13 mai: nahoana no nisy herisetra?

1. jentilisa ( 22/12/2005 06:44)
Efa mba tokony hisy fitoniana kely ahafahana misaina tsara kosa angamba izao hamakafakana hoe nahoana tokoa moa no nisy iny herisetra tamin'ny 17 desambra iny?

Ny arosoko eto dia izao:

Raha nahatsiaro isika dia nisy vondron'olona tamin'ny andro nitondran'i Zafy nivory teny amin'izay tiany hivoriany...ary nibahana arabe indraindray. Izaho dia nahatadidy fa raha nisy ry zareo tamin'izany fotoana izany dia roanjato. It. Germain sy ry josé kely moa no tena mpitarika izany tolona izany...nony ela ny ela, nisy fiantraikany ihany ilay fahalalahana, Izay nataon-dry zareo hatrany manko no lazain'ny gazety dia sahala amin'ny hoe nanangeza ilay fihetsiketsehina ny nilazana azy.
Setrin'izany ny tsy nisy fiarovana avy amin'ny vahoaka fa voatery ho miaramila no naneho fa tena vitsy izay mpanaraka tonga teo raha nisy izany. Raha navela teo iny dia ho nisy isan-kerinandro amin'izay (isaky ny asabotsy ohatra) dia mety ho tonga ihany ilay fenitra tetezamita.

Fa amin'izao fotoana izao kosa, sarotra ho an'ny mpanohitra ny hanohy ny karazany sahala amin'ny natao tamin'ny Zafy Albert! saingy nahatratra tanjona iray ry zareo...tetika "nanalana" an'ny Jeneraly Ramanantsoa kosa!

mazava izany ny tanjon'ny mpanohitra fa tsy ho amin'ny alalan'ny fifidianana ny tiany hidirana amin'ny fifidianana fa korontana ihany (tetezamita)
novalian'i fijo ny 24/01/2006 21:46
2. bitik ( 22/12/2005 07:30)
lé panao pôltik ange ôtran'ny adala ê.tsy aleo ve miandry 1taona sy tapany aloha ê!sady ho aiza eo nefa e:x:x
3. LazaRandri ( 22/12/2005 07:36)
jentilisa:
13 mai: nahoana no nisy herisetra?
satria resaka politika. Izany avy d tsy ho fantatra? hahaha
4. lapino ( 22/12/2005 08:35)
jentilisa:
mazava izany ny tanjon'ny mpanohitra fa tsy ho amin'ny alalan'ny fifidianana ny tiany hidirana amin'ny fifidianana fa korontana ihany (tetezamita)

Raha misy fifidianana àry, ho lany ve?!
5. xxx ( 22/12/2005 13:12)
Ka Efa fantany fa tsy holany izy raha fifidianana, izay no itadiavany korontana. Tsy afaka anolotra kandida tokana koa rizareo satria.
6. benyaina ( 22/12/2005 16:35)
:roll:ny mpanohitra koa anie manohitra be fahatany e! tsy mba manana tetik'ady matipaika,sady amin'izay koa olona tsisy apoka avy: oh: i zafy 2 taona dia nihintsana ny sasany moa milatsaka candidat foana nefa tsy lany; raha samy hanova ihany aleo olm-baovao tsy mbola hita taratra teo mihintsy fa tsy ireo goaik'antitra @ politika lava ireo
7. fijo ( 22/12/2005 20:41)
ka jereo fa na ny AREMA aotana aza izao manameloka andry lerony ko."tribune"androany.
8. ravakamalala ( 22/12/2005 21:09)
benyaina:
raha samy hanova ihany aleo olm-baovao tsy mbola hita taratra teo mihintsy fa tsy ireo goaik'antitra @ politika lava ireo


