divorce

1. vivi ( 31/01/2006 13:33)
mba mila fanampiana @nareo za we , inona no mahasamy hafa ny divorce sy ny separation!, raha tsy sahy manao divorce v d hafaka manao separation tsotra , ary mahazo taratasy mporofo @ zany!
répondu par vivi le 23/02/2006 17:59
2. Fiffi ( 31/01/2006 14:50)
vivi a! jereo etsy @ ilay xxx fa efa misy valiny maro ao satria mitovy hiany ilay fanontaniana:)
3. fasaly ( 31/01/2006 20:10)
ny separation ry vivi dia fisaharana tsotra amzao a! nisaraka tsy iray trano intsony ohatra, fa tsy midika hoe nanao divorce izy. afaka misaraka tsy manao divorce...
fa ny divorce dia ilay mandeha tribonaly mihintsy, hoe tena misaraka tsy mpivady itsony misy taratasy soniavina ary hanana porofo ara-panjakana après ny divorce hoe divorcé reny olona ireny; misy maha samy hafa azy be mintsy ireo zavatra roa ireo.
4. fijo ( 31/01/2006 21:24)
ny tena tsy mampitovy azy dia ity.raha manao separation fotsiny ianareo,dia tadidio,fa ny trosa ataon'ny iray,dia mbola hisasahany amin'ilay iray koa.
fa ny divorce,kosa dia mamafa tanteraka izay firaisana mbola nisy izay.ka tandremo io vokany io.

fa amin'ny lalana gasy izay tsy mihantra aty frantsa;dia misy ilay antsoina hoe "droit de misintaka"
io droit io,"izay an'ny vehivavy ihany" raha mihafara amin'ny divorce io,dia tsy miray trosa amin'ilay lahy enao,raha nanao trosa izy tamin'io fotoana io.
fa raha tsy miafara amin'ny divorce moa dia mazava hoazy,fa miray ao ihany izany ianareo.

fanamarihana."le misintaka dia TSIAMINTSY any amin'ny tranondray amandreny"
5. vivi ( 31/01/2006 21:30)
o ry fijo a!,ka raha aty frantsa io d aona zany, tsy manan droit misitaka v ny vhv!,fa ny olana keli koa anie @ ilay ankizy e!, tena hatahorako io divorce io ka ,toa mankary ysofoko zany !, t hanao essaie za 1taona tsy miaraka d hita eo indray ny suite-ny!
6. fijo ( 31/01/2006 21:38)
raha aty frantsa enao,ka nationalite gasy nareo roa,dia hafaka mampiantra io lalana gasy io.fa raha nationalite vazaha ilay lehilahy dia efa tsimaintsy lalana vazaha no arahana.
tsy azoko izay tianao lazaina momba ny ankizy????
7. Vahinala ( 31/01/2006 22:14)
Raha te hanao séparation 1taona vivi d tsy mbola ilaina aloha ny divorce satria mety mbola hifamerina ihany ianareo any aoriana, tsy hay ny mikasika anzay. Raha mikasika ny toerana hisintahanao ndray d mila ataonao fantany fotsiny io toerana misy anao io, angamba ny fahalalako azy.
Dadanay sy mamanay zao efa amantaonany maro no nanao séparation de corps fa tsy mbola nampiditra divorce, io koa miankina am safidin'ilay olondroa ihany fa ry zareo aloha efa samy manana ny fiainany, samy manana ny vady keliny.

Tsy efa misy ary am dinika hafa ary marina ve ity resaka ty e, sady mitovy mintsy.
8. fijo ( 31/01/2006 22:20)
tadidio koa,fa raha efa mahatratra 6 taona ny fisarahatoerana,dia mora ny mangataka ny divorce.2 taona io aty frantsa
9. pika ( 01/02/2006 08:05)
misy ny fitsarana manome ttsy aradalana manambara ny separat°
oh hoe mangataka divorce rangahy nefa izy no diso ka mitazona ramatoa dia tsy vita vetivetika ny divorce fa ttsy mazava momba ny fisian'ny separation aloha no omen'ny fitsarana gasy no resahiko a

vao misy miala dia manaova ttsy separation sao hidiran'angano rehefa tampankevitra tsara vao mangataka divorce mba tsy hisian'ny nenina
10. paollah ( 01/02/2006 10:31)
Bonjour Vivi,
Samy hafa tokoa ireo ry Vivi â! fa misy koa tsy te hanao divorce mihitsy izy roa fa tsy te hanimba ny dossier-ny na koa mitsinjo ny zaza raha misy, kanefa tadidio fa rhf tena tsy mety intsony ny fiarahana dia aleo atao divorce @ ara dalàna ohatranan'ny nanaovana azy @ ara-dalàna ihany mba tsqy hisian'ny mauvaise surprise sy ny mba tsy handaniana andro eo (tsy ambony tsy ambany eo)
11. vivi ( 01/02/2006 10:43)
ka,ny ahy anie mbola t hanambotra ny @za fa sao dmba hiova ihany lery indray andro ,d aleo samy maka saina @zay misy azy any aloha ,za mbola tia nefa raha hiady lava zao koa leo ,ka mety hanampy anahako ny lavy toerana noho eny @,za aloha no nanapaka anio fisarahana io fa tsy izy e!
12. vivi ( 01/02/2006 10:58)
bjr paollah!,azafady akia fa efa tena tady tsy ahalala fomba mihintsy @ ty probleme ty akia !
13. zah ( 01/02/2006 11:21)
bjr,

