Ny Malagasy ihany

1. LazaRandri ( 22/12/2005 07:51)
"tsy misy azo itokisana hampandroso an'i Madagasikara afa-tsy ny Malagasy ihany". Teny fahenon'ny diaspora aty ivelany izany.

Efa fahazarana miteniteny foana ve sa tena vokatry ny fo? Mahazendana mantsy ny mahita ireto vahiny marobe mitazona ny "poste cle" ireto (ohatra aaminizany ny JIRAMA)
novalian'i soanja ny 17/04/2006 13:07
2. sonwin ( 22/12/2005 09:14)
ao amin'ny presidence aza moa dia feno an-dry zareo mihitsy...
3. mandrindra ( 22/12/2005 10:04)
Ka ny mahavoa antsika malagasy dia be resaka sy be lazao fotsiny fa raha vao ny hanao zavatra dia tsisy hita daholo.
4. lanto92 ( 22/12/2005 11:03)
ny hevitro indray dia mety hoe itsika zatra mifanaratsy sy mifanenjika. Raha vao misy anakiray tafita sy mba te hanarina dia sitomin'ny rehetra hidina noho ny fialonana. Hany ka maka olona hoe neutre rizareo.
Tsy haiko aloha fa izay no mba tsapako.
5. Veloo ( 22/12/2005 20:58)
lanto92 marina zany lazain-njy zany...
nefa tokony mba hiray hina ny gasy tena tonga dia tafavoka mihitsy io lazaina ery ambony io:wink:
6. jentilisa ( 23/12/2005 05:04)
Avy eo zavatra tsy mifanentana na antonona ny malagasy no mivoaka avy tao satria ny hevi-bahiny no tena manjaka
7. lanto92 ( 23/12/2005 06:48)
veloo > isika mahavita zavatra raha omena fahalalahana. Tena marina mihitsy ilay hoe tafavoaka raha miray hina. Kanefa hahavita hiray hina ve isika? Otrany misy fifanenjehan-dava izany foana anie e! ny vahiny faly manararaotra fotsiny.
IZay Mitambatra vato ary'izay misaraka fasika hoy ny Ntaolo.
8. miali ( 23/12/2005 09:35)

Tsy misy afa tsy ny gasy ihany no hanarina an'i M/kara. Angaha ny karana, sinoa ary vazaha mahatsapa ho tompon'andraikitra amin'izay tanindrazantsika any hoy ianareo?

Jereo fotsiny io zavatra nanjo an'atoa Andriantsitohaina Charles io ( cf rubrique opinion débat les nouvelles du 23.12.05 ) dia ho fantatrareo ny toerana ametrahan'ny vazaha antsika malagasy.

Ny firaisan kina dia mandeha ho azy izany rehefa mifampiresaka. Samia fotsiny misikina fahavononana.
9. Veloo ( 23/12/2005 14:55)
lanto92 ie aky to lavitrin'ny afo mihitsy ny kitay raha oe hiray hina an....:(
10. antso2005 ( 08/01/2006 19:43)
Miombon-kevitra aminareo aho fa sainga izao koa: misy zavatra tena mbola tsy haintsika Malagasy mihitsy. Ny fitantanana ohatra dia tena tsy mbola haintsika loatra. Misy trai-kefa mbola mila ianarantsika amin'ny vahiny, raha toa ka ilay vahiny mahay no tonga any Dago fa ny olana dia ilay vahiny tsy mahay koa anie no tonga any e.
11. mandrindra ( 09/01/2006 09:14)
Misy fahamarinana izany lazain'i antso2005 izany, fa ny taolana voalohany raha vao resaka fitantanana dai ny tsy fifanajan'ny samy malagasy. noho izany ny toetsaina aloha no tokony amboarina voalohany.
12. xxx ( 09/01/2006 22:48)
Ny sinoa ,karana, vazaha eny fa na dia ny metisy aza dia tsy azo antenaina @izany. ny azy dia ny mamoaka ny milliards izay azony ihany no mahamay azy fa dia eo ianao ry gasikara.
Tsy haka ohatra lavitra aho fa dia jereo ny relisation nataon'ireto olona ireto mba misy hisainana : Ra8 sy ny Tiko, Claude Pages, Kaleta, roland Ratsiraka,Herizo, Andry TGV sns, raha misimisy ny tahak'ireo dia mety hotafita ihany i gasikara, miandry antsika avy aty an-dafy ihany konkoa izany.
13. Ralay ( 10/01/2006 03:36)
Raha hiandry lava ny avy aty andafy izany aloha dia tsy handroso mihintsy i madagasikara nefa tsy azo lazaina fa tsy mandroso koa izy @zao fotoana izao. Tsy ary ho vita vety² ny fandrosoana indrindra fa isika nisy retard bdb @ lafiny rehetra fa dia mandeha tsikely² eo ihany e.:lol:
14. xxx ( 11/01/2006 13:23)
Investissement na affaire kely na be izay ataon-tsika gasy avy aty an-dafy no tiako lazaina, fa tsy hoe hiverina any akory.
15. Veloo ( 13/01/2006 01:07)
aiza ilay size e?
16. Ralay ( 14/01/2006 03:17)
Manampy tokoa ireny ry xxx na eo @ toe-karena na eo @ fianakaviana fa saingy tsy ampy. Ny fitondrana na (ny etat) ihany no tena motera lehibe mampandroso ny firenena dia ny fanohanan'ny vahoaka koa nefa indrisy anefa...
17. Herimiafina ( 14/01/2006 03:50)
Hoy Amartya Sen, Professor of Gov, prix Nobel d'économie 1998, terantany Karana mpampianatra ao Cambridge sy Harvard Business School:
"Misy isankarazany ny fandrosoana fa tsy voatery ireny hita any amin'ny antsoina hoe tany mandroso ireny ihany".
Jereo Eto: http://post.economics.harvard.edu/faculty/sen/sen.html
18. ravakamalala ( 15/01/2006 17:39)
zay mihitsy! tsy voatery hoe stratejia mahomby any amina firenena iray dia tsy maintsy hahomby any amin ny hafa.

Nefa ny tena mampalahelo dia ny mpitondra ao Madagasikara no tena mpanao an io.maka tahaka fotsiny fa tsy mieritreritra hoe misy "parametre" betsaka tsy maintsy atao antsaina, arakarakin ny "contexte". tsssssss
19. Veloo ( 15/01/2006 23:07)
ravaka 8O zany ve?
20. dadabe ( 16/01/2006 11:58)
zah kosa aloha raha mahita kanja tsaratsara aty andafy aleoko miaritra trefle aty kle ,toy izay hody any dago be mpanenjika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2504