Fiangonana - fanarenam-piaraha-monina - Fivoarana
21. methode
(
18/01/2006 16:51)
Ireo rehetra ireo no manambara fa nomen'Andriamanitra fahalalahana sy hisafidy ny zavatra ataony ny olona ka samy manao izay fantany fa mety. Tsy hoe rehefa mitonona ho mpivavaka na amin'ny fiangonana iray dia hahavita ny soa sy ny tsara foana. Ampahafantarina ny zava-bita sy tsara amiko mba hisarihana sy amporisihina ny olona hanao toy izany. Tsy midika izany fa fiatsaram-belatsihy. Tsy voatery ho lazaina daholo ny marina rehetra fa izay mahasoa sy ahitan'ny rehetra soa no tsara avoaka!
Mino aho fa tsy nihevitra ny nanao ratsy ireo olona voatanisa ireo satria izay no nifanaraka tamin'ny fiaraha-monina nianan-dry zareo! Ny niaro ny fiaraha-monina nisy azy no zava-dehibe! Aty aoriana vao mahatsapa ny olona mpiray finoana taminy fa tsy nety ireo dia miezaka manitsy.

23. naritsimba
(
19/01/2006 10:00)
dadabe > tsy hoe lalina fa minia manamarin-tena daholo ny iray na dia hita aza fa tsy mety ny ataony.
Izay ilay hoe mikiry biby
Izay ilay hoe mikiry biby
24. jentilisa
(
19/01/2006 12:01)
Amiko kosa tsy hoe alika isika ka rehefa atao hoe couchez dia mipetraka tsara! Andriamanitra mihitsy no nanome saina hamakafaka ary tsy hoe nomena fahatany izany fa ampiasaina mihitsy! misy manao azy hanompoana an'Andriamanitra misy koa ny manao azy hanoherana an'Andriamanitra...
jereo tsara ny zava-misy any Iraq> baikoan'ny fitadiavam-bola sa tsy fitiavana vahiny ka tsy mifidy izay vonoina na alaina an-keriny. Tsy nampiasaina tsinona ny saina fa ny fo no natao betsaka!
ny fiainana anie tsy vitan'ny maoraly e!

25. tsimiandravola
(
19/01/2006 13:11)
Eto indray aho dia manararaotra manamarika fa ilay fomba fiteny matetika hoe: "....an' Andriamanitra"
Ohatry ny hoe lanin'ny be sy ny maro mihitsy ilay hoe Andriamanitra,ary raha vao miteny an'i hoe Andriamanitra io dia ilay Jehova na ilay El na ilay Elohim sy Eloah na ilay Ray (rain'i Jesoa) no ao an-doha na ho an'ny mpiteny izany na ho an'ny mpihaino.
Maninona moa raha mba préciser-na tsara hoe Andriamanitr'i Jesoa ,a i Abrahama no tianareo ho tenenina ê? Amin'i Tsimiandravola mantsy dia Andriamanitra tsy misy io,toy ny tsy mampisy an'i Zéus sy Mithra sns
Hitanareo amin'izany ny fanerena ankolaka avy amin'ny mpino mampino ny hafa fa io no Andriamanitra tokana????
Dia lasa fotsiny ilay plivava manao hoe :rehefa tsy mino na manohitra an'io Andriamanitra io dia AT.
Andao aloha hianatra hifanaraka ê!Fahaizany mifandray daholo izany,raha tsy izany mantsy dia raha mba mitraotra izahay dia izahay indray no asianareo!

26. jentilisa
(
19/01/2006 14:23)
miala tsiny aho raha mamaly!
resaka fivavahana no lohahevitra eto: noho izany dia resaka misy Andriamanitra ao anatin'izany ka tsy misy zavatra ifanarahana intsony hoe andriamanitry ranona na ranona!
anjaranao izay miditra noho izany no mizaka izay efa ifaneken'ny be sy ny maro...afaka mampametraka ianao fa tsy ho afaka hanery!

