ny fanangonam-pahefana!

1. jentilisa ( 17/01/2006 09:39)
Matetika dia tratran'ny fanangonam-pahefana hatrany ny tanànan'Antananarivo. Toy ny fanao vana tsinontsinona ny tanàna ny zava-mitranga. Efa nisy zany hoe sady minisitra no presicomex (maire tamin'ny andron'ny AKFM kadera)Atoa Rakotovao Andriatiana. Amin'izao fotoan izao indray dia sady maire no PCAn'ny jirama no mitondra anAntananarivo. Moa tsy fanaovana tsinontsinona ny renivohitry Madagasikara ve izany? ary moa tsy ny tombotsoa madiodio no tena kandranina amin'izany?
novalian'i fijo ny 25/01/2006 21:22
2. eprom ( 17/01/2006 10:25)

Mety hoe tsy mahita olona atao ben'ny tanàna na atao PCAn'ny Jirama koa Ra8 ohatra.
3. lapino ( 17/01/2006 11:21)
Tokony hasiana lalàna ve izany hoe izay efa manana andraikitra ambony amin'ny asa sivily tsy avela handray andraikitra amin'ny fitondram-panjakana?
4. hery ( 17/01/2006 11:30)
lapino> toa fanjakana ihany ilay Jirama kou.

Fa na izany aza, mety hoe économika tokoa anie ilay izy raha olona iray ihany.
5. jentilisa ( 17/01/2006 11:38)
Raha tsy misy tombotsoa mihena raha miditra amin'ny anankiray dia tsy ekonomika mihitsy izany! manao izay hampanankarena ilay olona haingana fotsiny no fijeriko azy! raha tokony ho olona roa no hahazo tombotsoa dia olona iray ihany no mahazo azy!

"mahavitsy ny isan'ny olona tokony hanana e"
6. IDEALY ( 17/01/2006 12:09)
mino fotsiny ihany de miasa miaraka eh fa be ny vola fa ny andaniana azy no tsy misy ary ny mahantra de hanankarena fa ny mpanankarena asa ... tsy voalaza
indrisy ry malagasy namako , soa fa misy itony sera² itony
7. mandrindra ( 17/01/2006 13:00)
tokony ho jerena aloha hoe iza daholo no actionnaire ao amin'ny JIRAMA. raha toa mantsy ka toy ny taloha hoe ny kaominin' antananarivo no actionnaire majoritaire ao dia izay ben'ny tananan'antananarivo no masa PCA otomatika na iza no eo na iza.
8. lapino ( 17/01/2006 15:10)
Raha ny hevitr'i jentilisa indray ange, lasa ohatra ny hoe fangalana tombontsoa ny fananam-pahefana e. Misy mahamarina azy izay, eny, fa mety ho izay mihitsy anefa ny antony.

Satria raha olona efa manana no mandray fahefana eo dia mety tsy ho tia kely. Fa raha olona tsy manana, dia mety ny hahazoany betsaka no hataony anton-draharaha voalohany.

Efa nivoaka manko izay hevitra izay tamin'ny fampielezan-kevitr'i Ravalo tamin'ny fifidianana ireny.
9. Stone ( 17/01/2006 15:48)
misy zavatra tsy azonareo angamba : ny PCA dia tsy poste ohatran'ny directeur akory ary tsy karamaina fa indemnite (mety hoy ianareo hoe mitovy ihany izany, tsy mitovy izany @ comptabilite), ny PCA sy ny membre du CA dia olona efa manana poste hafa any ivelany matetika.Ny olona atao PCA sy CA dia solotenan'ny actionnaires sy ny mpanjifa ary ny fanjakana ohatra @ ankapobeny!
Ny PDG indray dia sady Dg izy no PCA, karamaina izy izany
10. mandrindra ( 17/01/2006 15:54)
tsy miteny aho akory hoe tsara ny fangoronana fahefana ho an'olombitsy, ny tiako ho marihina fotsiny dia misy indraindray asa miaraka ôtômatika amin'ilay asa voalohany.
ohatra hafa izao ny masoivoho malagasy eto frantsa dia sady filohan'ny organisation africaine et malgache du café satria amin'ny maha ambasadora azy dia mpikambana voatendry ho antin'io organisation io izy.
11. Stone ( 17/01/2006 16:19)
Misaotra anao eo @ ny fanampim-panazavana.
Ny tiako marihina fotsiny dia ny hoe : tsy maintsy olona efa manana toerana ambony foana mazana no atao PCA n'aiza n'aiza izany. fa sanatria tsy chomeur diplome akory na docteur d'etat na ny toy izany.
12. lapino ( 17/01/2006 18:05)
PCA izany aloha ve tsy maintsy olona manan-karena raha boaty ohatra ny Jirama? Satria tsy maintsy manana minimum-na actions ao am'le boaty izy vao azo atao PCA.

