ny vola gasy ankehitriny!

21. jentilisa ( 09/01/2006 08:09)
Izaho manko toy ny zatra ho azy mahita ny an'ny Eoropeana (frantsay indrindra indrindra) raha vao misy ny mety hiteraka olana dia atao ny lalàna isorohana iny fa isika gasy kosa toa mandreha araka ny fieritreretana fotsiny!
22. fasaly ( 09/01/2006 09:05)
jentilisa tsika efa tena mafy toto be otran'ny tsy de hiaran'ny lalàna sy tsy mampihatra laàna zany aky!
mba marina mou zany, natao ireny ny passage piéton toana miampita any amin'ny tsy izy foana ny mpndeha antongotra, ny mpamily ndray tsy mba mijanona mahintsy na misy mpiampita antongotra mandeha passage piéton tena mbola ho ela wa e!!!!!!!
23. kally ( 10/01/2006 15:34)
Tsy misy an'izany hoe mafy toto izany fa ny fanasaziana no tsy ampy. Ny olona any ivelany manara-dalàna satria vidiana lafo ny tsy fanarahan-dalàna.Ny gasy ho sazianao izy haloany @ inona moa ity sazy mba hampiharinao, ny sakafo ho haniny aza manahirana azy!!!Raha miala eo izy aiza no hahitanao ny lava-tranony, hafa ny any ivelany efa anaty ordinatera daholo ny momba ny mponina tsirairay ka azo alefa @ paositra ny fitakiam-bola.Ka tsy toe-tsaina no tsy mampety an'io fa ny rafi-pitantanana.
24. Vahinala ( 10/01/2006 15:38)
jentilisa > Ny lalàna efa eo aza mbola betsaka ny tsy manaja fa manao izay didoha fotsiny koa maika fa ampiana, ohatra asiana ny wc publique sy ny fanariana zaoridira nefa d mbola betsaka ny manao maloto etsy sy eroa. Ny toetsain'ny tsirairay mihitsy no tokony mba asiana fihovana fa raha tsy izany tsy hisy ny fandrosoana.
25. fasaly ( 10/01/2006 17:54)
ka zay wa! mila miova mahatsapa tena dooly fa saortra be e! efa niaina amin'ilay hoe mandeha hoa azy lay olona dia tsy hiezaka ny hivaotra amin'ny tsara mintsy fa de ny omaly tsy miova foana....
26. kally ( 10/01/2006 20:03)
Ka io ho'a na tany aiza na tany aiza raha tsy ny fanasaziana no hamafisina aim-po very maina fa vitsy kely ny olona mahatsapa tena ho azy izany.
Tsy vahaolana izany hoe toe-tsaina no ovaina izany.
27. jentilisa ( 11/01/2006 15:00)
ny fampiharana lalàna kosa efa mihihenjana eto Dago e! mba manontanian anie mpamily fa tena miaiky mihitsy ry zalahy e!
ny minibus ihany fa na dia fiaran'olo-tsotra aza!
Dia mety ho misy ihany ilay fahabangan'ny lalàna satria tsdy afa-mihetsika mihitsy izay te-hampanaja zavatra rahatsy misy izay ianteherana hanasaziana azy! momba ilay hoe fanasaziana indray dia rehefa mandika lalàna izao mijafajafa daholo!
28. fasaly ( 11/01/2006 18:47)
koun zà vao haingana ny tany, reo mpandeha antongotra miampitampita fahatany eny rehetra eny nefa efa nasiana passage piéton zao ary vaovao io no fahitako azy fa taloha tsisy an'io, de ny mpamily kou miriotra ihany na de efa miampita aza ny olona na sasamiandry aza ny piéton mba te hiampita de lasa izao ry mpamily ihany aiza no tsy ho betsaka ny vaovao hoe nisy voahitsaka ndray hono tarokatra e!...
de maty hoatra ny akoho voahitsaka eny lay olona....
29. jentilisa ( 12/01/2006 09:23)
rehefa tsisy polisy aloha eo dia izany no ataony e! fa raha eo analakely tsy afa-migiaka izany tsy maintsy mijanona ny fiara rehefa bebe ny mpandeha an-tongotra hiampita!
30. Veloo ( 12/01/2006 19:20)
ilay vola otrany oe nofirana zany kle tena maloto mihitsy
31. jentilisa ( 13/01/2006 12:05)
misy mahatezitra mihitsy amin'ny fandraisan'ny resevera ny vola mbola tsy niforitra mihitsy an. Tahaka ireny hoe taratasy hifirana izany tokoa ilay izy. Kiriko mihitsy aho maheno ilay fanenon'ny vola naforitra toy ny hena baolina ary mahavita ilay resevera mihitsy. Nefa hifamaly amin'ny jiolahim-boto ve moa?
32. Veloo ( 13/01/2006 19:39)
o ry jentilisa a iza no jiolahim-boto zany kay?
33. jentilisa ( 14/01/2006 07:56)
ny maro amin'ny resevera e!
34. dadabe ( 14/01/2006 08:51)
sady miteny ratsy a:{
35. jentilisa ( 14/01/2006 13:33)
an!an!an! manao marary fo be ry zalahy rehefa valiako ankitsirano sady tsy sahy mamaly raha vao misy mpandeha hafa miteny ihany koa! tonga dia mangina hafahafa izany ao anaty bus!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7995