Sahirantsaina !!!

1. sariaka91 ( 03/01/2006 20:15)
Miarahaba antsika rehetra tratry ny taombaovao 2006. Mirary soa sy fahasoavana ho an'ny mpi-serasera rehetra !

Misy zavatra manahirana ny saiko tao ho ao. Misy olona any Antananarivo any misandoka mitondra ny anarako, milaza fa izaho, tonga manao vacances, zanak'i Ranona mipetraka tao ananona, mahalala ny mombamomba ahy sy ny fianakaviako, dia nisoloky 40 millions FMG tamin'olompatatro. Nony tonga saina ry zareo fa voasoloky dia nandeha namangy ny fianakaviako ary nangataka hijery ny sariko. Mazava ho azy fa tsy izaho ilay izy. Ny atahorako dia mety efa imbetsaka io sipa io no mampiasa ny anarako anaovany ny asa ratsiny. Ka mety misy @ireo voasoloky ohatra manao fitoriana à mon encontre. Dia mirisika ve izaho ? Nefa tsy misy preuve d'identité. Mandra-voamporofoko fa tsy izaho io, sao dia mba voan'ilay détention provisoire any Antanimora any izaho ohatra ? Possible ve ? Marihiko fa 15 taona izaho no tonga teto ary tsy nody intsony hatramin'izao. Inona no précautions tokony ataoko fa mikasa ny hitselika kely any izahay @ herintaona ?

PS : cours FMG iza mba afaka manome azafady ? Misaotra mialoha
novalian'i vale ny 07/01/2006 22:44
2. fasaly ( 03/01/2006 20:20)
ary aza modimody alouha ra tsy milamina ny rano e!
ataovy madio ny tts fa raha voaprofo ve fa taty andafy foana ianao inona koa no hatahorana amzany, ny dikany dia nisy nisandoka ianao e! manaova taratasy mazava tsara de alefaso any e!
ianao no mametraka pilainty kou!.....
3. fijo ( 03/01/2006 20:57)
an an ,tsy misy ahatahorana izany ka.ny pasipaoro dia manaporofo fa tsy nihetsika teto ianao.ka aza manahy.
ny olona mampindrana vola koa no diso fa ny lalana dia mazava.ny "fifanarahana arabola mihoatra ny 10000fmg dia mila fifanarahana antsoratra"ka raha nanao an'io izy ireo dia ny sonia no manaporofo fa tsy sonianao ilay ao.
ny cours ny €,dia hita amin'ny madagascar tribune isanandro
4. lapino ( 03/01/2006 21:17)
Hafahafa koa ange izany e! Olona tsy mahafantatra ny endrikao akory, sady tsy manana antoka amin'ny identité-n'ilay olona, dia manome vola 8 tapitrisa ariary ho anao!
5. Bariry ( 03/01/2006 22:41)
Tsisy atahoranao io kah...Ny passeport-nao milaza mazava tsara tsy tany Mdagasikara enao...Ary milamina saina fa aza mivaky loha an'izany eh!
6. jennifer2 ( 03/01/2006 23:22)
Zay eo ihany fa manaova hoy aho pleinte contre an'le misandoka.
7. sedra ( 04/01/2006 01:24)
tsotra fotsiny rehefa tsy nataonao ilay izy dia aza
mivadika atidoha amin'izany e!
8. moi ( 04/01/2006 05:44)
Tena tsy misy ahatorana izany e ! Izy no tokony hatahotra anao ko no ianao indray no toa matahotra ?
Tongava soa fa hanaovana fikarohana izy e ! Fa tsy adino ny fametrahana fitoriana a
9. Veloo ( 04/01/2006 13:56)
tandritrandremo ihany ry reto ny tampoka tsy maha lehilahy:°)
10. dadabe ( 05/01/2006 04:02)
fa inona le mahalehilahy ry veloo ??
11. fijo ( 05/01/2006 04:12)
rehefa hita koa le olona dia takio wa ny anjara fa aza avela any
12. pitchou ( 05/01/2006 17:16)
fa izany ve klou tsy olona mahafantatra anao sady fantatrao e? satria ahoana no ahaizany ny antsipirihany momba anao sady ahafantarany fa tsy misy risika ny ahatongavanao tampoka aty?
13. vale ( 05/01/2006 17:25)
Mba hafa ko izany olona izany! olona tsy fantany endrika dia omena volabe izany!!! ity fahatokisana ity marina mamandrika indray2 an!:roll:
14. pitchou ( 06/01/2006 18:11)
vale> ka mety azon'ny fandrekirekena koa le olona nanome vola ange e! betsaka ny azon-javatra otran'izany d rehefa lasa le olona vao otran'ny nifoha t@ torimaso izany
15. Veloo ( 06/01/2006 20:12)
dadabe a na dia mantanjaka ary njy rehefa votifotrin'ny bala de tsy lehilahy tsony e :-D:-D:-D
16. fijo ( 06/01/2006 20:20)
le mpanome koa,aloha manahirana ny hiteny azye.olona tsy haiko ery ve no homeko vola le.mpangataka ngaha ka manome aho.ary 50fmg
17. vale ( 07/01/2006 22:44)
fijo> ko ny mofogasy aza izao efa tsy azon'ny 50fmg intsony ko!:-D :wink:
picthou> mety ho izany tokoa! eeeeee! tena misy ola mahavita zvt marina an!:!::!::!: :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1377