Mahay gasy sady mahavita zavatra

1. lapino ( 24/01/2006 10:29)
Nahita mpandrafitra aho taloha, tapaka foana ny forêt-ny (ilay vy voasikotra apetraka amin'ny fandavahana ireny) izay vidiana lafo, dia izy ihany avy eo no nanefy ho azy, maromaro araka ny halehibeny avy, ary tsy tapaka intsony, sady maranitra kokoa.

Efa ela koa no nalaza ny tao Ambatolampy amin'ny fanamboarana vola sandoka, tena mitovy amin'ny tena vola raha jerena! Toy izany koa ny basy artisanal.

Ity indray dia nisy basy poleta artisanal vita gasy indray hono tratra, ka tena tsy misy anavahana azy amin'ny tena basy. http://www.lexpressmada.com/article.php?id=39984&r=11&d=2006-01-24

Dia hoy aho hoe, tena mahay ny gasy ary mahavita zavatra. Raha dia hiandrasana fanjakana lava ny fitrandrahana an'izany fahaizana izany, dia ho ohatra an'izao foana. Inona izany no mety ho vahaolana?

(NB: mba miangavy, aza asiana resaka toe-tsaina mila ovaina indray :wink:)
novalian'i lapino ny 28/01/2006 10:48
2. Vahinala ( 24/01/2006 11:25)
Mila hovaina ny toetsaina ! :-D:-D:-D:-D:-D lapino > Laingako zanyfa mananihany za an. :-*:-*:-*
3. Angolaina ( 24/01/2006 12:04)
Ka ny gasy tokoa ange tena mahay zavatra e! ary tena mahavita mihitsy fa ny olana ange de zao e! ny mahay tsy mijanona eto dago fa lasa mifindra any ivelany ka ny vahiny indray no mahazo tombony @ zany nefa za mino fa raha ireny manam-pahaizana marobe ireny no miara-misalahy, tena mino za fa tena mandroso lavitra noho izao ity firenena malalatsika ity
4. Vahinala ( 24/01/2006 12:26)
Angolaina > Hita wa koa, jereo aza ny mpitondra ankehitriny, manampahaizana avy aty ivelany foana no hafarana isak'izay misy tetik'asa atao nefa ny malagasy koa mba misy mahavita ihany. Ny olana kely fotsiny angamba dia par rapport amindry zareo vahiny isika somary tsy dia sérieux ndraindray manao zavatra ka lasa misy lesoka kely eny antsefantsefany eny.
5. booboo ( 24/01/2006 13:41)
raha zay vahaolana hita @ forum isakarazany sy heno @ adi-hevitra etsy sy eroa izao dia efa ela beeeeeeeeeeeeeeeeeeeee no tokony ho " développé" M/car fa mandrak'ity nefa izy mbola eo " an-dalana " ihany hono ; tsy haiko na efa nanaingana ny dikan'izany na inona :roll:.

Finiavana hanatanteraka zao no tokony hirosoana @ zay. Asa fa tsy kabary.
6. mandrindra ( 24/01/2006 14:10)
marina izany ry booboo, ilay hoe efa andalana angamba any amin'ny fihemorana no fijeriko azy
7. lapino ( 24/01/2006 14:45)
Ny vahaolana hitako rehetra hatramin\'izay dia toa tsy misy afa-tsy ny hoe:
- tokony hatao (-n\'ny fanjakana, ny mpitondra, sns ... ) ohatra an\'itsy, na ohatra an\'iroa
- tokony hiova ny toetsaina

Resaka manidina daholo anefa ireo, analyse superficielle daholo, ary lasa resaka anomezan-tsiny ny sasany daholo fotsiny.

Ny vahaolana tiako horesahana dia izay zavatra concret azo atao tsy iandrasana fanjakana, tsy iandrasana fiovana toe-tsaina eo amin\'ny hafa, kanefa afaka mi-exploiter an\'ireny potentiels isan-karazany ireny, na ny antsika na ny an\'ny hafa. Efa nisy niresaka an\'izany ve?

