Blaogy hoe?

1. hery ( 20/01/2006 22:01)
Misy vonona hametraka ny tena blaogy eto amin'ny serasera ve raha miditra lalindalina amin'izany izahay?
Toa tsy nandiso fanantenana ihany ny serasera mantsy hatramin'izay. Misy ireo mametraka ny tononkalony, ny sariny, ny tononkirany sns... koa raha ato no hametrahana ny blaoginy?

Ny antony tsy nanaovana izany sy mbola mampisalasala amin'izao fotoana izao dia
- Efa betsaka ny takelaka manao an'izany (saingy tsy amin'ny teny gasy)
- Mila fitaovana matanjaka kokoa (efa manana ny serasera amin'izao fa tsy fantatra na hahazaka)

raha misy vitsivitsy vonona dia hatomboka tsikelikely toy ny mahazatra.
2. kitjo ( 21/01/2006 04:04)
slt Hery: za vonona be mihitsy izao raha ohatra ka tsy afaka copier-n' ny mpamaky ny sary :P
3. jentilisa ( 21/01/2006 05:45)
Fa inona aloha no tena atao ami'ny blaogy? sarisary ve sa inona? mahita foana aho fa sary no mahazatra amin'ilay izy...dia izay ihany ve?
4. lapino ( 21/01/2006 06:08)
Mety daholo izay atao anatin'ny blog ka! ohatra ny hoe journal ilay izy izany, dia ny an'ny sasany kisarisariny sy ny namany sns no ataony ao, ny an'ny sasany momba ny asany na zavatra ataony any, fampisehoana hevitra na firehan-kevitra, na izay eritreritra mandalo, tsikera momba ny karazam-baovao, sns ... na mifangaro. http://fr.wikipedia.org/wiki/Blog
5. hery ( 21/01/2006 11:03)
kitjo> sarotra be io fa misy fika foana hakàna ny sary n'aiza na aiza... rehefa miseho. Ny fika farany tsy maintsy mandeha dia manao capture d'écran... na alaina sary amin'ny appareil photo mihitsy ny sary :-)

jentilisa> ny blog (web-log) dia tena journal mihitsy. Tahaka an'ireny journal intime ireny fa atao amin'ny internet (hitan'ny olona hafa). Ny hevitrao momba ny zava-mitranga iray, vaovao tianao holazaina, izay rediredinao manokana kanefa eritreretinao hoe hisy hamaky. Ny an'ny sasany tokoa sary no ataony ao fa tsy izay no tena zava-dehibe... misy ny album izay azo asiana soratra fanazavana ho an'ny sary fa ny blog dia soratra aloha vao misy sary mampihaingo azy.
6. kitjo ( 24/01/2006 16:54)
hery> hehe...haiko amzay le mampiasa azy fa merci t@ fampianarana....efa misy kely ao :P
7. akamatiana ( 30/01/2006 16:36)
Njaso njay ananjana ra tafa kle!!:roll:
8. akamatiana ( 30/01/2006 17:45)
hery nanao zah fa to tsy mipoitra kle :roll:
9. fasaly ( 30/01/2006 18:08)
ny ahy toa nivoaka fa anefa mbola nataoko hanjana fotsiny lay izy....tssssss
fa lay mampiditra sary wa! tsy haiko e!
10. akamatiana ( 30/01/2006 18:44)
nenah akia l wiki mety fa le blogy tsy mipoitra kle , sa ela vo mipoitra ???

le mampiditra sary ?? itanjy le we endri-tsoratra iny klikenjy de ao ambany ao misy we fametrahana sary de araho fa mety io avy eo !!:-*
11. fasaly ( 30/01/2006 18:47)
ela aky io vao lmipoitra, ary ny ahy aza wiki no tiko natao toa lasa nivoaka blaogy, hihihi zany refa venjana lotsa:cry:
12. akamatiana ( 30/01/2006 19:13)
zany !! itako no mbola tsy hita kle!! Zah ary impiry namerina akia vo nety kle hihihihhih , mafy refa veunjana o!! :-*
13. kitjo ( 04/02/2006 06:53)
sali an,

itovizana dol io fa za ko ary venjana b nanao an le izy fa zao,
Taraiky 1 andro teo za nampiditra sary 1 fa ts haiko..haha

d zao so d afk manampy ty: akelezo alou le sary, nolazain Hery anah io fa mbol atsy haiko ko nanao azy :oops:

ra ts mahay ko enao mety mba mahasoa iany ty, sokafy le izy d ao misy oe "edit", d misokatra ny "Paint", d eo @ image d le ligne faharoa (stretch @anglisy) d akelezo ohatra hoe 30% 30% vertical,horizontal d hitanao eo oe efa antoniny na tsia,kitikitio fts fa mety iany io.

io nahataraiky anah ts nahatafiditra sary k so d mtovy probleme tsika.
14. fasaly ( 04/02/2006 07:17)
ary ahoana ny fijerena ny balogin'ny namana hafa e! toa ny ahy sy akamatiana foana no hitako eo!:x

de nampiditra sary hafa kou zà fa tokony efa hita ,
mbola tena sarotra be ny mampiasa lay izy ao kanou!
somary very zany zà e!
15. akamatiana ( 05/02/2006 04:53)
fasaly ela beuuh vo mipoitra akia l izy knou , zah kou mananjana mijery blaogy hafa fa tsy haiko ilay an;i kitjo zao tsy tazana tsony:(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6721