Dinika vaovao

1. hery ( 29/12/2005 20:40)
Lohahevitra vaovao mety mahaliana eto amin'ny forum.serasera.org indray no nosokafana androany. Resaka momba ny fiarakodia. Ho an'ireo mpitia fiara-kodia. Fizarana traikefa. Vahaolana teknika. Fanovana na fanamboarana fiarakodia. Vaovao momba ny fihaonan'ny mpitia fiarakodia.
Raha misy vonona ny handrindra ity lohahevitra ity dia isaorana mialoha. Afaka mandefa hafatra manokana aty amin'i hery. Namana mpikambana nihoatra ny 4 volana.
novalian'i adam ny 07/01/2006 18:04
2. dadabe ( 29/12/2005 23:20)
hummm interressant indray izany a
3. jennifer2 ( 29/12/2005 23:52)
woaow! tsara izany loha-hevitra izany!
4. diamondra27 ( 30/12/2005 06:41)
de azo asiana dokambarotra koa zany rah misy te hivarotra ny fiara-ny?

tsara lou le hevitra e!nena zao ny tiko de le dernière modèle le varavarana sokafana @ ratsatanana fa tsy lakle tsony de le volant koa tahak'izany tsy mila laklé fa feo fotsiny d'efa mandeha
5. Fiffi ( 30/12/2005 12:02)
tsara be ilay hevitra fa saingy hoe tsy maintsy namana efa mpikambana nihoatra ny 4 volana izay vao afaka handrindra ilay hevitra . Sady mino aho fa natokana ho an'ny lehilahy izy io sa ..... ?
6. hery ( 30/12/2005 12:37)
ny anton'ilay hoe namana mihoatra ny 4 bolana dia mba ilaina ny namana tsy ho voafafa ato ho ato. Mba namana efa matotra eto amin'ny serasera izany.
Tsy voatery ho lehilahy kah.
7. Fiffi ( 30/12/2005 14:36)
hery: tsy azoko loatra ilay hoe " namana tsy ho voafafa ato ho ato " satria matoa ka maka an'io responsabilité io ilay namana dia efa vonona izany izy handrindra azy. Sa misy zavatra hafa ve ahatonga azy ho voafafa ato ho ato ?
8. Ralay ( 30/12/2005 15:21)
Tena tsara ity lohahevitra ity fa saingy ilay fotoana no mety tsy haharaka :lol: fa alefaso dia jerijerena eo ihany e
9. kally ( 30/12/2005 18:58)
Fiffi> F'angaha akia indry tsy tia fiara no hoe natokana ho an'ny lehilahy ihany?
10. jonivato ( 30/12/2005 19:01)
Fiffi:

hery: tsy azoko loatra ilay hoe " namana tsy ho voafafa ato ho ato " satria matoa ka maka an'io responsabilité io ilay namana dia efa vonona izany izy handrindra azy. Sa misy zavatra hafa ve ahatonga azy ho voafafa ato ho ato ?


Refa tsy ilaina angamba de ho fafana ato ho ato! hihihihi,

11. fijo ( 30/12/2005 19:05)
kia bla nga mahay mikarakara fiara????
12. Ralay ( 31/12/2005 05:21)
kally: tsy hoe natokana ho an'ny lehilahy ihany fa raha misy vehivavy mahay mecanique dia vao maika tsara fa aza misalasala :lol:
13. Herimiafina ( 31/12/2005 05:23)
Favy tena favy ity hevitra iray ity, misaotra an'i Hery. Ary dia handray anjara tokoa ny tenanay na amin'ny fanontaniana na amin'ny ady hevitra na amin'ny fanoroan ahevitra, hehehehe:-D:-D
14. diamondra27 ( 31/12/2005 07:44)
ary heveriko fa efa mande ny dinika kay mbola fanontaniana kle! tena tsara ka. Za tena tia fiara be mihitsy na de oe vhv aza . De misy tokoa ny fanontaniana hoe: inona no mahatonga ny echappement ho mainty ny setroka mivoaka?
15. kally ( 31/12/2005 08:08)
fijo:

kia bla nga mahay mikarakara fiara????



Fa schou heverin-droky fa tsa mba nilalao kalesa ary aho fony kely!!!?
16. Fiffi ( 31/12/2005 08:30)
kally: an3 , tsy hoe tsy tia fiara akia an! fa matetika manko ny lehilahy foana no ohatran'ny voakasika raha vao resaka fiara . Izaho koa aloha nitaingina kalesa fony kely e! dia efa mba navadia fiara metimety zao :-D:-D:-D:-D
17. diamondra27 ( 31/12/2005 11:02)
hery: efa io mandrindra handrindra azy koa inona indray no andrasana
18. dadabe ( 31/12/2005 11:44)
diamondra> inopna no fiara tindry ??:-w:-w
19. kally ( 31/12/2005 16:33)
Na tsy izaho aza no anontanian'i dadabe dia hamaly ihany aloha!

Ny ahy ny fi
20. kally ( 31/12/2005 16:34)
Tapaka ho'azy fa azafady.
Ny fiara tsy tiako indrindra aloha dia ny peugeot sy ny renault.
Ny mbola tiako nefa tsy misy intsony ny DS.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5535