ny vola gasy ankehitriny!

1. jentilisa ( 04/01/2006 12:14)
Ahoana ny fijerinareo ireto roanjato sy ariary zato feno scotch sy tapaka eo amin'ny misy ilay fil kely iny? Izao ka ny dimanjato sy ny arivo dia manomboka tratra ihany koa na ny taloha na ny vaovao!Inona no mety antony hoy ianareo?
novalian'i jentilisa ny 14/01/2006 13:33
2. Veloo ( 04/01/2006 14:20)
namboarana maikamaika, zara fa vita?
3. chipie1 ( 04/01/2006 16:31)
asehoy oe zany volagasy zany fa tsy hitanay ka , zay vao afaka hamaly lé fanontaniana e :-D:-D
4. rstellin ( 04/01/2006 17:19)
vola zara fa vita ioee ary namboarina hanesorana ny efa vita koa
5. fijo ( 05/01/2006 04:32)
ka mety manamarina le vola ry zareo dia eo no tatahany ahitana na misy le "fil"kely marina na tsia ka
6. pika ( 05/01/2006 04:35)
mora simba ry jentilisa a ilay roanjato taloha aza no mbola ahitana tsara fa raha ilay vao2 mora potika malemilemy
7. fasaly ( 05/01/2006 05:54)
jentilisa:

Ahoana ny fijerinareo ireto roanjato sy ariary zato feno scotch sy tapaka eo amin'ny misy ilay fil kely iny? Izao ka ny dimanjato sy ny arivo dia manomboka tratra ihany koa na ny taloha na ny vaovao!Inona no mety antony hoy ianareo?



ny antony aloha am fahalalàko azy de zao: ny gasy ny mpivarotra hanana indrindra indrindra na ny mpivarotra sasany, loza loatra raha hamoroporotra vola de moura tonta be lay izy, satria ny am firenena hafa tsa de misy otran'izay firy satria hainjareo ny mandamina azy milamina mivelatra tsara ao anaty prote feuille na poketra...sa tsy izany:wink:
8. Vahinala ( 05/01/2006 08:12)
Nareo anga ahoana fa ny any vaza koa anie aty mba misy tena ratsy be mahatsiravina mihitsy e, za aloha efa nahita e, niantsena tamina grandes surfaces za d nalohako cash d namerenan'ilay caissière vola ratsy be za, tsy nety nandray za fa soloy kosa hoa ty azafady fa ny vola nomeko anao teo nadio be, menamenatra ery ilay vehivavy nefa izy tao nanana tsara ihany kay, asa koa raha mbola le eritreritra manavakavaka ihany no mahatonga izany, asa aloha e !
9. vale ( 05/01/2006 09:44)
jentilisa> nefa tokony mba asiana hajany ihany ilay vola fa iny no antoky ny fahazoana ny retraretra: ividianana izay ilaina é!mmmmh!na de oe tsy hary hanana "poketram-bola" daholo ny olona tsirairay iny anie azo avalona efatra ohatra de atao any am-posy fa tsy aforimporitra otran'ny inona é!ny antony hitandremana ny fitehirizana azy koa dia na ny vahiny aza dia hitsikera antsika @ alalan'iny vola miforimporitra be iny !mmmmh!
jereo nefa ny an'ny olona ny fitandremany azy! satry iny na hovaina amboarina @ inona aza rehefa tsy hajaina de tsy maintsy izay no lalany! asa raha tsy oe ovaina vola vita @ selofana angà :roll: :-D
10. Vahinala ( 05/01/2006 10:57)
vale > Atao plastika ! :?::?:
11. jentilisa ( 05/01/2006 11:46)
ny mahavariana anie indraindray dia mbola tsy niforitra ilay vola fa tonga dia tataka eo amin'ilay fil, mahalasa eritreritra hoe sao dia gafy kosa ary? Ilay hoe zara fa vita kosa aloha tsy valinteny amiko satria mpanao vola izany tsy nataotao foana!
Ilay fanajantsika ny vola, ohatra vola atao ao ambany anana, avy eo tondrahana rano iny anana iny dia mazava loatra, vola taratasy inona no haharitra amin'izany rano izany.
12. fasaly ( 05/01/2006 13:05)
kou jereo anie e! lasa mpivarotra daholo mantsy ny ankabeazan'ny malagasy amzao satria io no mampiditra kely isan'andro de jereo tsara ny fandsraisanjareo ilay vola taratasy de ao aforiporitra ao de tsy misy fitsitsiana zany , ny an'i mpiavaortra saribao sns....zay no tena hitako fa naha remarké ani"zay mihintsy zà, araka ny tennin'i vale hoe tsy manana poketrambola ny sasany de hatao anatin'ilay paosy ao de miforoporotra ao izy rahateo efa manify kely zara fa vita.
13. Vahinala ( 05/01/2006 13:18)
Tsy ny fanamboarana azy no tsy nety fa tena isika malagasy mihitsy no mbola maro no tsy mahay manaja zavatra e, ary tsy resaka vola ihany io fa na inona na inona mihitsy, ilay toetsain'ny olona sasany no mbola tsy mety mivoatra foana. Raha tsy diso aho dia aty ivelany ireny vola ireny no amboarina fa mizara fotsiny ny banky foibe, mino kosa aho fa mba manana traikefa ihany ny mpahay zavatra vahiny ka ataoko angamba fa tsy marina aloha ilay hoe vita kitoatoa ilay vola.
14. jentilisa ( 05/01/2006 15:04)
sao dia tarazon'ilay hoe vola baoritra fony zanatany ary? Tamin'izany manko vao nisy vola taratasy fa noambaniana'ny gasy maro aloha ireny?

Ny mahavariana dia ny faritra Antananarivo sy Fianarantsoa no tena tsy mahay manaja vola fa ny faritra hafa toa metimety ihany sa izaho no diso fijery?
15. Veloo ( 05/01/2006 16:59)
jentilisa a, ilay vola kely no tena ampiasain-njy zareo. jereo anie ilay 10000 ariary e tsy misy manimba hihihi
16. pitchou ( 05/01/2006 17:28)
asa raha misy firenena mbola maharesy antsika @ tsy fanajana vola?
17. kally ( 05/01/2006 18:44)
Eo aloha ny tsy fananan'ny gasy "porte-feuille" am-paosy daholo ny vola azo raha tsy any anaty bà kiraro sao misy mangarona ny paosy,iray iny, nefa na izany aza...
Ny faharoa, ny gasy anie tsy mampiasa afa-tsy vola e! hafa ny vazaha carte(de crédit na débit) no tena ampiasainy,ny ankamaroany tsy misy vola izany any am-paosiny.
Ny antsika ilay avy etsy @ mpivarotra anana mando be nomena ny mpivarotra saribao, dia avy eo natakalon'ny saribao eo @ mpivaro-mofo, dia eritrereto @ izany ary.Sa ve hoe entina koa ny carte ho eny @ mpivarotra saribao sy anana?
18. fasaly ( 06/01/2006 07:17)
misy an'ialy hirarihana miantsena na mividy zavatra ny ankizy na ny mpiasa de ao anaty tanana ao aforoporotra ao lay vola kou aiza no tsy mora tonta...
19. jentilisa ( 07/01/2006 12:03)
Dia inona no mety ho vaha-olana hialana amin'izany? Sa amoahana lalàna mihitsy?
20. fasaly ( 07/01/2006 15:48)
mila miova ka! zay fotsiny.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3485