f'angaha moa i ra8 tsy olombaovao, nitondra nankaiza anefa????????....sa mbola minoa fotsiny ihany aloha?:evil:
9. fijo ( 22/12/2005 21:14)
minonoa fotsiny ndry ry ravaka an.
10. xxx ( 22/12/2005 21:32)
Ravaka,Raha hanarina firenena nge tsy vita vetivety e (Moyen na long terme io).
Misy ilay atao hoe mal necessaire.
Aza mihevitra ianao hoe tonga dia hoavy tampotampoka eo ny investisseurs sns.
Raha hiandry fahagagana isika dia tsy hisy izany, indrindra fa raha ireo opposition ireo no hitondra eo.
Jereo fotsiny ny nanaovan'i R8 ni TIKO ohatra, tsy moramora izany nefa vitany ihany. lui c"est un gagnant hoy ny vazaha. Raha hoy ianao hoe samihafa ny mitondra firenena sy ny orinasa, dia jereo G.W.Bush (Mpandraharaha koa) na i Paul Martin (Mpanhandraraha)nefa mitondra firenena matanjaka.
Jereo fa noho i R8 dia nisy saha nandray ihany ny SBM (Banque n'i Sophie ). Mbola hoavy koa ny sasany.
Raha hoy ianao hoe ela loatra izy izany dia vao maika ho lany andro @ transition lava eo isika isaky ny mihetsika.
11. force ( 22/12/2005 21:55)
marina daholo io lazainareo io, ny ahy ndray de izao, ny mpanohitra malagasy de be hambopo diso toerana, tsy mikatsaka fampandrosoana ry zareo ireo fa korontana sy manao sabotage fotsiny, ny vahoaka manaraka azy no adala, efa io foana no nahatonga antsika ho tsy nandroso ve de tsy mba hiova filamatra, fantany fa tsy hp lany @ fifidianana ry zalahy de korontana no efa nahazatra azy, sady efa teo ange ireo fa tsy nisy nafitsoka e! vao maika ny firenena any anaty tatatra, jereo fotsiny ry voninahitsy, bevava eny @ antenimierampirenena nefa ao ambadika kay mametsy olona fotsiny, soa fa tratra.
sady mba hita hany ange hoe misy zavabita eto @ firenena ndrindra fa ny iraisampirenena, ny tanana mihatsra, ny lalana sns tsy vita vetivety anefa zany fa mila fotoana
farany de isika malagasy no miara tonga saina de mandroso ny firenena toy ny an'olona sasany
12. fijo ( 23/12/2005 04:27)
marina io voalazan'i XXX io.tsy misy zavatra vita mora eo,ary isika zatra le manantena hoe vao miova ny eo dia ahita soa.aiza no hisy an'izany.fa miasa aloha.
le mpanohitra koa anie ,matoa izy mitady ady dia satria efa fantany fa tsy holany mihintsy izy raha fifidianana no andrasana e.jereo ny isa anzon'i zafy farany teo.
13. nyaina ( 23/12/2005 07:03)
diso lalana ny panao politika raha mbola izao foana ny fomba heti-miady e! tsy vahaolana intsony ny hilahatra sy hitaona ny vahoaka hiady antrano aleo manova paikady raha te ho lany
14. Ragadona ( 23/12/2005 08:24)
Na dia izany koa aza anefa aza hadino fa misy dikany ny maha 5 taona ny mandat ary tsy dia fialokalofana akory ny hoe a long termes. Ary aza hadino koa fa fampandrosoana haingana no tena nodradradradraina tamin ny pro. Tokony averimberina amin ny radio tele gazety foana ireny tenin zay lany filoha reny refa eo amin ny fitondrana izy d amin zay manampy azy hamantatra hoe inona no tokony hatao ary mampahafantatra ny hafa koa hoe inona no tokony hotenenina. Ampahafantarina ny candidat tsirairay ihany koa ny mombamomba ny zvtr miandry azy indrindra fa ny olana ao, raha toa ka tsy hainy ny mikaroka an zany. D tsy misy ntsony ny fialan tsiny sy fanilihana lava satria sitrapo io fa tsy noterena. Ka zay tsy mahatafavoaka 50%ny prom ny ao antin ny 3 taona voalohan ny(promes nataony an tsitra-po sy am pahalalana ny toe-draharaha)mandat ny dia mamita mandat fotsiny fa tsy mahazo milatsaka ntsony avy eo, ary ekipa vaovao no manomana ny fifidianana. Mety hande io raha atao kle
15. jentilisa ( 23/12/2005 08:40)
ny hoe haingana dia slogan mba nanaovany hoe raha mandroso isika dia ho haingana kokoa!!!

Ny miasa ary mijery ilay asa tokony hatao no tsara banjinina fa tsy tsy mpiasabe tahaka ny cyclopes amin'ny mitôlôjia grika!
16. Ragadona ( 23/12/2005 09:13)
Ka le slogan be fahatany mihitsy no ialana e, moa tsy io ve no fomba efa fanaon ny mpanao politika malagasy hatrizay ka hatrizao, d manahoana ? Fa tsy hoe refa Rakoto no mampiasa an le izy de hamarinina, refa Rabe de tena tsy ao, zay le fomba fijery ataoko hoe tokony hohavaozina. Ny asa no mampivoatra sy mampandroso saingy ny rafitra sy teknika ampiasaina mba hahazoana vokatra tsara sy haingana no mampisy antanan tohatra ny fandrosoana satria samy miasa daholo na ny mahantra na ny mpanana
17. zakilinina ( 23/12/2005 13:15)
Ny alika hono no miverina amin'ny lohany.
Efa niverin-dàlana isika t@ 1995.
Tandremo re fa olombelo sika fa tsy alika ê !
18. Ragadona ( 23/12/2005 13:43)
Sady tsy miverina no tsy mihazohazo ry zakilinina fa mandroso a. (loany akia no fiteny azy ry zak a, avy amin ny hoe mandoa, fa tsy lohany, zay midika zvtr hafa ndray : loha ; tsy sanatria miseho milay aho fa . . . azafady)
19. xxx ( 23/12/2005 14:46)
dia tena marina ny voalazanao ry ragadona,ny olana @ ireto miresaka aminao ireto dia tsy misy mety manaiky hoe tsy havanana @ le fitondrana i ra8 satria tsy tiana ny teo aloha dia ohatran'ny hoe mety daholo ny ataon'i ra8 na dia efa fois 2 aza ny fahantrana ,ny vidim-piainana sns...na isika mijery ny tombotsoan'i madagasikara na isika mifanohana be fahatany sy fanatika eo dia mitohy hatrany lalana mizora mankany @ sous dévéloppement
20. zama91 ( 23/12/2005 17:40)
tena mankaleo be koa le politika malagasy raha izao no fandehany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3131