27. marozevo
(
19/01/2006 23:56)
Fa hono ho aho. Toa tsy valianao ilay fanontaniako hoe :
Ndao hanao fanandramana ary hojerena : Manaova trano Sekoly na Hopitaly na asa fanasoavam-bahoaka hafa, dia soraty eo am-bavahady ny hoe "Manenjika fivavahana ny ato", na hoe "Tsy mino an'Andriamanitra ny ato" ... na hoe "Tsy mino an'i Jesoa Kristy ny ato", dia ho hita eo ny vokany.
Mbola averiko amin'i tsimiandravola ihany io fanontaniana io.

28. majesty
(
20/01/2006 05:55)
Za aloha na de tsy miombon-kevitra @ miandravola aza dia mahita fa marina sy mitombona avokoa ireo rehetra voatanisa ery ambony ireo fa ny angatahiko aminao fotsiny dia aoka mba tsy asina "en general" le fiangonana satria fiangonana iray no fototr'io rehetra voatanisanao io ary tsy mbola hijanona @ io ary fa eo ntsika hiaraka ahita fa mbola hisy zavatra hiseho mafimafy noho io mbola hitranga kanefa izany akory tsy atao hanaporofoana na hanenjehana ny fiangonana kristiana rehetra satria izay no fantatry ry zareo fa mety dia aleo izy hanaraka ny heviny fa ny anjaranao dia ny mamakafaka hoe "aiza marina ny toerana misy ahy amin'izao fotoana izao eo amin'ny lafin'ny finoana":D:D:D
29. jentilisa
(
20/01/2006 07:01)
Rehefa fiangonana kristiana dia fingonana kristiana izay! aza avakavahana fa tsy mety! tsy misy fiangonana tsy misy pentina tsy akory fa samy misy pentina avokoa raha mbola vondron'olona no ao anatiny! raha tsy miaiky izany ianao dia lasa fiasan'ny devoly hampiady ny samy fiangonana hoe izahay iahny no manana ny marina!
tsarovy ny taratasy ho an'ny fiangonana any Smyrna ao amin'ny Apokalypsy hoe mahantra nefa lazain'ny Tompo fa manankarena. ny harenany dia ny fanetre-tena mahay mahalala fa manan-keloka ka mibebaka amin'izany helony izany. Fianarana ho antsika rehetra aty aoriana ny zavatra napetraky ny tantara!

