PROTESTANT

21. vetsoko ( 13/01/2006 14:35)
tsy ny anaram-piangonana no midika inona fa ny hoe mifototra @ inona na @iza ny finoanao,amin'ireo fiangonana rehetra voalazanareo rehetra ireo dia samy misy fahagaganadaholo,samy fanasitranana daholo,samy misy olona mandray fahasoavana daholo ets,ets ary samy misy ny tsy mety kely araka ny fijerin'ny tsirairay azy satria samy hafa ny ANTOKOM-PINOANA fa tsy NY FINOANA akory,hoy ny tenin'ANDRIAMANITRA HOE: "mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra,izay mino sy atao batisa no hovonjena..."Noho izany tsy ny efa mino no clientsn-tsika mpino fa ny tsy mino sy tsy mahalala,ny mampalahelo mantsy dia ny antokom-pinoana sasany dia mandresy lahatra sy manaratsy ny antokom-pinoana sasany,izay efa samy mpino,diso clients izy
22. routa ( 13/01/2006 15:44)
efa misy firy re ny karazana anarampiangonana zay e?
23. Vahinala ( 13/01/2006 16:05)
routa > Maromaro ihany hoy ny tsy mahay manisa e !
24. beza ( 13/01/2006 20:35)
Vahinala:

routa > Maromaro ihany hoy ny tsy mahay manisa e !


ity misy radio kristianina e! tsy mifidy anarampiangonana izany fa mampifankatia ny malagasy rehetra na inona na inona antokompinoanao.www.faniloradio.com
25. beza ( 13/01/2006 20:35)
www.faniloradio.com
26. jefra ( 13/01/2006 20:42)
Ampiako kely:
-Ny katolika/protesta - efa eo ambony
-Ny Anglikana d katolikan'i Angletera. Tsy nanaiky ny divorsa nataon'ny mpanjakany ny papa dia nisaraka t@ roma izy ary nanosi-tena ho filohan'ny eglizy ao @ fanjakany, izay antsoina hoe: anglikana.
-Ny oritodoksa d mitovy fototra @ katolika fa tsy nisy ilay influence romaine.
27. Vahinala ( 14/01/2006 11:45)
beza > Misaotra e !
28. dadabe ( 14/01/2006 16:10)
vahinala tratrako eto ihany a :*:*
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 13-01-2006 03:45:22
Lohateny : Re : PROTESTANT
sao dia heverin'i dadabe hoe tezitra aho eo ambony eo ahn... tsia, tsy tezitra aho fa manao aksan kely fotsiny. Okay !

okay e :D:D tsy misy olana izany e :D
29. cutie ( 14/01/2006 16:45)
ny protestant de ze rehetra tsy katolika.
30. Veloo ( 15/01/2006 03:05)
ny fiangonana rehetra izao dia mihezaka hiray hina lay atao oe eocuminisme... to otrany tsy ,misy intsony ny oe ty katolika ty protestant knou8)
31. routa ( 15/01/2006 04:08)
tsy hitambatra zany io veloo a!:)
zaho aloha tsy hino fa ho tonga iray reo e! anarampiangonana ray aza miady ko
32. dadabe ( 15/01/2006 08:23)
hummm size vaovao indray izany
"ahoana ny hevitrao ny amin'ny hoee ekiomenisama " :-whummmm manana zavatra maro horesahana ihany koa aho mikasika izany fa sokafy hoee ry veloo :-w
33. diamondra27 ( 15/01/2006 11:17)
veloo: ie tena miezaka ry zareo zao ka, le JMJ nge de zay no but-ny be! de misy hafa koa vao haingana na de nymusulman aza ni-participer henoko t@ journal télévisé io
34. dadabe ( 15/01/2006 15:43)
diamondra a> misy zavamiafina hoaa ao ambadika fa izany hoe sokafy ilay size dia avoakako eo ilay izy :wink:
35. yonikafopl ( 15/01/2006 19:38)
kou maninn raha dadabe no manokatra fa miandry ny sasany hanokatra ve vo mahasahy miditra :-w:-w
36. marozevo ( 15/01/2006 23:20)
I dadabe mi-insiste foana amin'io daty 475 io, nefa efa im-piry lazaina fa tsy izany no izy. Misy angano kely ho lazaiko ity.. analogie ihany anefa...
tany Ambohitsitononina hono, nisy sekoly nalaza satria maranitra be ilay prof de physique chimie. Indray andro izy dia nampianatra momba ny oxygène. Dia nolazainy fa tamin'izao daty (.. tsy tsaroako kosa aloha ilay daty...) no nahitana voalohany ny oxygène. Taitra i le Bingo, anisan'ny mpianatra ka nametra-panontaniana hoe : "Azafady ramose ! Dia inona izany no niveloman'ny olona talohan'io daty io ?", satria fantatr'i Le Bingo fa tsy afaka ho velona ny olona raha tsy misy ny oxygène. Dia nihomehezana fotsiny... Angano angano arira arira, tsy izaho no mpandainga fa ny claviern'ny ordinatera no nanoratra an'io.

