18 volana dia tafarina i Madagasikara

1. Fiffi ( 31/01/2006 05:00)
18 volana dia tafarina i Madagasikara raha ny tetik’ady hitan’ity mpikaroka ity. Efa mahita angovo hanoloana ny solika ny tenany sy ireo mpikaroka Malagasy miara-miasa aminy. Rehefa voavory ny fikarohana sy ny harena tsy hita pesipesenina eto Madagasikara dia tsy ho sarotra hoy Zaranaina ny manarina an’i Madagasikara. Tsy misy finiavana hivoatra izany marina ny mpitondra nifandimby teto hoy i Zaranaina. Io 18 volana io dia ampy hanarenana ity firenena ity amin’ity mpikaroka ity.
Nandray vola marina ve ny filoham-piangonana efatra mirahalahy tamin’ny taona 2001 ?
Raha namaly io fanontaniana napetraka mpihaino iray io i Zaranaina dia nanambara fa tsy mbola nisy sahy nitsipaka na nanamarina io hatramin’izao. Ny anton’ny nanaovana ireny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ireny tamin’ny fotoan’androny hoy izy dia ny mba hamalian’ireto voatonona tamin’ireny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ireny, ny fahamarinany na tsia ny zava-boalaza. Hatramin’izao anefa hoy i Zaranaina dia tsy naharenesam-peo ireto voakitika. Namaranany ny teniny omaly io dia ny fahavononany hirotsaka eo amin’ny sehatra politika raha mitohy ny fanoatohanana ny fikarohana ataony ho fanasoavana ny Malagasy.

Lahatsoratra nalaina avy amin'ny gazety Tribune
Mpanoratra: Naivo kely
novalian'i fijo ny 03/02/2006 19:52
2. lapino ( 31/01/2006 07:33)
Kandidà faha-5 ve izany lery?
3. sonwin ( 31/01/2006 07:35)
hanao "miracle mon ami" angamba leiry
4. Fiffi ( 31/01/2006 08:26)
sonwin: indrisy fa sao kosa azy izy miheritreritra hoe izao no fomba ahazoany confience @ olona mba hifidy azy nefa aloha hita fa zavatra tsy ho vita mihintsy io e!
5. Ragadona ( 31/01/2006 09:31)
Mety hitombina ihany alo le 18 volana satria ny an dRa8 aza 3 volana no nolazainy teo Mahamasina tamin izany andro zany
6. Fiffi ( 31/01/2006 10:25)
Ragadona: dia vita ve ilay izy tao anatin'ny 3 volana? fa tsara kosa aloha raha hoe possible ho vita 18 volana e! iza no mahita?
7. Ragadona ( 31/01/2006 12:30)
Ndao hataontsika hoe mba langage littéraire entiny hilazana hoe haingana e
8. ainaheri ( 31/01/2006 17:26)
tsarovy ry zareo fa ny mpanao propagandy retra reo
d mpandainga sy vonona ny handresy lahatra olona doly mba ahazoana toerana:nga tsy tsaroanareo ingahy
Ra8 raha nanao propany we:ataoko manana ny mahantra,asiako carte puce ny omby mba ho fantatra ny toerana nangalaran'ny ol azy"!!
D ny an'ny Dadaratsiraka ndray t@ iny ny we asiko
ozinina manao jus eto Marolambo,Mahanoro,Vatomandry,
d tsy mieritreritra akory fa firy taona teo @ fitondrana na ny lalana aza tsy vitany nefa ny tenanay avy ao d mba teneninao lay ol avy any antoernana mba hiova d ny mba havaliny :"Ratsiraka
migna ny ané"(en dialecte Betsimisaraka)!!
fa ra za ko milatsaka eo za ko anao kobaka ambava fa mitandrema ihany,eny ee tsy hita ko anie zay fidina we iza no tena izy ee!!
9. Fiffi ( 31/01/2006 20:04)
ainaheri: marina dahol izany lazainao izany , ka tsy maintsy mamorona kosa anie ry zareo e! ka raha tsy mamorona izao zava-tsara ho vitany izao ry zareo dia fantany tsara fa tsy hisy olona hifidy azy. Izany angamba no arakin'ny fitenenana hoe " manantena ny tsy misy no sampona "
10. Ragadona ( 31/01/2006 20:57)
Mitaky fahamatorana avy amin ny fomba fijery sy fiainan ny vahoaka ny tontolo politika koa le izy e,ary izay no anomezana lanja be dia be ny fanabeazana. Foana ho azy ny lainga sy kobaka refa tonga amin ilay lenta mampitandrina ny mpikabary sy mpanao valandresaka ny vahoaka
11. fijo ( 31/01/2006 21:29)
raha azon'i lery ny budjet ny etazonia iray taona dia mety ho marina izay.
12. vale ( 31/01/2006 22:42)
Ragadona:

Mety hitombina ihany alo le 18 volana satria ny an dRa8 aza 3 volana no nolazainy teo Mahamasina tamin izany andro zany
:roll::-D


13. vale ( 31/01/2006 22:45)
fijo:

raha azon'i lery ny budjet ny etazonia iray taona dia mety ho marina izay.
fijo: =D=D


14. naritsimba ( 01/02/2006 04:42)
Io dia miankina @ ezaka ataony raha vonona izy tsy mila mpitondra fanjakana hanohana azy.
Ny mahagaga eto Madagasikara dia raha misy olona vonona hanao zavatra dia ny mpitondra no manao izay hanakantsakanana azy satria mampihena ny vola hiditra any am-paosiny, ary maro ireo tetik'asa fampandrosoana (Projet de développement)izay ananan'ireo mpianatra nivoaka teny @ sekoly ambony politeknika fa saingy tsy manana vola ho enti-mihetsika ireny mpianatra ireny ka dia napetraka fotsiny toa lamban'ny mpiasa ny tetik'asa entiny sady mampihena ny famatsiam-bola avy any ivelany izay hakan'ireo mpitondra sy mpamatsy vola amphany ho an'ny tenany, sy hampiankin-doha lava ny vahoaka Malagasy ka miteraka fanjanahana vaovao.

Eto dia marihako manokana fa ankehitriny ny mpiangona ao @ FJKM Ambohipo dia mianatra teknika fambolena vaovao izay tena mahomby tokoa ary efa nahitam-bokatsoa tokoa any @ Faritanin'ny Toamasina sy eto Antananarivo. Tsy mila mpamatsy vola avy any ivelany mba hampandehanana ny fiofanana fa dia ezaka natao hampivoarana ny fari-piainan'ny tsirairay, ary maimaim-poana ny fiofanana.
Tsy ho ela fa afaka fotoana fohy dia hivoatra tanteraka ny fiainan'ny tsirairay ao amin'io Fiangonana io.

Misy tetik'asa hafa ihany koa ataon'io Fiangonana io izay tsy ho ela dia ho fantatra manerana an'i madagasikara ny fandrosoany ary dia inoanay fa tsy maintsy handroso Madagasikara, fa aza manantena mpitondra hampandroso an'i madagasikara ianareo.

Ny fiofanana rehetra omena ao mantsy dia maimaim-poana, ka dia rehefa tonga ny fotoana dia hizara maimaim-poana ihany koa izay nandray maimaim-poana.

Tsy afaka hanatanteraka an'ireo fiofanana anefa raha tsy efa mino an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy zanany, satria Andriamanitra no tantsaha voalohany nampisy ny zava-maniry, noho izany dia tantsaha izy, ary Kristy no zezika mampamokatra ireo zava-maniry nambolen'Andriamanitra.

