ny fanangonam-pahefana!

21. jentilisa ( 18/01/2006 08:21)
Raha ny fijeriko azy anie dia solontenan'ny fanjakana izy ao anatin'io jirama io e! mbola an'ny fanjakana tsinona ny jirama!
raha olona prive izy ka prive no nametraka azy teo dia ekeko tsara ny hevitrareo!

olana amiko ilay mahasoasoa ny fanjakana no tanterahiny na dia mety hamono antoka ny jirama aza izany!

tamin'ny andron'ny delestazy ireny izay faritra atahorana fa hisy hihetsika raha tezitra tsy tapaka jiro na dia tsy mandoa aza izy ireo na dia ariary aza! Aiza moa no hisy fivoarana ny toe-draharaha tamin'izany? any amin'ny tena mpandany jiro no tsy tapaka ny jiro nefa izy ireo tsy mandoa vidin-jiro! tombotsoan'iza no narovana tamin'izany? Vokany: naleon'ilay DG teo aloha niala satria tsy hety mihitsy ny teti-panorona napetraka!

Vao maika bankirompitra ny jirama matoa nangata-panampiana tamin'ny fiandohan'ity taona ity! Dia ilay trosa azo indray no lasa ideraderana ho nahavita zavatra! tsy haiko aloha e!

misy dikany koa matoa Ravalomanana nahavita niteny tampoka tamin'ny nitokanana ny 153m tery ankondrano hoe ry Kaominin'Antananarivo aloavy ny volan'ny jirama!
inona koa izany?
22. mandrindra ( 18/01/2006 08:44)
hoy i jentilisa hoe : " ilay mahasoasoa ny fanjakana no tanterahiny na dia mety hamono antoka ny jirama aza izany!". Ny fanjakana no mampiasa azy, noho izany ny tombotsoan'ny fanjakana no harovany voalohany, fa raha ny mamely ny fanjakana no zavatra ataony dia voadaka teo izy.
Fanazavana ny fihetsika fotsiny izany fa tsy milaza aho akory fa mety ny ataony.
23. jentilisa ( 18/01/2006 11:46)
ka ny fanjakana natao handany vola fa tsy natao hahazoana tombom-barotra loatra ka izay no mahafaty ny orinasam-panjakana rehetra koa!
24. fijo ( 18/01/2006 19:53)
ka na natao handany vola aza ny fanjakana,dia natao hiaro ny tombotsoan'ny olona koa
25. jentilisa ( 19/01/2006 05:43)
Dia mbola mitoetra ho orinasa sosialista izy izany!
26. fijo ( 19/01/2006 20:28)
hoan'ny tombotsoam bahoaka.toa ny postra sy ny lalamby
27. xxx ( 19/01/2006 23:36)
Tsy sosialista fa societe d'etat
28. eprom ( 20/01/2006 05:19)
Amiko, rehefa tsy mitady tombombarotra ny orinasam-panjakana ( mitsinjo ny vahoaka hono) de lasa fatiantoka goavana ho an'ny firenena izay. Jereo ny lalamby. Namidy no niafarany ary mbola itrosan'ny fanjakana volabe 30M USD vao afaka ny andeha tsara. Toy izany koa ny jirama : ny kajikajy politika no nahafatiantoka an'io. De isika rehetra no mifafa kiho. Trosa fanavotana sisa no ireharehana. Izay koa no mahatonga ny Air Mad miala @ ireo zotra sosialy. Ny fikiribibiana hitazona ireny mantsy de ahafaty ny orinasa iray manontolo.
29. jentilisa ( 20/01/2006 06:23)
na sosialista na d'etat ataoko fa misy itovizany ihany! ny tanjona amin'ny sosialisma anie ka hoe tantanin'ny fanjakana ny orinasa rehetra e!

ny orinasa natao hahazoana tombony ka rehefa izy no tsy misy tombony dia aleo adaboka satria lasa vesatry ny hetram-bahoaka.
Ilay manantena fanjakana anie no efa nahavoa ny gasy hatramin'izay e! lasa miandry lava fa tsy mieritreritra ny hamorona.
30. fijo ( 20/01/2006 19:33)
na izany aza mila jerena ihany ny vahoaka ,fa tsy mety raha tombony fotsiny no jerena ao.
31. jentilisa ( 21/01/2006 06:40)
Ka ny olana anie dia ilay teny hoe vahoaka eto amin'ny tanàna mihitsy e! ny tadiaviny dia hoe tsy mandoa vola mihitsy.
Ny tsaratsara kokoa dia hoe fivondronan'ny mpampiasa herinaratra mba hiaro ny tombotsoany. Amin'izay mba misy ny fifandanjan-kery fa raha amin'izao fotsiny tsy hisy zava-banona na tsara na mahafa-po izany ka!
32. fijo ( 24/01/2006 21:37)
le hoe tsy mandoha kosa aloha,tsy izy e.ny mpianatra teny ankatso,dia tena nanararaotra mihintsy tamin'io,ka izao nefa dia anisan'ireo mpimenomenona.ka amiko dia tokony samy handray ny tandrify azy,fa tsy hiandry fotsiny izany foana.
33. jentilisa ( 25/01/2006 07:13)
Ny mpianatra dia nisy nanararaotra nanagana orinasa kely mihitsy satria tsy mandoa jiro saingy nisy kosa ny zanaky ny sahirana no nahazo tombotsoa ihany koa sady tsy nanararaotra ihany koa! tsy vitany ny fianarany raha tsy nisy ny tahaka izay e! eo ny blem!
34. fijo ( 25/01/2006 21:22)
ka raha narahimaso ny teny hatrizay,voahavaka tsara itreo.tsy niafina anie ireo mpivarotra tao e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4369