Andriamanitra dia Fitiavana - Deus Caritas Est

1. hery ( 26/01/2006 10:37)
Deus Caritas Est...

Io no lohatenin'ny taratasy voalohany nosoratan'ny Papa Benoà XVI (na encyclique) izay nivoaka ofisialy omaly 25/01/2005.
Ny fehezanteny voalohany dia ilay hoe "Andriamanitra dia fitiavana, izay mitoetra ao amin'ny fitiavana dia mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra honina ao aminy" (1 Jn 4, 16)
Ny fizarana voalohany amin'io taratasy io dia mampiseho ny maha Andriamanitra ny Fitiavana sy ny maha Fitiavana an'Andriamanitra. Eo aloha ny fahasamihafana sy firaisan'ireo fiantsoana ny fitiavana (ilay hoe Eros sy Agape). Ny endrik'Andriamanitra fitiavana sy ny endrik'olombelona tian'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly sy araka ny finoana. Ny fitiavan'Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina sy ny fifankatiavan'ny olombelona.
Ny fizarana faharoa indray dia ny fampiharana izany fitiavana izany eo anivon'ny Fiangonana. Fiangonana miaina ao anaty Fitiavana. Endriky ny firaisan'ny Trinité. Ny adidin'ny Fiangonana amin'ny fampanjakana ny fitiavana ao anatiny sy ny fampielezana izany fitiavana izany amin'ny manodidina azy.

Boky tsotra sy mora vakiana ity taratasy encyclique voalohany ity. Tsy tahaka ny boky hafa nosoratan'ny teolojianina Ratzinger tamin'izy mbola tsy Papa.

Mazotoa mamaky
novalian'i marozevo ny 13/03/2006 00:56
2. dadabe ( 26/01/2006 10:40)
aiza no ahitana azy ?? eto chine toa tsy misy fengonana kle :(
3. hery ( 26/01/2006 10:54)
dadabe> misy fiangonana any Chine kah.

Ho an'ireo izay te hamaky dia ireto avy no ahitana azy

Teny frantsay
Teny italiana
Teny anglisy
Teny alemà
Teny espanola

4. dadabe ( 26/01/2006 10:58)
any beijing no misy fa zah eto Xi'an :( zah manko mba tia mamaky boky ihany:D
5. Veloo ( 26/01/2006 16:17)
de mandehana an'ny beijing:-D:-D:-D
6. marozevo ( 27/01/2006 00:39)
Izaho aza nanatrika ny famoahana io ansiklika io amin'ny fomba ofisialy mihitsy. Tena tsara satria araka ny lazain'i hery dia tena tsotra tokoa... nefa tena antonona izao vanim-potoana hiainantsika izao. Amafisiko fotsiny ny lafiny faharoa... Anjara toeran'ny fitiavana eo amin'ny lafiny fiaraha monina. Mila fitiavana araka an'Andriamanitra ny tany.
Ilay vavaka famaranana dia tena tsara tokoa. Mitodika any amin'i Masina Maria, tsy mivavaka aminy, fa miangavy azy haneho an'i Jesoa sy hitarika antsika mankany amin'i Jesoa. Tena mazava tsara ao ilay hoe "Jesoa zanakao, Jesoa zanak'Andriamanitra.". Raha ilaina dia entiko eto le boky rahampitso dia soratako eto ilay vavaka fohy famaranana.
7. bozimanga ( 27/01/2006 10:13)
marina ve zany tsisy fiangonana zany any ry dadabe?
8. dadabe ( 27/01/2006 10:15)
eny hoaaa !! any @ 2000 km miala eto vao misy fengonana kristianina :(
9. Veloo ( 27/01/2006 20:06)
10. marozevo ( 27/01/2006 23:52)
dadabe:

eny hoaaa !! any @ 2000 km miala eto vao misy fengonana kristianina :(



De dadabe zany tsa mivavaka rehefa sabata na alahady? Dia ahoana ilay hoe "Aza miasa fa manompoa an'Andriamanitra". Nefa aza valiana raha tsy mety.
11. dadabe ( 28/01/2006 04:03)
azo valina ka , ny sinagoga , na ny tempoly na ny fivoriana masina no tsy misy , fa raha ny vavaka sy ny litorjia dia azoko atao tsara ny manao izany ho ahy irery ato antranoko, humm hanampy ahy ve ise??:°)
12. routa ( 28/01/2006 05:54)
mahereza ry dadabe a!
13. Veloo ( 28/01/2006 23:45)
:°)
14. marozevo ( 29/01/2006 00:47)
dadabe > ka izaho tsa mahay tenin-tsinoa koa, na satriko aza hanampy an'ise.
Hiverenako kely ilay DCE, anisan'ny voalaza ao koa ny hoe : "Ny teny hoe FITIAVANA dia hain'ny olona rehetra tononina mora foana amin'ny fiteny maro samihafa, saingy vitsy no tena mahay miaina azy..." Tsy intégral akory io nanoratana azy io.
Mba ahoana ny hevitsika amin'izany ?
15. dadabe ( 29/01/2006 03:04)
marozevo fa zah anie tsy mivavaka @ teny sinoa e, @ teny gasy ihany e:wink: de tsy maninona raha atao teny ITALIANA :wink: sanctus spiritus , dominica ...sa diso ireo lazaiko ireo ??:-$
16. sonwin ( 29/01/2006 12:29)
tsara sy mahaliana ilay taratasy.....
17. Veloo ( 30/01/2006 00:23)
eeeeeeee taiza fona njy no tsy hita ry sw? taratasy inn aloha ty mahalina e?8O
18. marozevo ( 30/01/2006 00:52)
Ty dadabe ity be tetika mihitsy... ary mety ho eto italia eto ihany Ra-Lery io fa mody milaza hoe any Chine.
19. Veloo ( 30/01/2006 01:05)
an3 any chine iza ka :wink:
20. marozevo ( 30/01/2006 01:11)
Koa ahoana ary i Lery mahay teny italiana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1736