Manana fahefana koa izy eo amin'ny fitondrana ilay entreprise. Izany rehetra izany moa misy andraikitra miaraka aminy.

Ka ny olana dia hoe: tsara ve/mety ve/tokony ve/sa ara-dalàna ve raha olona efa manana fahefana any amin'ny fitondrana entreprise any no mbola mahazo fahefana amin'ny fitondram-panjakana? Toy izany koa raha olona efa manan-karena no mahazo ny toeran'ny ben'ny tanàna?

Fa ny fitsinjaram-pahefana eo amin'ny fitondrana fanjakana aloha, toa efa voafaritry ny lalàm-panorenana ny momba azy.

Hoy i Hery: toa fanjakana ihany ilay Jirama kou.
Ohatra ny efa naheno za hoe ho privatiser-na ny Jirama, fa tsy haiko ny tohiny. Fa raha izao toa mbola an'ny fanjakana marina ilay izy. Na izany aza, tokony hisy ve izany ny lalàna hiarovana ny PCA @ orinasam-panjakana tsy ho afaka handray toerana ben'ny tanàna ohatra?
13. xxx ( 17/01/2006 18:21)
Ny PCA sy CA dia tsy poste na fonction, fa mandat izany hoe mission misy fetrany. Ka tsy azoko izay olana. Ny jirama dia actionnaire unique ny fanjakana. Ny 1er consommateur dia angamba ny Commune Urbaine de Tana ka izay no mety hanazavana azy.
14. lapino ( 17/01/2006 18:34)
Ny ben'ny tanàna koa mandat. Dia ahoana indray izay?

Raha sady lehiben'ny mpamokatra izy no ben'ny tanànan'ny mpanjifa, iza no hotsinjoviny kokoa? Dia tsy azoko ilay hoe mety hanazavana azy ny hoe Tana no 1er consommateur.
15. xxx ( 17/01/2006 20:35)
Jereo leitsy ny droit des societes fa ao izany a!
16. fijo ( 17/01/2006 21:29)
io anie ry jentilisa tsy tana na madagasikara ihany no manao an'io,fa efa hita eran tany io e.efa nazavain'ny namana eo ambony ny asany sy ny antony,ka tsy hidiako intsony,fa ny tsapako fotsony,dia hoaty ny hoe matahotra izany jentilisa hoe olon tokana no mahazo tombotsoa roa?tsy olana izany amiko raha toa ka mandeha tsara ny fitantanany ilay orinasa.
aty frantsa aza anie misy "maire" sady "minisitra" na "senatera" no mbola "PCA" amina orinasa ihany koa e.
17. xxx ( 17/01/2006 23:22)
Mbola misy tsy mahazo ihany ilay hoe ny PCA ange ka olona efa manana ny asany sy toerany ambony any an-kafà, izay vao atao eo!
Valable io na aiza na aiza, indrindra moa fa aty Amerika sy Europe.
18. lapino ( 17/01/2006 23:49)
xxx:

Jereo leitsy ny droit des societes fa ao izany a!


Hazavao kosa raha hainareo e! Ilay PCA aloha efa mazava :wink:8)8)8)
19. fijo ( 18/01/2006 04:39)
resaka representation des capitaux io e.izay manana ny ampahany be ao amin'ny action no mazava hoazy fa voatondro ho lehibean'ny filankevim pitantanana.
toa ny hoe izay maro an'isa ao amin'ny solombavam bahoaka no tokony hanendrena ny praiministra.
20. eprom ( 18/01/2006 06:26)
Sao de antony nampitotongana ny jirama koa ny hoe tsy zakan'ilay olona ny andraikitra 2 samihafa? Ny tena olan'i jentilisa mantsy de hoe andraikitra goavana izany ben'ny tanan'Antananarivo izany nefa mbola miantsoroka andraikitra goavana hafa ihany koa ilay olona. Ekena fa any andafy any de fahita ny hoe sady PCA atsy no ben'ny tanana aroa. Fa raha ny fahasahiranana ve no jerena tsy tokony olona 2 samy hafa no omena ny andraikitra : ny jirama tsy avotra raha tsy anaovan-trosa moa ny tanàna tsy mahavita asa goavana raha tsy fanampiana (AFD :lalàna sy tsena anosibe, UE: petit boulevard, relais masay)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0422