Nareo zao t@ hoe hivady de tsisy nieritreritra an'zany hanao séparation na divorce zany. Zava-misy iainan'ny olona maro io fa lanjalanjao ihany aloha vao maka fanapahan-kevitra. Fa zao tokoa no mahagaga : asa ny any ivelany fa ny eto Dago surtout eto Tana de maro ny institut sy écola manofana izay sy iza, bac +++ tsy hay intsony ary asiana soratra mazava hoe AGREE PAR L'ETAT. Fa nahoana hoa no tsy mba misy école na université manofana ny olona hiatrika ny fanambadiana e?
Zah zao raha manokatra de zao ny teny faneva hoe "AIMER! OUI MAIS COMMENT?". Ndeha hitady mpamatsy vola any @ banky mondiale sy FMI zah leaza a! Inn tokoa ny olana ? De asiako hoe garanti après la formation fa tsy hisaraka (ni divorce, ni séparation, ni misintaka) ny olona hahazo formation.
POSSIBLE VE ZANY aloha e!
14. hery ( 01/02/2006 11:31)
zah> toa efa hors sujet indray izany

vivi> raha tena misy blem dia ilaina tokoa aloha ny maka saina kely araka ilay nolazainao hoe herintaona. Tsy mila divorce io. Raha ohatra ka hoe fiomanana amin'ny divorce ilay fisarahan-toerana dia ilaina atao ny taratasy mazava. Fa raha fakàna saina hahamafy kokoa ny fifankatiavana dia aza asiana resaka divorce akory.
15. ds ( 01/02/2006 16:18)
Raha tsy diso aho, toa tsy misy mpivady ara-dalàna afaka misaraka tsy mandalo tribonaly.
Raha miala ny toeram-ponenan'ny mpivady ny iray dia fitsoaham-ponenana no anaran'izay ka mety mifototra amin'izay nanao azy.
Ny tribonaly no afaka milaza fa misara-toerana aloha ilay mpivady mandra-pahavitan'ny divorce rehefa tsy nety ny famitram-pihavanana (miverina miaraka).
16. fijo ( 01/02/2006 19:36)
ds:ie ,ny fisarahana dia ny fitsarana ihany no hafaka manapaka azy.na io "droit de misintaka" io aza dia mila hamarini'ny fitsarana io,fa tsyhe nisintaka aho tompoko dia vita.

vivi ilaina ihany ny maka ireo fepetra ireo,fa raha manao ny ataony any anie ilay raika lahy,ndry no miara mizaka azy ao e.aza hadino izay.
ny ahy dia izao ihany no torohevitro.manomboka amin'ny fotoana ,hanapahana hevitra fa hisaraka tanteraka.dia hadinoy ny resaka santima,fa ny hoavinao jerena.
17. pika ( 02/02/2006 08:05)
vivi a izaho tsy miteny hoe tonga dia mandraisa fanampahankevitra manao divorce indrindra raha mbola tezitra aminy sy mbola tia fa ny ttsy apetraka ho fanambarana fa tsy miaramonina intsony atao

dia aza manaiky hodina na ampodina mora foana fa sao ataony filantsimahita na hoe voadona tany dia indro indray mody manambitamby dia rehefa avy eo indray mipà .....

ny fangatahana divorce rehefa tena tapankevitra tsara vao mangataka mety ho 2 taona aty aoriana aza izany oh ary mora ho anao ny mangataka izany

adidin'ny fitsarana ny mampihavana aloha ka rehefa hitany fa tsy laitra ahodina @ fanampahankevitra intsony dia omeny io
18. vivi ( 02/02/2006 10:33)
pika< :d ahoana akia ny atao mba ahazoana anio taratasy milaza fa tsy miara-monina intsony io akia, fa tsy tiako za sao d manao betise eo!, aty andafy io teneniko io an!, raha any @ntsika aloha tsy pbl io fa ilay aty,sady @ zay ny aty mitoritory @ zvt tsy misy dikany zay !
fijo
19. ds ( 02/02/2006 12:05)
vivi< antony iray ihany no azon'ny vehivavy lazaina hanamarihana ny fandaozany ny tokantranony eo imason'ny fitsarana. Dia antony lehibe marim-pototra
izany hoe gravy be. Ohatra mamono ilay rangaha na sahala amin'izany.
Hoy ianao hoe "raha any amintsika tsy pbl io". Ny lalàna any anefa managadra olona na lahy io na vavy mandao tokantrano mihoatra ny roa volana.
Zavatra 4 no azonao atao :
1) miaritra trèfle ao aloha mba hieritreretana tsara
2) manao taratasy (acte notarié) fifanarahana amin'ny vadinao fa tsy hiara-monina mandritra fotoana voafetra ianareo mba samy hieritreritra tsara.
3) mangataka fisaraham-ponenana (séparation des corps) any amin'ny tribonaly.
4) mangataka divorce any amin'ny tribonaly.
20. vivi ( 02/02/2006 17:07)
ds< ;hay v enjana b hotranizany ny any @tsika e! tsy fantako mihintsy ,ka zao anie ny tsy azoko we, raha ilay rangaha no manao anilay fahazoan-dalana misintaka d atao anhoana iny apres? entina any mairie v ? , za moa tena tsy mahalala loatra momba ny fisarahana ity mihintsy!, fa raha misy hevitra mahasoa d mba hatorohy ihany e!, misaotra mialoha , ary misaotra ho anareo zay nanome hevitra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1601