Fa maninona kay?

1. Fiffi ( 28/01/2006 07:11)
Lasa indray ny heritreritro satria misy namako vavy iray feno 50 taona izy t@ Novembre lasa iny ka hatramin'izao dia hita mihintsy ny fijaliany fa tsy mahatanty izy hoe feno 50 taona , eny na dia tsy azo lazaina aza hoe efa antitra ny 50 taona fa ny ao an-tsainy dia hoe "tena efa antitra be aho" amiko aloha dia arakiny hiran'i Henri ratsimbazafy hoe " f'angà ianao mihevitra fa ho tanora mandrakizay " (na dia tsy antitra aza ny 50 taona) dia inona no mahatonga ny tsy fanekena an'io?
novalian'i Fiffi ny 09/02/2006 16:33
2. fasaly ( 28/01/2006 07:39)
an an an! tena misy ny olona matahotra ny ho antitra ka! ary tena tsy zakan'ny saina mintsy ndraindray, ary izany no mahatonga itony vazaha itony hanao correction ny vatana sy ny tarehy rehetra iny am alalan'ny chirurgie, efa psycho io ka!
nefa sam manana ny charmny:wink: dooly ny taona rehetra ange e!
3. kally ( 28/01/2006 07:53)
Io dia vokatry ny fiarahamonina.Ny fiarahamonina iainana amin'izao dia manindrahindra ny olona tsara tarehy, tsara bika, malama tsy misy pentina sy tsy miketrona, tonga lafatra, isan'ny karazana filamatra ao anatin'ny fiarahamonina ankehitriny io.Ka mahatsiaro ho voailika ireo izay tsy ao anatin'io (izaho manokana aloha tsy mivaky loha amin'izany).Dia io namanao io angamba isan'ireo tafiditra ao anatin'io mahatsiaro voailika io satria mahatsiaro ho "tsy tonga lafatra" intsony izy.
4. Fiffi ( 28/01/2006 08:02)
kally: marina aloha izany an! saingy na inona hataony na inona anie tokony ho tonga saina kosa angamba hoe izao no fandehan'ny fiainana e! Dia anjaran'ny trirairay koa no mikarakara ny tenany @ izay mahamety azy , nefa tsy misy azo hatao koa anie e! rehefa nahazo taona iray indray ianao , amiko aloha dia tsy hitako izay olana @ izany e! manatena fotsiny aho hoe rahefa mba efa feno 50 taona aho dia mba tiako ery izao zany hoe lasa Nenibe :-D:-D:-D
5. ravakamalala ( 28/01/2006 10:58)
Tena marina ilay hoe ny fiaraha monina no miteraka io fisainana io, misy ireo tena manao tsinontsinona ny antitra, rehefa antitra dia "disqualifié".

nefa amiko tsy misy zavatra mahafinaritra ohatran ny hoe olona efa fenofeno taona , dia mendrika iny taonany iny , na eo amin ny fihetsika na eo amin ny fisainana na eo amin ny fitondratena, na eo amin ny fomba fiakanjo aza.

amiko dia misy fotoana ny zavatra rehetra, ary tena ankafiziko mihitsy ny ahy ny olona efa nahazoazo taona dia feno fahendrena sy fahamatorana arak izay koa.
tsisy tsy laitrako ohatran ny anti môla :twisted:
6. fasaly ( 28/01/2006 10:58)
fiffi: aza manao anzany kosa e! à 50 ans zany mbola tsy nenibe zany!!!!!!!:cry:
mbola ao tsara alou zany e! ny fahaizanao mikoloko ny vatana ihany no maha nenibe anao sy tsia.
fa tsy misy olona na iray aza afaka mitsoaka an'io fahanterana io e! tsy maintsy mandalo eo daholo n'iza n'iza, sauf hoe maty vo tanora angaha....