Ho an'i dadabe àry... azonao valiana ve io fanontanian'i Le Bingo io? Tena dinihina tsara vao valiana anh... ary valiana tsara fa tsy mikomehimehy fotsiny... Raha tsy izany avelao ny anganoko ho ahy ihany.
37. Veloo ( 15/01/2006 23:59)
yoni ie wa retsy a
dadabe ataovy retsy a
routa ie marina ny anjy ny adventista dia tsy ao anatin'io ekominisama io :wink:
38. dadabe ( 16/01/2006 02:08)
marozevo :-@ misaotra aloha t@ fanitsiana daty e, fa amiko ilay zava-nisy no zava-dehibe ary zah olona azo ahintsy , noho izany manaiky aho fa diso ny daty , fa ny zava-nisy kosa marina ara-tantara , sa......mbola diso indray ve aho ??ary raha ny hoe nomen'ny emperora romanina fahefana ny evakan'ny Roma ho filohan'ny Eglizy katolika romanina , diso ve izany ??? ilay daty izany no diso dia manaiky ahoe, hay tokoa moa i marozevo efa nandalina teolojia dia mahalala zavatra betsaka kokoa noho izaho, dia aleo aho tsy hilaza daty intsony fa ny tantara kosa holazaiko avokoa.

mikasika io angano io dia tsy dia hitako lotra izay lazaina satria ilay izy anganofa tsy zavatra marina tahaka ny hoe " niala tao @ katolika i lotera satria tsy annaiky ny indulgence na ny mividy fahotana",brrr!!

marozevo > vita tompoko (zah tsy mahay chimie:wink: )
39. marozevo ( 16/01/2006 23:36)
dadabe > Ary amin'ny loha hevitra hafa ary ianao dia tsofiko rano hiala, fa raha eto kosa dia iangaviako mba hiaraka aminay eto ihany. Mahafinaritra be manko ny mifanakalo hevitra aminao rehefa tena mba valianao tsara le zavatra.
Io indrindra ilay olana eh... Sady daty no tantara. Ny angano angano ihany... fa mety hitondra fisainana koa.
Marina fa nomen'ny Amperora fahefana ny Evekan'i Roma ho antsoina hoe Papa. Saingy tsy io no tena fondement n'ny fahefany. Mba tsy tiana hoe tsy to teny ny amperora, dia nekena iny. Fa ny fahefan'ny papa dia vokatr'ireto zavatra roa farafahakeliny ireto :
1 - Fahefana avy amin'i Jesoa Kristy, nampitainy tamin'ny Apostoly sy ny dimbiny rehetra.
2 - Fahefana avy amin'ny fikaonan-dohan'ireo mpitondra ny Fiangonana tany am-piandohana. Asa na fantatrao fa nisy ny atao hoe Konsily ekiomenika (21 ny isany), Konsily regionaly, sinaoda ... sns. Ireny tsikelikely no namaritra ny Fahefan'ny Papa fa tsy ny Amperora velively.
40. naritsimba ( 17/01/2006 04:52)
Ny finoana d dia na kristiana na tsy kristiana, ny fombam-pivavahana no samihafa ka niteraka ny anaram-piangonana ho katôlika sy protestanta
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009