Manorisory

1. sariaka91 ( 03/01/2006 20:06)
Misy zavatra manahirana ny saiko tao ho ao. Misy olona any Antananarivo any misandoka mitondra ny anarako, milaza fa izaho, tonga manao vacances, zanak'i Ranona mipetraka tao ananona, mahalala ny mombamomba ahy sy ny fianakaviako, dia nisoloky 40 millions FMG tamin'olompatatro. Nony tonga saina ry zareo fa voasoloky dia nandeha namangy ny fianakaviako ary nangataka hijery ny sariko. Mazava ho azy fa tsy izaho ilay izy. Ny atahorako dia mety efa imbetsaka io sipa io no mampiasa ny anarako anaovany ny asa ratsiny. Ka mety misy @ireo voasoloky ohatra manao fitoriana à mon encontre. Dia mirisika ve izaho ? Nefa tsy misy preuve d'identité. Mandra-voamporofoko fa tsy izaho io, sao dia mba voan'ilay détention provisoire any Antanimora any izaho ohatra ? Possible ve ? Marihiko fa 15 taona izaho no tonga teto ary tsy nody intsony hatramin'izao. Inona no précautions tokony ataoko fa mikasa ny hitselika kely any izahay @ herintaona ?
novalian'i Veloo ny 13/01/2006 19:35
2. sariaka91 ( 03/01/2006 20:11)
Azafady, saika hadino Mirary soa ho antsika rehetra tratra soan'ny taombaovao 2006
3. jennifer2 ( 03/01/2006 23:20)
Manionona raha mametraka pleinte any antananarivo?
4. Herimiafina ( 04/01/2006 00:40)
Fampiasana anaran'olona na "Usurpation d'identité" izany. Tsy misy n'inon'inona hitranga aminao satria ianao manana fialanabala (alibi) matanjaka: tsy tany ianao tamin'ny fisolokiana nidona.
Manao plainte contre X ianao dia milamina.
5. dadabe ( 04/01/2006 02:38)
io lazain'i herimiafina io no tena tsra indrindra , manaova plainte cotre x de milamina ianao
6. fijo ( 04/01/2006 04:21)
ny pasiport no profo anananao,ka aza matahotra.raha toa ka nifanao fifanarahana koa ireo olona voasandoka sy ilay mpisandoka ,dia tsimaintsy misy sonia;ka hita mora fa tsy ny sonianao no ao;
7. xxx ( 04/01/2006 10:03)
mety ho azonao atao koa ny mandefa annonce amin'ny gazety mpiseho isan'andro mampitamdrina ny olona fa misy misandoka ny anaranao, fa izany hoe mety ho lasa malaza indray ianao ka na tena efa ianao aza no tonga aty dia miahiahy ny olona hoe ity ilay mpisandoka.
8. jentilisa ( 04/01/2006 11:54)
Ilay anaranao tena izy ve? dia ahoana koa no ahafantaran'izany olona izany ny momba anao raha tsy olom-pantatrao izany misandoka izany?
9. lapino ( 04/01/2006 11:56)
Ohatra ny misy double izy izany ?! http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m43badb4a9ad2a
10. Veloo ( 04/01/2006 14:20)
fa ahona ary no atao double?:°):°)
11. landihazo ( 04/01/2006 14:43)
possible hoe nanana ny certificat de naissance dé iny no nanaovany papier vaovao ve satria fantany tsara fa tsy an toerana i sariaka91. Ato koa aza misy misandoka maro be :roll: :°)
12. fijo ( 05/01/2006 04:34)
tandremo ihany fa maro no misandoka izao an
13. Vahinala ( 05/01/2006 08:06)
Marina daholo zany, le plainte contre x io no tena tokony atao haingana indrindra,ianao taty ivelany foana fa tsy tany an toerana ka na tsy manana porofo mivaingana mikasika ilay olona aza dia afaka manamarina ianao fa tsy tany antoerana mihitsy nandritra ny fotoana nitrangan'izany fisolokina izany,dia mahereza ary halamino ihany ny saina ar ataovy haingana io zavatra io.
14. APOKY ( 13/01/2006 05:25)
matahotra izany ianao sao dia efa détenu any antanimora any izao ny fanahinao?Tsy izany fa ny vatanao sy ny sainao ary ny fonao mbola miriaria any.eeiiy! Tsisy olana re izany fa aza mivaky loha am zany a. Izay nanao ratsy no tokony hatahotra.
15. dadabe ( 13/01/2006 06:25)
hummmm!!ekena
16. Veloo ( 13/01/2006 19:35)
:°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2288