fa tsy tsara kosa ny fanilihana ny efa nahazo taoana eo am fiaraha)-monina e! araka ny fanazavan'i kallly etsy ambony, olona tsy ampy fahaiza-miana lotsa no olona manao izany amiko
7. vale ( 28/01/2006 14:21)
Fiffi: ary so de te hanenjika ny tanora aky izy? :idea::idea::idea:
8. Vahinala ( 28/01/2006 15:13)
Misy koa ny olona raha vao miha lehibe dia matahotra hoe sao ho vizana le vatana ka tsy mahavita inon'inona intsony, indrindra raha active be izy teo amin'ny fahatanorany, ao koa ny matahotra hoe mitombo taona dia manakaiky ra fahafatesana nefa tokony atao antsaina hoe tsy misy taonany io fa rehefa tonga ny anjara dia lasa foana.
9. hesham ( 28/01/2006 15:30)
Ny mampatahotra ahy in1 dia sao ho antitra eto ihany nefa mbola tsy mananjanaka kle , :-D:-D:-D
10. Vahinala ( 28/01/2006 15:41)
hesham > Zay koa aloha e, hihi ny taona mandroso nefa toa mbola tsy hita be ihany ze vita kle, toa sasatra mitady vola foana no atao fiainana:-D:-D:-D
11. Rafotsy ( 28/01/2006 17:45)
Salut daholo !
Nahita ity resakareo ity aho dia miala tsiny raha miditra ! Izaho dia efa + de 50 ans , ary lazaiko marina fa tsy mahatsiaro antitra izany aho ! Izaho aloha aty ampita : ary manao piscine , mitandrina ny sakafo , mijery dokotera raha vao misy tsy mety , manao ny soins visage , en un mot mi s'entretenir e !Ny zavatra tsy ataoko dia ny manao mini jupe na akanjo mihinjihinjy satria heveriko fa tsy mendrika ny vehivavy lehibe izany ! Ary mahatsiaro sambatra aho rehefa miaraka @ zanako vavy sy ny zafikeliko !
Tamin'ny fahiny dia ny 40 ans no natahorako kanefa dia nandeha ho azy ihany koa ! Izaho dia mbola mandeha soirée mandihy , restau etc .., ny ciné kosa dia tsy voako hatramin'izay , ny tena tiako dia ny diner concert !
Sure aho fa déprime passagère fotsiny ny an'ilay namanao fa ho hitany miandalana eny ny avantages , fa tonga @ ilay ménopause koa izy ary tsara raha mi consulte ary manao traitement!
12. Vahinala ( 28/01/2006 18:05)
Rafotsy > Manaona ianao, tena tsara mihitsy izany ataonao izany, "être bien dans sa peau" izay angamba no tena zava-dehibe sa ahoana ? Fa hono hoa mba misy fanontaniana kely ity, inona no nahatahoranao ilay 40ans ? Messi d mazotoa.
13. Fiffi ( 28/01/2006 18:48)
fasaly: ka io hoy aho no mba zavatra iriko e! satria miheritreritra aho hoe @ izay dia mbola tanora dia afaka tsara mba mikarakara ny zafikeliko e! :-D:-D:-D
fa mba nofy akia ny ahy an!
hesham: marina aloha izany an! :)
Rafotsy: manao ahoana ianao Tompoko , mety izany marina angamba no manjoa azy , ary possible koa ve hoe feno 50 taona dia efa ménopause ? 40 ans kosa angamba tena mbola tsy hisy hatahorana na hieritreretana hoe efa antitra e ? Marina koa ny anao hoe mikarakara tena tsara dia tsy ahatsiaro hoe efa antitra raha 50 taona, ka izay no olana manko fa vao vatany tonga io taonany io dia najary "renfermée" be izy ary nanjary tsy azo resahina intsony hoe mba manaova ohatra makillage na mba soloy ny fomba fiankanjo na hoe tapaho ny volo fa tsara ko y fihovana indraindray indrindra raha tonga @ izao zavatra manjoa azy izao. Asa koa fa lasa ny heritreritro hoe sao misy fialonana satria @ nay rehetra mpinamana dia izy no lehibe taona indrindra ary izy foana no manome hevitra anay hoe izao hatao ary nasianay fanajana miavaka foana aloha e! ka tsy aiko loatra fa mba heritreritra ny ahy.
14. Veloo ( 28/01/2006 22:52)
fiffi a ity ko retsy misy proposition ho azy a:
1- fitsikina dia mahatanora fona. faly2 fona
2- ny fiarahana amin'ny namana tanora mbola mampatanora azy..miaraka miadala2 amin'ny tanora noho izy.
3- ny fisotrona rano mampatanora mihitsy
4 - ary tsy mieritreritra oe antitra mihitsy...adiniho io
5 - ny fanaovana jejo2 ko arak'ilay lazain'i rafotsy... raha tena tsara constitution izy inn no olana hanaovana jupe fohy8O
6- bien sur ny olana ao an-trano koa dia tsy rarahina firy...
7- ny sakafo atao leger tsy mavesatra ny hena matavy mampa-antitra:-D:-D:-D:-D
15. Fiffi ( 29/01/2006 05:08)
Veloo: marina ny andriko an! :-*:-*:-* izy kosa aloha raha resaka constit , tena tsy ratsy aloha e! fa ny tena olana hoy aho dia ny famoahana azy , taloha nefa raha vao misy occaz , izy mihintsy no tonga dia mikotaba ny rehetra dia manaiky foana izahay na dia simba aza ny programa e! satria samy nahita ary nahatsapa avokoa izahay fa be ny soa azonay sy natorony anay.
16. ravakamalala ( 29/01/2006 11:45)
hesham sy vahinala > fa inona anefa no andrasanareo tsy hanaovana zazà e! sady tsara koa ilay mbamiara lehibe amin ny ankizy e!:wink:
17. mirana5 ( 29/01/2006 11:49)
=D=D=D=D no anapiako ny tenin'i Veloo dia marina 100%io toe-piainana sy toe-tsaina io^:^
18. fasaly ( 29/01/2006 12:07)
ié! tena marina mahintsy ny an'i veloo e!:-*
19. kally ( 29/01/2006 12:50)
fasaly:


fa tsy tsara kosa ny fanilihana ny efa nahazo taoana eo am fiaraha)-monina e! araka ny fanazavan'i kallly etsy ambony, olona tsy ampy fahaiza-miana lotsa no olona manao izany amiko


Tsy tsara hoy i Fasaly fa saingy mijere télé, sy boky sy nydokam-barotra dia ho tsapanareo io zavatra io, izay no zava-misy fa anjaran'ny tsirairay no manamboatra ny fisainany tsy hahatsiaro resy.

20. Vahinala ( 29/01/2006 13:18)
ravakamalala > Ka tsy maintsy mbola manomana kely aloha ange e, nefa ts d hoe ho variana loatra koa fa mba efa misy zavatra mivaingana kely aloha e, sady ny dada sy mamany aza aky tsy mbola miray toerana zao ko !:cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5288