02/02/2006 04:32)
vahinala,za dia efa ela no nisaina toa io lazaindry io.amiko na dia mampidibola aza ny vahiny,dia mila mba serena mafy koa vao tafiditra fa tsy avela hiditra hitondra izao karazana gripa rehetra izao.
11. Veloo ( 02/02/2006 19:21)
ka efa tokony ny douana gasy wa no manery...
xxx a na ny vazaha ko anie mitondra sans qu'ils s'en rendent compte e:(:°)
12. Vahinala ( 02/02/2006 20:00)
fijo > Ka zany mihitsy anie hoa e, entitra ery ry zareo refa isika no miditra am taniny nefa rehefa ny mifanohitra amzay toa mandeha hoazy tsy misy kiana fa miditra daoly ze te hiditra, aiza moa no tsy ho tonga daholo ity karazana aretina ity.
13. tsangana ( 02/02/2006 20:29)
Misy antokon'olona milalao amin'ny fiainantsika mahantra.Avy any amin'ny tany mpanankarena izy ireo, ary dia mamorona virus isan-karazany mba hanaovany business ary koa fanandramana mba hampihena ny isan'ny mponina satria mitombo be isika ,indrindra fa ny mahantra. Mba Sompatra loatra ireto olona ireto.Indray andro any angamba dia mbola hazava amintsika daholo ny mahatonga izao zavatra izao.
Andriamanitra no hitahy antsika.
14. Veloo ( 02/02/2006 21:07)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1991