30. tsimiandravola
(
20/01/2006 07:08)
marozevo:Efa hitako foana ito message ito,nefa satria ny zavatra betsaka interessant dia tsy novaliako.Nefa dia voatery aho satria mi-insiste be i Marozavo.
Fa hono ho aho. Toa tsy valianao ilay fanontaniako hoe :
Ndao hanao fanandramana ary hojerena : Manaova trano Sekoly na Hopitaly na asa fanasoavam-bahoaka hafa, dia soraty eo am-bavahady ny hoe "Manenjika fivavahana ny ato", na hoe "Tsy mino an'Andriamanitra ny ato" ... na hoe "Tsy mino an'i Jesoa Kristy ny ato", dia ho hita eo ny vokany.
Mbola averiko amin'i tsimiandravola ihany io fanontaniana io.
Ka tsotra fotsiny ny valiny:misy ny structure na institution tsy misy ifandraisany amin'ny finoana izay tsy ho tanisaiko eto,ary manana ny succès-ny avy ireny rehetra ireny.Faha-2:tsy hitako mihitsy izay tsy maintsy hanankinana ny fahombiazan'ny asa sosialy amin'ny finoana,kanefa na mahomby amin'ny asa sosialy aza ny antokom-pinoana dia tsy mariky ny fahamarinany izany fa adidy tokony ataon'ny rehetra na mpino na tsy mpino eo anivon'ny fiaraha-monina.Resaka proselytisme fotsiny ny fampiderana hoe izahay kristianna mahavita azy nohon'ny finoanay an'i Jesoa.Faha-3:Noho izany rehetra izany dia tsy misy antony tokony hanasiana titre araka ny nolazain'i marozevo toy ny hoe "manenjika temoin de jehovah ny ato na manenjika kristianna sy Silamo....
Résumé:Rehefa miverina sy insisté ny resaka STUPIDITE toy io dia hoy ny baiboly hoe "même si vous pilez dans un mortier avec des grains le stupide,celà ne le séparera pas de sa stupidité" (proverbe).
31. jentilisa
(
20/01/2006 07:17)
Adidy napetraka tamin'ny kristiana ny asa sosialy fa tsy azo terena hanao izany ny tsy mpino! avelao izy hijanona amin'ny ara-tsaina!
tsy natao hifaninana koa ny asa sosialy fa mampirehareha izany nefa ny fireharehana anisan'ny fahotana koa! Ny zavatra atao amin'ny fitiavana ihany no mety (sy ankasitrahan'Andriamanitra e! :°))
tsy natao hifaninana koa ny asa sosialy fa mampirehareha izany nefa ny fireharehana anisan'ny fahotana koa! Ny zavatra atao amin'ny fitiavana ihany no mety (sy ankasitrahan'Andriamanitra e! :°))
32. marozevo
(
21/01/2006 00:58)
jentilisa:
Adidy napetraka tamin'ny kristiana ny asa sosialy fa tsy azo terena hanao izany ny tsy mpino! avelao izy hijanona amin'ny ara-tsaina!
tsy natao hifaninana koa ny asa sosialy fa mampirehareha izany nefa ny fireharehana anisan'ny fahotana koa! Ny zavatra atao amin'ny fitiavana ihany no mety (sy ankasitrahan'Andriamanitra e! :°))
Tena ekeko ity hevitrao ity.
Fa ny an'i tsimiandravola kosa tsy ekeko satria tsy fireharehana velively no anaovan'ny Fiangonana asa soa fa fitiavana tokoa.
fa ny fahitako an'i tsimiandravola dia tena maimbo ra mihitsy eh... tonga dia sahy milaza fa stupide izahay... misaotra anao àry aloha. Zany foana koa moa izy io... Hatrizay ka hatramin'izao, ary hatramin'ny farany dia stupide ny kristianina ka tokony ho foanana, tokony hatao an'izatsy sy zareo....
Nefa Tompoko... la caravane passe. (miverina koa io...stupide oh ?)
33. marozevo
(
22/01/2006 02:10)
tadidinareo ve ilay kiaka fanaon'i Bodo ? "Aiza oh !!". Inona ary, izay mahafantatra no idiran'izany eto ?
35. routa
(
22/01/2006 10:45)
lava lotra ka manjary mahakamo ny mpianatra ry mpampianatra fa aza atao lava lotra:-D:-D
36. marozevo
(
22/01/2006 20:12)
routa:
lava lotra ka manjary mahakamo ny mpianatra ry mpampianatra fa aza atao lava lotra:-D:-D
Mba lazao mivantana ny anaran'olona manao lava resaka eto... fa ny anay mbamin-dry dadabe zara fa misy ve dia voafaoka ao anatin'izany koa ?
37. jentilisa
(
23/01/2006 13:15)
ny hevitra hoe novaina ny baiboly na natao hosoka dia ny Silamo no namoaka izany sy midradradradra izany rehefa misy ny adi-hevitra.
Jereo ny hafetseny! mody hoe ampiraisiny volo ny monoteista nefa ny hevitr'ireo ihany no ampiadiany!
Jereo ny hafetseny! mody hoe ampiraisiny volo ny monoteista nefa ny hevitr'ireo ihany no ampiadiany!
38. marozevo
(
24/01/2006 00:17)
Dia iza ary izany no tena manarina ny fiaraha-monina eh ? Iza no tena mitondra fivoarana ?
39. jentilisa
(
24/01/2006 07:15)
fivoarana eo amin'ny toe-karen'ny firenena sa eo amin'ny fiaraha-monina iray?
40. marozevo
(
25/01/2006 01:10)
tsy afaka hivoatra ny firenena iray raha tsy mivoatra aloha ny fiaraha-monina any amin'ny fototra. Io no nahavoa an zalahy nitondra hatramin'ny 1975 - 2001. tsy te hiditra politika sanatria, fa ohatra ihany iny.