PROTESTANT

41. marozevo ( 17/01/2006 21:29)
naritsimba:

Ny finoana d dia na kristiana na tsy kristiana, ny fombam-pivavahana no samihafa ka niteraka ny anaram-piangonana ho katôlika sy protestanta



Misy ekena io, saingy tsy ny fombam-pivavahana ihany no samy hafa fa ilay fiainana ny finoana mihitsy... Asa na inona no filaza azy, fa ireto no ohatra amin'izany :
Sakramenta - Masina Maria - Olomasina - Rafi-pitondrana ny Fiangonana - Baiboly irery dia ampy - Finoana irery dia ampy - Asa soa - Fanamarinana (Justification) avy amin'i Kristy...
Ireny no mbola tsy voahoatrantsika ka mahatonga izao fahasamihafana izao.
EEnga anie ity herinandron'ny Ekiomenisma ity mba hanampy ireo fahazavana kely efa hita taratra.
42. dadabe ( 18/01/2006 01:55)
marozevo :D:D fa zao kalou e, ny finona =Jesosy , fa ny antokom-pivavahana misy anao dia katolika na FJKM sns....moho izany ny Katolika dia tsy finona fa antokom-pivavahana :D
43. naritsimba ( 18/01/2006 04:00)
dadabe> marina zany
44. marozevo ( 20/01/2006 00:36)
lalina indray ity deduction'i dadabe ity marina moa ! .. Ndao ary hatao hoe FINOANA IRAY ao anatin'ny ANTOKOM-PIVAVAHANA kristianina eh.. amin'izay mitovy lasitra tsara na Katolika na Protestà.
Ary adinon'i dadabe angaha ny filazako eo ambony hoe "..ilay fiainana ny finoana..". tsy ny finoana no olana fa ny fiainana azy... Ny an'ny katolika ohatra dia tafiditra ao anatin'ny rafi-pinoany mihitsy ny hoe Masina Maria....Olomasina.. sakramenta fito...., ka asa ireo na finoana na antoko na fiainana... tsy haiko.
45. diamondra27 ( 20/01/2006 12:57)
marina io ka! ny katolika na protestant na silamo de anarana fa ao anatin'ireo no misy finoana hoe: protestant= mino an'Andriamanitra tsitoha mpanao ny lanitra sy ny tany etc....
Ny katolika = mino masina maria virjiny........
Ny silamo = mino ny mahome ......
46. dadabe ( 20/01/2006 13:57)
silamo mino an'i Allah

marozevo > io izao no ndeha atontsika ohatra hoe " mino an'i masina maria ny antokom-pinoana katolika romanina " dia io no notoherin'i calvin dia namorona antokom-pinona vaovao izy
47. marozevo ( 21/01/2006 01:16)
dadabe:

silamo mino an'i Allah

marozevo > io izao no ndeha atontsika ohatra hoe " mino an'i masina maria ny antokom-pinoana katolika romanina " dia io no notoherin'i calvin dia namorona antokom-pinona vaovao izy