Na eritreritra mandalo fotsiny aza, aza malaky leo, fa mba teneno ihany izay hevitrareo e!
8. Fiffi ( 24/01/2006 16:22)
Ny amiko aloha dia tena mahita mihintsy aho fa mahay zavatra ny gasy e! ary ho deraina tokoa satria mar ireo zavatra vita tanana , ny an'ny hafa dia masinina nefa mbola tsy tsara nohon'ny vita gasy , jereo fotsiny ange ireny lamban'ny latabatra ireny e! ary ianareo ve efa nahita ireny misy sary kely ireny fa vita @ loko indray nefa tena tsy miala mihintsy ny loko rehefa sasana an! sady ny mahatsara azy ireny koa dia ny fahitana ny fiainan'ny Malagasy
9. Vahinala ( 24/01/2006 18:39)
Fiffi tena tsara mintsy ka, ny olana fotsiny dia matetika mora simba nefa iny koa eo ilay tsy fahampian'ny fitaovana dia izay no olana kely.
10. Veloo ( 24/01/2006 18:40)
tsara zany ka tohizo ry reto a:wink:
11. Herimiafina ( 24/01/2006 19:43)
Ny gasy anie mahay zavatra refa mandeha tokana fa vatany vao mifandray amin'ny olonkafa de teraka ny stress sy ny tension e.
Vitsy ny olona afaka mi-amortir risika rehefa tojo ny olana.
12. jennifer2 ( 25/01/2006 00:30)
calme fotsiny zany aloha de mahavita zavatra e!
13. Fiffi ( 25/01/2006 04:58)
Vahinala: marina ny andriko an!
jenni: kalam fotsiny wa e! :-D:-D:-D
14. Angolaina ( 25/01/2006 07:15)
Vahinala:

Angolaina > Hita wa koa, jereo aza ny mpitondra ankehitriny, manampahaizana avy aty ivelany foana no hafarana isak'izay misy tetik'asa atao nefa ny malagasy koa mba misy mahavita ihany. Ny olana kely fotsiny angamba dia par rapport amindry zareo vahiny isika somary tsy dia sérieux ndraindray manao zavatra ka lasa misy lesoka kely eny antsefantsefany eny.



tena marina akia zany a ! fa na izany aza ny vola anakaramana anreny ange tena mahvelona tsara ny gasy e! eo koa mantsy le tsy fifampitokisana de manjary ny ahfa no andrandraina e
15. ravakamalala ( 25/01/2006 12:11)
lapino:
NB: mba miangavy, aza asiana resaka toe-tsaina mila ovaina indray )


tsy azoko maninn no tonga dia feran toy izany ilay dinika, tsy manohana na manda io hevitra io aho fa amiko dia "même cause, même effet".
rehefa mbola tsy fantatrao mazav hoe inn no anton ny zavatra iray dia sarotra ny hanova ny vokany.

ka sur ve lapino fa tsy io resaka toe tsaina io no mahatonga ny gasy tsy mety mandroso fotsiny zao ohatra raha lafiny ekonomika.

lapino:
Ny vahaolana tiako horesahana dia izay zavatra concret azo atao tsy iandrasana fanjakana, tsy iandrasana fiovana toe-tsaina eo amin'ny hafa,


ento ny resakao fa liana aho!:^)
16. fijo ( 26/01/2006 04:21)
mahay sy mahavita raha isika,saingy le famatsiana arabola no tsy ampy,ka tsy hafaka mamokatra ahafahana mivarotra azy betsaka sy hanatsarana azy
17. lapino ( 28/01/2006 10:48)
ravakamalala >>> ento ny resakao fa liana aho!
Za tsy hoe manana resaka ka, fa te hanontany fotsiny hoe mety ho misy ve izay vahaolana izay? Sa tsy maintsy eo amin'ny fanjakana vao afaka hanao zavatra?

Tena vitsy ve ny gasy no manam-bola ka ireo vahiny foana no mi-exploiter ny talentan'ireo vehivavy mahay manjaitra (na zaitra na talenta hafa?!!). 40€ ange no smig! Dia lasa ny saiko hoe fa tena tsy hitan'ny mpandraharaha gasy ve izany? Sa ny tsena no tsy ahitany ve? Dia inona no mety ho olana? ...

Izay eo, fa dia mieritreritra koa za hoe, ireny orinasa lehibe matanjaka ireny àry ve, tsy mba misy mieritreritra hanao "chasse aux talents", mba hanohanana an'izay olona miavaka eo amin'ny fiarahamonina amin'ny zavatra hainy. Sa tsy maintsy Champion du monde amin'ny petanque sy kick boxing vao ho hita hoe hay ve misy an'izany ao, fa mety tena ho tonga hatraiza ny lazan'ny orinasa amin'izany?!

Raha misy fikarohana ataon'ireo oniversité (misy mba tena mikaroka kosa aloha ireo mpampianatra mpikaroka an!), ka misy zavatra tiany ho-réaliser-na. Asa raha fantatra hoe hatraiza ny kalitaon'ny zavatra mety ho vita, ankoatra ilay maha vokatry ny fikarohana azy, fa ny zavatra hita aloha misy mahavita basy ny gasy.

Tsy haiko fa misokatra ny famoahana hevitra e! Inona no tena olana? Vola, dia izay ihany ve? Dia inona no mety ho vahaolana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.586