Vakio ireto andini-tsoratra Masina ireto:
Genesisy 1:11-13 / Genesisy 2:7-15 / Lioka13:6-9

Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra Amen
15. Fiffi ( 01/02/2006 05:00)
naritsimba: misaotra anao aloha fa tena nahazo fanazavana goavana tokoa ny mpamaky. Marina koa ny anao hoe "fa aza manantena mpitondra hampandroso an'i madagasikara ianareo." efa hita aloha hatramin'izao fa mbola tsy nisy filoha nahavita zavatra tena mivaingana , nisy hiany ny zava-bita fa raha tao anatin'ny taona mandat-ny dia kely dia kely no mba hita nisy fivoharana. Saingy fantatra koa fa tsy mora ny fitondrana firenena , mila fotoana betsaka tokoa ahazoana handrindra tetika. Ny olana manko dia ireo filoha vao lany dia ny famenohany ny paosiny aloha no tanjony ary marina io , ka izay angamba no mahatsara hoe tokony Ra8 hiany aloha no eo .(mba heritreritra ny ahy io an)
Ny Tompo anie Homba sy Hitahy lalandava ity Firenentsika ity. Amen
16. tivinah ( 01/02/2006 10:43)
De raha atao ary hoe tonga @ilay tanjony izay io dia ahoana kosa raha ny eritreritrareo ny mety ho voka-dratsin'izany eto @ firenena any aoriana any. Projet iray ve no entiny hanentanana ny olona tsy possible kosa ka. Izao no izy, raha misy olona te hitondra ny Firenena iray dia ASAIVO ZAIRINY ALOHA NY PAOSINY SY NY KOTAPOM-BOLANY.
Fa raha vonona marina izy dia tokony ny FIRENENA mihintsy aloha no tokony ho jereny fa tsy ny an-tokon'olona na an-tokom-paritra misy eto @ fanjakana.
17. Ragadona ( 01/02/2006 11:52)
Io mameno zay fenoiny daholo zay tonga eo amin ny fitondrana ary tsy azo itompoan teny fantatra hoe Prezida ranona nanao an zao, ranona kosa tsy mba manao an zao .. . Mety samy maka araka ny sahaza ny tanany avy izy, ary tsy mitombina le hoe ny efa mpanana tsy mangalatra ntsony. Mety hifanohitra amin io aza. Ra presida tsotsotra izy dia mety ny tanany sy ny paosiny ihany no fenoiny, fa ra mpanankarena izy tsisy dikany aminy zany ka tsy lelavola no amenoany ny paosy fa taratasim bola ary tsy mila asiana ny tanana fa ny banky no fenoana sy aparitaka, tsy hisy hino ny fisian zany rahateo ry vahoaka fa hoe mpanana izy
18. Fiffi ( 01/02/2006 20:16)
Ragadona: ka izao anie e! impiry impiry no nahenoana hoe indro fa nahazo fanampiana avy @ firenena iray ohatra i M/car nefa nankaiza io vola io ? nanjavona ? tadidiko tsara ny namoahan'ny gazety taty frantsa sy tany suisse raha nandefra olona hanampy ny Malagasy ry zareo nohon'ny hamaroan'ny olona matin'ny cholera , dia indreny fa hoe tonga ny olona hanampy nefa dia nasaina nody fotsiny fa vola no handrasana hatao fanampiana fa tsy olona hanampy eny an-toerana.:(:(
19. methode ( 01/02/2006 23:00)
Tsy olona iray na roa mihitsy no hampandroso an'i Madagasikara fa ny olon rehetra mitambatra! Raha samy mandoa ariary zato isan'olona dia efa 1700 tapitrisa ariary izay! Iza no olona afaka hanome an'izany! Raha samy manome an'io anefa dia efa ahavitana zavatra betsaka io! Fa tokony mazava avy eo hoe ity ilay vita tamin'ny ariary zato nalohanao! Misy tsy mahaloa an'io ve? Ny tsy miasa ihany no tsy mahaloa an'io!
20. fijo ( 02/02/2006 04:05)
ity farany ity no hitako fa hevitra tsara.isika rehetra no mila miaraka misahana fa tsy miandry lava eo.
raha mahavita zavatra tokoa,toa io voalazan'i naritsimba io,tsy tokony hiandry fitondrana mihintsy.ary izay no tokony ataon'ny mpanao politika,fa tsy miandry ho tonga eo vao hanao zavatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1067