Azavao tsara fa tsy dia mazava ny filazanao azy.. nefa tiako be ilay ady hevitra.
Zao manko le izy anh... I Luther, Zwingli sy calvin dia samy tsy nisy nametraka olana momba an'i Masina Maria tamin'ny fotoana nanaovany ny reforme (16eme siecle io).- resaka hafa no niadiana tamin'izany, indrindra tamin'i Luther, dia ny hoe inona ny teny ampiasaina; Presence reelle; sy ny sisa... Aty aoriana anefa ireo manaraka azy dia nanjary tsy nisy ilay mbamin'ilay tsy niadian.kevitra : Masina Maria.. dia eo ilay tsy azoko.
fa na izany na tsy izany, dia eo aloha isika izao... samihafa... voazarazara ... voavakivaky... Amin'ity herinandro ity, asa any aminareo, fa eto aminay mivavaka valo andro (18 - 25 janvier) ho an'ny firaisam-pinoana angaha moa sa hoe miara-mivavaka ny samy hafa finoana, tsy haiko tsara. Ataoko ilay mivavaka, ary ataoko amin'ny fo tokoa na dia tsy azoko tsara aza.
48. diamondra27 ( 21/01/2006 07:15)
Inch'Allah doly e
49. dadabe ( 21/01/2006 12:28)
marozevo> fa angaha moa tsy ilay fividianana fahotana no notoherin'i lotera sy ny tariny (indulgence)??
50. marozevo ( 22/01/2006 01:49)
Anisany io ... tsy hoe fividianana fahotana fa fividianana asa fivalozana eh... Izay no nahatonga ahy niteny etsy ambony hoe SY NY SISA, fa ilay momba an'i Masina Maria dia tsy nametrahan'i Luther olana na iray aza... Saingy ny zava-misy dia ny fotoana nanaovana definition dogmatique mbola taty aorian'ny fisarahana... Izay koa angamba no antony. Fa ny Virginité anefa efa taloha be...
51. dadabe ( 22/01/2006 04:00)
ahan !! matoa anie i lotera niala izany dia satria hitany fa tsy mety mihitsy ilay mividy asa fivalozana e , fa ny olona t@ izany dia sarotra ovaina tahaka ny @ izao fotoana izao
52. marozevo ( 26/01/2006 00:54)
Eo kosa aloha dia tena marina eh... Tsy mety ilay mividy asa fivalozana. Ny zava-nisy tamin'izany fotoana izany manko dia izao, ny asa fivalozana dia tena faran'izay sarotra be mihitsy, sady taona maro be vao vita. Vita io, vao mahazo famotsorana ianao... ka ireo mpanam-bola toa an'dry Sophie sy ny namany dia manakarama olona hafa mba hanao ilay asa fivalozany. Dia maro ny zavatra aterak'izany : fifanambaniana, fanitsakitsahana ny zon'olombelona, fampitenenana ny vola. Saingy aoka kosa ho marihina fa tsy ny Fiangonana no niteny hoe "mividiana ianareo asa fivalozana, na hoe mivarota asa fivalozana, na hoe ianareo mahantra mikaramà amin'ny asa fivalozana". Ny olona no nifandamina hoazy teo, dia nanorina an'io. Ny tsinin'ny Fiangonana tamin'izany, araka ny hevitro, dia ny tsy fahasahiany niteny hoe tsy mety io.
Fa taty aoriana dia tsy nisy intsony izany ... amin'izao fotoana izao hono, araka ny henoko tany ho any, raha tsy manome asa fivalozana ry zalahy Maopera dia ny olona indray no miteny sy mitaky hoe "Inona no asa fivaloszana hataoko Maopera?". Indraindray ry zalahy manao valy boraingona hoe : "Ianao very karama, izaho vaky damizana, ka samy miala ry zanako".
53. dadabe ( 29/01/2006 03:37)
marozevo > hono hoaa ?? tsetratsetra tsy aritra fa ahitsio zah raha diso a, fa angaha moa tsy hoe karazana fangalana hetra (tax ) ankolaka t@ izany fotoana izany no nataon'ny eglizy t@ izany , mba hanampiany ny fanjakana satria ny eglizy no nibaiko ny fanjakana t@ izany fotoana izany , dia @ alalan'ny asa fifavalozana no hampidirana hetra

asa re....
54. marozevo ( 30/01/2006 00:37)
zavatra tsy mifanohitra loatra anie izany eh... Ilay taxe miainga amin'inona... Sady tsy zavatra tokana fa zavatra be dia be no nifangaro tao. Raha ny marina dia tsy maintsy ho natao ny reforme tamin'iny vanim-potoana iny, fa ny olana dia misy foana ny extremistes, misy ny moderés ary misy ny traditionnalistes.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1041